Tantara ny Fiangonana Advantista

***TANTARA FOHIN’NY FIANGONANA  ADVANTISTA***

Nosoratan’i Pasitora  RANDRIAMANANTENA Heriniaina

Copyright : 1995

TOKO VOALOHANY :

« NY FIANGONANA ADVANTISTA ARA-PAMINANIANA »

Ny fipoiran’ny Fiangonana Advantista ara-paminaniana dia efa voatondro taloha elabe araka ny faminaniana nomena an’i Daniela tamin’ny 555 BC ( Dan. 7 ), ny 551 BC

( Dan . 8 ) sy ny 538 BC ( Dan. 9 ) :

Rehefa avy naneho ireo biby efatra i Daniela dia hoy ny Dan 7 :18 : « Nefa ny olo-masin’ny Avo indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo. »

Ao amin’ny Dan 7 :25 dia hampahoriana fetr’andro telo sy tapany ny  olo-masin’ny Avo indrindra ary eo amin’ny fiafaran’ny fanotoan’ilay tandroka kely dia manomboka ny andro farany (and. 26-28). Nahaliana ny mpaminany manokana  ity antokon’ny olo-masina ity ara-paminaniana.

Dan 8 :14 dia maneho fa amin’ny fahataperan’ny faminanian’ny 2300 andro dia hodiovina ny Fitoerana Masina.

Ny Dan. 9 kosa dia manome ny antsipirian’ny fanazavana ny faminaniana 2300 andro, ny fanombohany izay hamantarana ny fiafarany.

Ny Dan 12 :7 dia mbola mamerina fa fetr’andro telo sy tapany no hanamontsanana ny herin’ny olona masina.

Jaona ihany koa, izay nanoratra ny Apokalypsy tamin’ny 95 AD dia nanambara araka ny faminaniana nomena azy fa :

Apok 11 :2 : Avela hanitsaka ny Tanàna Masina 42 volana ny Jentilisa.

Apok 11 :3 : Haminany 1260 andro mitafy lamba fisaonana ireo vavolombelona roa.

Apok 12 :6 : Handositra ilay dragona 1260 andro any an’efitra ilay vehivavy maneho ny Fiangonana marina.

Apok 12 :14 : Hitoetra any fetr’andro telo sy tapany izy.

Apok 13 :5   : Navela hiasa 42 volana ilay bibi-dia.

 

Raha aravona ireo dia izao :

  • Vanim-potoana iray ihany na ny 42 volana na ny 1260 andro na ny ny fetr’andro telo sy tapany.
  • Ny olona masina na ny vahoakan’Andriamanitra dia ny Fiangonana marina na ilay vahoaka sisa.

 

Raha mampiasa ny fomba fanazavana faminaniana 1 andro = 1 taona (Gen 6 :3 ; Ezek 4 :6 ; Nom 14 :34) isika dia ho azo atao ny ho tonga eo amin’ny vanim-potoana iray lehibe dia ny ipoiran’ny taranak’ilay vehivavy madio fitondran-tena na ny Fiangonana marina.

Ny Apok 12 :17 dia  milaza fa io no ilay ZANAKA SISA izay mitandrina ny Didin’ Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy na ny Fanahin’ny Faminaniana (Apok 19 :10). Sisa tokoa izy ireo satria sisan’ireo 70.000.000 izay naringana nandritra ny 1260 taona noho ny Tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy. Nefa Sisa ihany koa satria manondro ilay Fiangonana marina amin’ny andro farany araka ireo faminaniana tao amin’ny Testameta Taloha.

Koa raha ampifandraisina ny toe-javatra hitranga aorian’ny fanapahana ilay tandroka kely,  ny fanitsahana ny Tanàna Masina, ny fampitsaharana ny fanenjehan’ny dragona ilay vehivavy tany an’efitra ary ny fiafaran’ny asan’ny bibi-dia dia mitondra antsika ho eo amin’ny :

1-  Fandraisan’ny olo-masin’ny Avo indrindra ny fanjakana.

2-  Fisandratan’ny vavolombelona roa.

3-  Zanak’ilay vehivavy sisa.

Ahoana ary no hahitana io vanim-potoana io ? Raha vao hita ny fiafarany dia ho mora no hahita ny fiandohan’ny 1260 andro ary mitombina koa ny mifanohitra amin’izay :

Araka ny tantara dia ny 20 Febroary 1798 no  tonga tany Roma ny irak’i Napoléon BONAPARTE dia ny Général BERTHIER hanadihady sy hisava ny amin’ireo Protestanta nobaboin’i Roma. Nosamboriny  ny Papa Pie VI ka nentina am-patorana ho  any Valence, Frantsa ary maty tany ny 14 Jolay 1799. Nambara eran’ny tanàna tamin’io andro io fa rava ny  fahefan’ilay nanjakazaka nandritra ny an’arivo taona sy tapany. Izany no  namarana ny fanamontsanana ny herin’ny olona masina nataon’ny Eglizy tamin’ireo olona masina (Apok 14 :12 ; 12 :17), fanenjehana izay naharitra 1260 taona.

Raha 1798 - 1260 = 538. Tonga eo amin’ny fanombohan’ilay vanim-potoana isika dia ny taona 538. Araka ny tantara, tamin’io taona io dia nataon’ny Ostrogoths fahirano ny tanànan’i Roma. Natao fahirano tao koa ny Papa izay vao nasandratry ny Amperora Justinien ho lehiben’ny Fiangonana rehetra (Evekan’i Roma) tamin’ny 533. Notapahin’ireo Baribariana ireo lakan-drano rehetra mitondra rano nankao Roma ary dia nitosaka sy niely nanodidina ny rano ka izany tokoa no tena fahirano. Niely ny valan’aretina, mosary sy fahasahiranana ka dia tonga hanavotra an’i Roma sy ny Papa i Justinien ary handroaka ny Ostrogoths. Hatramin’izay dia nataony  ho Governoran’ny  tanànan’i Roma ny Papa ary nomeny fahefana feno ara-politika sy ara-pivavahana. Hatreo dia nasandratra ho ambony noho ny mpitondra fanjakana izy ary nanenjika izay rehetra manohitra azy ny Eglizy. Eny fa na dia ny Baiboly  aza dia nampirimina sy nohidiana tamin’ny gadra varahina ary dia fampianaran-diso sy fanangonan-karena no nanjaka hatramin’ny 1798 namarana ny fanjakazakany.

Fotoana fohy taorian’io dia nitroatra avy amin’ny Fiangonana samihafa ny fanahim-panavaozana sy fifohazana izay efa notarihin-dry Lotera hatramin’ny taonjato faha-XVI. Tao ireo fihetsehana Millerista antsoina hoe Advantista (miandry ny fiavian’ny Tompo). Taoriana kelin’izay dia nifarana ny faminaniana  2300 andro ka nanomboka ny fanadiovana ny Fitoerana Masina (Dan 8 :14) ny 1844. 2300 andro talohan’izao no namoahan’i Artaxerxès Longue Main mpanjakan’i Persia didy nanome fahefana sy fahaleovan-tena feno ho an’ny Jiosy (Dan 9 :24,25 ; Ezra 6 :14). Tamin’ny faramparan’ny 457 BC, izany hoe efa akaiky ny 456. Tsy  nisy rahateo koa moa ny taona 0. ( Koa 2300 - 456 = 1844 )

Ny kara-panondron’ny Zanaka Sisa sady olona masin’ny Avo Indrindra izany dia ahitana izao toetoetra manaraka izao (Apok 14 :12 ; 12 :17)

1-  Mitandrina ny Didin’Andriamanitra.

2-  Mino an’i Jesosy.

3-  Mitana ny filazana an’i Jesosy.

Fotoana fohy taorian’ny fahadisoam-panantenan’ireo Millerista ny 22 Oktobra 1844 dia nomena ny fahamarinana momba ny Sabata izay mbola tsy miova sady tombokasen’ Andriamanitra. Tsy misy nataony raraka an-tany ireo Didy folo ary tsy novany.

Ny toetra faharoa dia ny fanekeny an’i Jesosy ho tonga nofo sy ho hany antoky ny famonjena.

Ny toetra fahatelo dia ny fitanany ny Fanahin’ny Faminaniana. Nambaran’i Paoly fa mbola hisy mandrakariva ny Fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana / Mpaminany ao amin’ny Fiangonana mandra-pahatongantsika amin’ny fahatanterahan’ny finoana ka ho lehilahy lehibe mahatratra ny ohatry ny fahafenoan’i Kristy. Sady ny Fiangonana rahateo no hampisehoana ny Fanahy hahasoa. (Efes 4 :11-16 ;1 Kor 12 :4-7 ; 28,29 ; 1 Kor 14 :1,3 ; Joela 3 :1-3). Ny Desambra 1844 dia nomena tovovavy iray 17 taona Ellen G. HARMON izany fanomezana izany. 2000 mahery  ny fahitana nomen’ Andriamanitra azy ho fampandrosoana sy fitarihan-dàlana ny Fiangonana. Niasa nandritra ny 70 taona izy ka nanoratra pejy an’hetsiny. Hita tao aminy avokoa ireo toetra takiana amin’ny mpaminany marina avy amin’Andriamanitra.

1-  Mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny didiny izay nambarany.

( Isaia 8 :20 ; Jakoba 1 :17 )

2-  Ny fiainany sy ny toetrany dia mifanaraka amin’izay notoriany.

( Matio 7 :20 ; Gal 5 :19-23 )

3-  Tanteraka izay nambarany ( Jeremia 28 :9 - Deotoronomia 18 :21,22)

4-  Manaiky an’i Jesosy ho Andriamanitra tonga tamin’ny nofo ( 1 Jaona 4 :1,2)

Raha fintinina dia mazava arak’ireo fa ny Fiangonana Advantista no hany tena mahatanteraka ireo fepetra ireo. Ka na ny kajy ara-tantara, na ny toetoetra maha-izy azy dia manondro azy ho ilay Fiangonana marina. Tsy tanteraka na mendrika daholo akory ny ao fa izy no mahatanteraka ireo fepetra sy toetoetra ary kajy ara-paminaniana nomen’ Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Manana hafatra manokana  hambara izy dia ny hafatry ny anjely telo (Apok 14 :6-12) izay varavaram-pahasoavana ka hiverenan’ny Tompo am-boninahitra haka sy hanafaka izay rehetra vahoaka niandany taminy mandrakariva.

 

TOKO FAHAROA

IREO TOE-JAVATRA MIALOHA NY NIPOIRANY

 

1-  Ny fanavaozana ara-pivavahana : rehefa nialan’ny Fiangonana lavitra ny Baiboly ka nanjaka ny fampianaran-diso samihafa toy ny varotra famelan-keloka, ny fivavahana amin’ny olo-masina, sns ... dia nipoitra ny fanavaozana ara-pivavahana notarihin’i John WYCLIEF, Martin LUTHER, Jean CALVIN sy ireo namany tamin’ny  taonjato faha-XVI.

 

2-  Ny Revolisiona Frantsay (1789) izay niteraka famelezana mafy ny Fiangonana satria izany Revolisiona izany dia vokatry ny tsy fahafalian’ny olona sy fahaleovan’ny olona ny amin’ny fivavahana kristiana izay nihaza tsy nisy indrafo ireo mpanohitra ny tsy araky ny Soratra Masina (Protestanta). Nodorana ny Baiboly, natao didim-panjakana fa tsy misy Andriamanitra, novàna ho 10 andro ny herinandro, nasandratra ho avo ny RAISON (izay araka ny hevitr’olombelona ihany). Izany koa moa dia nifanojo indrindra tamin’ny fisandratan’ny Siansa moderna sy ny Filozofia Siantifika.

3-  Ny famaranana ny fahefana papaly 1798.

4-  Ny fifohazan’ny Spritisma moderna (1830 - 1844) : Andriamatoa DAVIS no fantatra ho mpiantso avelo moderana voalohany. Tao koa ry  FOX mirahavavy izay nifampiresaka mivantana tamin’ny avelo tamin’ny alalan’ny Morse.

5-  Ireo mpaminany sandoka : Mme WILKINSON dia nanambara fa niditra aminy ny Fanahin’i Kristy ka tsy hiala ao aminy raha tsy afaka 1000 taona. Tao koa i Mother ANN izay nanorina ny fihetsiketsehana SHAKERS. Tao koa i Joseph SMITH, mpaminanin’ny Mormons izay nihambo ho nandray fahitana ka nanorina ny Fiangonany izy tamin’ny 1830. Lazainy fa natao ho an’ny fotsy hoditra irery ihany ny famonjena ary azo atao ny mampirafy. Tao koa ireo fivavahan’ny « mangovitra » QUAKERS notarihin’i William PENN tany Pensylvanie, sns, ...

 

6-  Ny firoboroboan’ny fampielezana Baiboly : telo taona sy tapany (Apok 11 :11) taorian’ny Revolisiona Frantsay dia navela halalaka ny Baiboly. Nanomboka nijoro tetsy sy teroa ny fikambanana mampiely Baiboly. Ny 07 Marsa 1804 dia niorina ny « British and Foreign Bible Society » (BFBS) taorian’ny ezaka nataon’ilay zazavavy kely Mary mba hananana ny Baiboly. Tamin’ny 1800 dia voadika tamin’ny fiteny 15 ny Baiboly. Tamin’ny 1806 dia niorina ny Fikambanana mampiely Baiboly Amerikana ary nahatratra 187.000.000 sahady ny Baiboly voaely. Tamin’ny 1844 dia voadika tamin’ny fiteny 112 ny Baiboly ary ankehitriny dia efa maherin’ny 2153 ny karazana dikan-tenin’ny Baiboly. Izy  no Boky be mpividy indrindra eran-tany.

7-  Ny fihetsiketsehana misionera : 1793. Nandeha nitory tany Israël sy Inde i William CAREY [1761 - 1834]. Tamin’ny 1795 no nitsangana ny « London Missionary Society »(LMS). Tamin’ny 1797 kosa no niseho masoandro ny « New York Missionary Society »(NMS). Nandeha nitory tany Chine i Robert MORRISON. Henry MARTIN kosa nitory tany Moyen Orient. Adoniram JUDSON kosa nandeha nitory tany Inde sy Birmanie. Robert MOFFAT nitory tany Afrika Atsimo. Ny Dr SCHWEITZER sy David LIVINGSTONE dia namaky   lay tamin’ny tany maro tany Afrika.

8-  Ny firoboroboan’ny Siansa sy ny Indostria :  Nandroso fatratra ireo indrindra teo amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-XVIII sy faha-XIX ka tanteraka tamin’izany ny Daniela 12 :4.

9-  Fandinihana ny faminaniana sy fitoriana ny fiverenan’i Kristy indray :

  • Tamin’ny 1180 : i Joachim de FLORIS dia efa nianatra ny faminanian’i Daniela sy ny Apokalypsy. Efa naharihariny tamin’izany fa ny 1 andro = 1 taona, kanefa indrisy fa nodoran’ny Revolisiona Frantsay ny asa fikarohany.
  • 1768 : Johann PETRI, Pasitora Calviniste dia niezaka hikatsaka ny daty fanombohan’ny 2300 andro. Toy izany ihany koa ny nataon’i Otto PLOGER.
  • 1790 : i Manuel de LACUNZA [1731 - 1801] Pretra Jezoita Chiliana dia nanambara ny fiavian’ny Tompo tany Eoropa indrindra tany Espagne sy Italia. Nanoratra boky malaza izy dia ny « Venida del Messias en Gloria y Magestad » (La venue du Messie en Gloire et Majesté)
  • HANSWOOD dia nilaza fa ny fanombohan’ny 2300 andro dia tamin’ny 420 BC.
  • BENGEL dia nanambara fa ny 1936 no ho avy Kristy.
  • 1810 : i BROWN tany Angletera dia nanambatra ny 1260 andro sy ny 2300 andro ka nanomboka ny 457 BC ary nifarana ny 1920. Izy no nitarika ny fifohazana Advantista tany Grande Bretagne.
  • Tao koa i Sir Henry DRUMMOND tamin’ny 1826 izay mambry ny Parlemanta avy ao Albury Park. Nanao kaonferansa mitohitohy momba ny fiverenan’i Kristy izy hatramin’ny 1830. Isan’ny mpandray anjara mavitrika tamin’izany kaonferansa dinidinika izany ilay Jiosy zanaka Raby antsoina hoe Joseph WOLF [1795 - 1862] izay namaky ihany koa ny bokin’i LACUNZA ary nitory tsy niato ny fiverenan’i Kristy tany Ecosse sy Edimburg, Proche Orient, Arabie, Asie Mineure, Moyen Orient, ary Etazonia. Nandalo fitsapana sy famonoana maro izy hoy ireo namany.
  • Louis  GAUSSEN [1790 -         ] izay nitory  ny faminanian’ny Daniela tany Suisse sy Allemagne ary Scandinave ary ny ankizy no nampiasainy  betsaka tamin’izany rehefa tsy nety ny lehibe.
  • I PLAYFORD  dia nitory ny faminanian’i Daniela tany Australie.
  • I WILSON, Eveka tany Inde dia nanambara ny fiafaran’ny 2300 andro ho tamin’ny 1847. Torak’izany koa i DAVIS tamin’ny 1811.
  • Edward IRVING [1792 - 1834] : nanomboka nitory ny fiverenan’i Kristy ity mpitoriteny lasa Pasitoran’ny Fiangonana Anglikana tao Londres ity nanomboka ny Krisimasin’ny 1825.
  • Horatius BONAR  sy Georges MULLER nitory eran’ny Grande Bretagne.
  • H. HEINZPETER dia nitory ny fiavian’i Kristy tany Hollande. Nahazo fahitana izy ka nitory sy namoaka izany ho boky tamin’ny 1830.
  • Léonard Heinrich KELBER dia nanomboka nitory tamin’ny 1824 fa ny 1843 no fara-andro. Nahavaky vava hatramin’ny mpanjala OSCAR tany Suède ny fijoroan’ireo ankizy hanambara izany fara-andron’ny 1843 izany.
  • Mbola maro ireo mpandinika faminaniana sy mpitory ny fiavian’i Kristy toy ireto : Ole BOQUIST sy Erick WALBON ; James HARTLEY, Archibald MASON, LAMBERT, François GAUSSEN (Suisse et France) sns,  ...

10- Ireo fihetseham-pifohazana : Ny taonjato faha-XVIII dia fanta-daza tany Allemagne    ny fifohazana Moraves.

Ny taonjato faha-18 sy faha-19 dia nanetsika fifohazana lehibe tany Etazonia sy Eoropa ry Jonathan EDWARDS, Georges WHITEFIELD, ry Charles SPURGEON, ary ry John WESLEY izay nanorina ny Fiangonana Medotista (rationalisation d’une façon méthodique de la Bible pour faire face à l’esprit  scientifique des contemporains). Io moa ny isan’ny razam-ben’ny Fiangonana Advantista.

 

TOKO FAHATELO

WILLIAM MILLER [ 12 Febroary 1782  - 20 Desambra 1849 ]

 

Teraka tao Pittsfield Massachusetts izy ny 12 Febroary 1782 ary zokiny amin’ny zaza kamboty 16. Nipetraka tao amin’ny  Ferme iray any Low Hampton any amin’ny faritra atsinanan’ny Fanjakan’i New York izy. Tovolahy tena tia vavaka izy ary noho ny tsy fahampiana dia voatery nampiana-tena ka namaky boky fatratra sy nianatra izay rehetra hitany.

Nanambady izy tamin’ny 1803 ary   nipetraka tao Poultney Vermont. Kinanjo tamin’ny fipetrahany tao no nihaonany tamin’ireo namany Deista manaraka ny foto-kevitra scepticisme, manaiky ny fisian’Andriamanitra sy ny famoronany izy, kanefa tsy niraharaha Azy sy ny Baiboly ary manana foto-kevitra hafahafa momba an’Andriamanitra izy ireo.

Lasa Mpitsara (Juge de la paix) izy ary solom-bavam-bahoaka tamin’ny 1812. Niditra ho miaramila izy ary nandray anjara tamin’ny ady malaza nifanaovana tamin’ny  angilisy tao Plattsburg. Nandona mafy ny sainy ny fandresena azon’ny Amerikana izay zara raha nisy 1/3 n’ny anglisy (15.000 / 5.500).

1814 : Tsy afa-po tamin’ireo namany Deista izy ary dia niverina nandinika isan’andininy tao amin’ny Baiboly sady nampiasa konkordansa. Nanampy azy betsaka ihany koa ireo boky betsaka novakiany.

Tamin’ny 1818, rehefa nandinika fatratra ny faminanian’i Daniela 8,9 ary ny Apokalypsy izy dia nanambara fa ho avy eo anelanelan’ny 21 Marsa 1843 - 21 Marsa 1844 Kristy.

Indray Asabotsin’ny Aogositra 1831 tao akaikin’ny sisintany iraisan’i Vermont sy New York, na dia niahotra ela, tsy nety namoaka ny zavatra hitany aza izy dia nanapa-kevitra fa raha misy manasa azy dia hotoriany izay efa hitany.

Indray Alarobia dia tonga ny Zanak’anabaviny Irving GUILFORD nanasa azy hitoriteny ny Alakamisy fa tsy ho eo an-toerana ny Pasitoran-dry zareo tao Dresden (25 Km avy eo)

Tampoka taminy anefa izany ka tsy namaly teny akory izy fa nanao dia mianoatra nivoaka ny varavarana tao aoriany ka lasa namonjy ilay ala kely fivavahany tery andrefan’ny tranony. Teny am-pandehanana anefa dia niverimberina mafy tao an-tsofiny ilay teny hoe : « Mandehana, Lazao ilay izy, ary lazao amin’izao tontolo izao. ». Nandohalika izy ary nanao hoe : « Tompo ô ! tsy afaka ny ho any aho ! tsy vitako izany ! Mpamboly anie aho fa tsy mpitoriteny ê ! Ataoko ahoana no fanambara hafatra

toy ny an’ny Noa toy izao ? » Anefa hoy ihany ilay feo :  « Tsy ho efainao ve ilay voadinao ? » Resy ny lehilahy, ka nangataka tamin’ny Tompo mba homba azy manokana amin’izany iraka lehibe izany.

Toa nisy enta-mavesatra niala taminy. Nitsambiki-pifaliana izy ary nihiaka hoe :  « Voninahitra ho an’Andriamanitra ! Haleloia ! » Tazan’ny zanany vavy kely Lucy MILLER izany ka niolomay nody nilaza izany tamin-dreniny izy.

Dia lasa ary MILLER nitory isan-kariva nandritra ny herinandro tao Dresden : fianakaviana 13 no nanaiky ny fampianarany tao. Rehefa izany dia sesilany ny fanasana azy hitoriteny tetsy sy teroa ary dia nitory tamin-kafanampo eran’i Nouvelle Angleterre izy fa ho avy tsy ho ela Kristy.  Nahavita kaonferansa 3200 izy hatramin’ny 1842. An’hetsiny no nino sy vonona tamin’izany. Niteraka ny fifohazam-panahy lehibe tany Amerika izany. Maro ny olona avy any ambanivolo no  tonga namonjy ireny fivoriana ireny, nitondra sakafo ary naharitra namono  masoandro mihitsy hihaino ny hafatr’i MILLER mitory  ny hafatra faran’ny fibebahana. Miisa 16 ny foto-kevitra notoriany tamin’izany : (Jereo Lovan’ny Fiangonana pp. 20,21)

Nanampy azy tamin’izany ireo namany Batista toa an-dry Joshua HIMES, mpamaky lain’ny Gazety hoe « Signs of Times », avy any Rhodes Island. Ny Pasitora Josias LITCH avy any Boston izay nanoratra boky maro fianarana ny faminaniana... Nanampy azy koa ny zandrin’i LITCH antsoina hoe Charles FITCH, ry Apollos HALE, sns, ... FITCH no mpitory mafana voalohany ny hoe : « Rava Babylona ! » Nanomboka tany Cleveland izy ary niasa tamin’ireo mpianatry ny Oberlin College (Ohio)

Ny lohataonan’ny 1840 dia nanomboka nandalina ny fampianaran’i MILLER ireo filoham-pivavahana tamin’ny alalan’ny kaoferansa izay nantsoina hoe « Kaonferansa Jeneraly ». HIMES no nitarika izany voalohany. Ny May 1842 no notarihin’i Joseph BATES ka niteraka ny atao hoe « Camp-meeting » izay natao voalohany tamin’ny 26 Jona 1842.

Nanakoako eran’i Amerika Avaratra ny hafatra, tonga tany Angletera, Norvège, Suède, Suisse, Danemark. Niely niankandrefana hatrany amin’ny Ranomasina Pasifika. An’arivorivony no natao batisa ary aoka izany ny fiomanana sy ny hafanam-po mamonjy Camp-meetings tetsy sy teroa izay naharitra mandra-maraina aza indraindray. Vao maika nohamafisin’ny kintana niraraka araka ny faminanian’i Jesosy izany ny 13 Novambra 1833.

Nandalo tao Portland, Maine i MILLER ny Marsa 1840 sy ny Jona 1842 ka voaentana tamin’izany ry Robert HARMON mianakavy.

Ny 12 Aogositra 1844, raha nitoriteny tamin’ny Camp-meeting tao Exeter, New Hampshire i Joseph BATES izay Capitaine de Vaisseau  lasa Millerite, dia niditra tampoka nanapaka ny toriteniny i Samuel S. SNOW ka nanambara fa ny andro fanavotana no fanadiovana ny Fitoerana Masina. Koa rehefa nanontany ireo Jiosy Karaïtes izy dia nanambara fa araka ny calendrier-ny dia ny 22 Oktobra no andro fanavotana tamin’io taona io ka hanadiovana ny tany ary hiveranan’i Kristy. Teo no nanomboka ilay antsoina hoe « The Midnight Cry » na feo mamantonalina satria telo volana sisa !

Nirehitra tamin’ny famitana ny fitoriana ny Filazantsara ny mpino. Ny mpivarotra dia nanakatona ny trano fivarotany, ny mpiasan’ny trano pirinty namela ny asany, ny mpamboly tsy nihady ny oviny intsony (nefa tsy mba lò tao ireny). Ny 19 Oktobra no navoaka ny gazety farany.

Rehefa nanakaiky ny Alakamisy 22 Oktobra dia samy nandeha namonjy ny fianakaviany avy ny rehetra. MILLER sy ny namany kosa dia nifidy ilay vatolampy kely teo andrefan-tranony teo anilan’ilay toeram-pivavahany sy ny famoloana, teo no nataony ho toeram-piandrasana. Hihaona amin’ireo hava-malala nodimandry avy etsy am-pasana ary dia ho any an-danitra !...

Indrisy anefa fa nangidy loatra ny fahadisoam-panantenany fa ilay fahamarinana fantany efa ho 25 taona izao ary notoriany tamin-kerim-po nandritry ny 13 taona dia nidaraboka tanteraka. Ninoany fa ny faran’ny 2300 andro dia hodiovina ny Fitoerana Masina ary hihatra hatrety an-tany izany. Ny Apok 10 :9 dia manambara fa tsy hisy andro intsony ary tsy misy faminaniana intsony aorian’ny 2300 andro. Ny Mat 24 :30,31 dia manambara fa rehefa afaka ny famantarana eny amin’ny lanitra dia hiseho ny famantarana ny Zanak’olona. Ny andro farany rahateo efa nanomboka ny 20 Febroary 1798. Ny nahadiso azy anefa dia ny fampirimana ny hoe Fitoerana Masina = tany.

Na dia izany aza anefa dia tsy nampihena ny afon’ny finoana izany fa ho avy tsy ho ela ny Tompo. Nanangana Fiangonana kely tao Low Hampton izy mivady. Nodimandry izy ny 20 Desambra 1849 ary miandry ny fiavian’i Kristy hanangana azy.

Fanamarihana : Ireo mpiandry ny fiavian’i Kristy nanomboka ny 1831 - 1844 no  nantsoina hoe Advantista (miandry ny Adventa na ny fiaviana). Avy amin’ny fiangonana maro : Katolika, metodista, Batista, sns ... izy ireo fa  natambatry ny fanantenana iray. Ny fiangonan’ny Millerites kosa dia nanomboka ny 1839.

 

TOKO FAHAEFATRA

NY FAHADISOAM-PANANTENAN’NY 22 OKTOBRA 1844

Araka ny daty efa napetrak’i MILLER dia ny 21 Marsa 1844 fara-fahatarany no ho avy Kristy. Io no antsoina hoe fahadisoam-panantenana voalohany. Nefa mbola maro ireo nahatoky rehefa nahazo ny hafatra araka ny Habak 2 :3 sy ny Mat 25 :5,6 fa nisy fahataràny ny fiavian’ny mpampakatra. Nihamafy rahateo ny fitoriana ny hafatry ny Apok 14 :6-12. Ny nantsoiny hoe Babylona dia ireo Fiangonana izay nanongana ny Millerista tsy ho mambra tao aminy. Ny hafatry ny anjely fahatelo anefa dia taty aoriana vao tena notoriana. Nanoratra tao amin’ny Signs of Times i MILLER ny 03 May 1844 fa andro Paska no nahafatesan’i Kristy (volana voalohany Jiosy) fa ny fiverenany dia ny andro fanavotana amin’ny volana fahafito. Ny 12 Aogositra 1844 dia nandresy lahatra ireo mpino efa ketraketraka ihany tamin’ny fahataràna i S.S SNOW ka nanambara fa ny Yom Kippur tamin’io taona io dia ny Alakamisy 22 Oktobra 1844.

Tsy nisy tomika tokoa ny fiomanana. Nanakoako ny Feo Mamantonalina. Maro ireo nivarotra ny taniny ka nanome ny vola ho an’ny malahelo sy nanaovana ny asa printy izay fanoitra nanelezana ny hafatra tamin’ny boky sy gazety. Ny 19 Oktobra dia navoaka ny gazety farany !

Ny 21 Oktobra dia efa saiky namonjy ny tanindrazany sy ny fianakaviany ny rehetra. MILLER  dia niandry teo amin’ilay vatolampy teo andrefan-tranony. Tamin’izay no nisy lehilahy iray antsoina hoe Hiram EDSON, nipetraka tao amin’ny Ferme tao akaikin’i Port Gibson anelanelan’ny Albany sy Buffalo ao amin’ny fanjakan’i New York.. Niara-niandry tamin’ireo mpamboly namany iray fikambanana taminy izy sady advantista rahateo moa . isan’ireny i Owen CROIZIER sy Dr F.B HAHN namany.

... Nisandratra ny andro, niandry ny rehetra. Efa nody ireo namonjy fotoam-pivavahana farany tany am-piangonana. Nitataovovonana ny andro ... Nifandimby hatrany ny ora ... Nirefarefa ny masoandro, nirotsaka ny aizina, niandry hatramin’ny mamanton’alina, eny mandra-paharainan’ny andro. Raha ny ady marika natao sy ny fitoriana natao ary ny fiomanana dia tsy misy antony tsy tokony hahatonga Azy. 25 taona niandrasana i MILLER sy ireo advantista marobe.

Nangidy tokoa satria teo ny eson’ireo namana sasany nanao hoe :  « Angaha tsy niakatra ianareo omaly ? » Teo ny  olana ara-pivelomana satria tsy nanana na inona na inona intsony ny sasany. Fa ny tena mafy dia ny hoe : « Diso ve ny kajy nataontsika ? »

Hoy anefa ny baiko : « Tsy maintsy maminany indray ianao. » Betsaka no kivy ary ny ankamaroan’ny advantista dia niala tanteraka. Tao anefa ny mbola nijoro hatrany na dia niendaka aza ny maro.

 

Ny Zoma 23 Oktobra vao maraina dia niantso ny namany tavela teo i Hiram EDSON hivavaka ao amin’ny tranom-bokatra (grange). Dia niditra izy ireo ary nanakatom-baravarana. Vavaka mafana sy feno fitakiana ny fahazavana avy amin’ny Tompo no nasandratra.

Tsy ampy ora roa taorian’izay, raha handeha hampahery ireo rahalahy diso fanantenana izy ireo ka namakivaky ny tanin-katsaka, tamin’izay no toa nisy tànana nitambesatra teo antsorok’i EDSON nanohina azy hitodika ary hitraka hibanjina any ankoatry ny lanitra saron-drahona maraina ary nosokafana taminy ny lanitra fahatelo : Hitany i Kristy Mpisoronabe niala avy  tao amin’ny Fitoerana Masina ka niditra nankao amin’ny Masina Indrindra. « Hitako » hoy izy « fa raha tokony ho avy tety an-tany ny « andro fahafolo amin’ny volana fahafito » eo amin’ny faran’ny 2300 andro izy dia niditra ao amin’ny efitra faharoan’ny tabernakely any an-danitra mba hanatontosa asa iray alohan’ny hiaviany ety an-tany. »

Efa tonga tery amin’ny faran’ny tanin-katsaka ireo namany vao niherika niantso azy : « Rahalahy EDSON fa inona no mampijanona anao ? » - Namaly EDSON hoe : « Novalian’Andriamanitra ny vavaka nataontsika aninkeo maraina ! » Ary dia notantarainy azy ireo ny fahitana voarainy tao. Tapa-kevitra izy ireo fa handinika fatratra ny momba ny Fitoerana Masina sy ny fanadiovana azy araka ny Baiboly. Navoakan’izy ireo tao amin’ny gazety kelin’ny advantista « The day Down ! » tao Canadaigua izany sy tao amin’ny « The Day  Star » tany Cincinnati. Nampahery ireo advantista diso fanantenana izany sady nampitony ny ngidim-panahiny.

Nanome vola hividianana ny milina fanotam-pirinty voalohany an’i Advantista i EDSON. Tao aminy no nanaovana ny kaonferansa faha-3 Sabata ny 1848. Nanaraka azy ireo namany ka nitandrina ny Sabata tao Port Gibson 150 taona mahery izao no nanombohan’ny fitsarana tany an-danitra. Rehefa vita ny fitsarana ny maty sy ny velona misoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana dia hiverina indray amin’izay izy.

 

TOKO FAHADIMY

NY TANTARAN’NY FITANDREMANA NY SABATA

Ny taonjato-I dia tsy nisy fiovana ny fitandremana ny Sabata Sabotsy. Ny tapany faharoa tamin’ny taonjato faha-II anefa vao nisy antokon’olona vitsy, ho fanoherana ny Jiosy (antisémitisme) izay fototry ny fanenjehana azy ireo, dia ninia nitandrina ny Alahady ho fankalazana ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty hoy izy ireo. Neken’ny Romana ho ara-dalàna mantsy ny Judaïsme, koa ny Kristiana izay  niafina tao ambadiny dia niharan’ny fanenjehana tsy nisy farany. Ny taonjato faha-III dia maro tamin’ireo Rain’ny fiangonana (Pères de l’église) sy teolojiana (oh : Origène) no  niezaka namerina ny olona ho amin’ny andro fivavahana marina.

Nahazo laka ary ny fitandremana andro roa (Asabotsy sy Alahady) ka dia andro dimy sisa no niasana. Natao andro ho fifalifaliana sy filalaovana ny Alahady fa ny Asabotsy kosa dia navesatra tamin’ny olona ny fitandremana azy. Noho ny antony ara-toekarena dia tsy nanaiky hitsaharana andro roa i Constantin, nahafalifaly ny olona koa moa ny zavatra natao ny Alahady, ny Jentilisa rahateo efa zatra nivavaka tamin’ny andron’ny masoandro, koa izany no nahatonga an’i Constantin hamoaka didy ny Talata 07 Marsa 321 ka ny Alahady dia ho andro fitsaharana ho an’ny eny an-tanàn-dehibe, fa ny tantsaha dia mahazo tsy miato ny asany andavanandro.

Tsy tanteraka anefa ny fankatoavan’ny fiangonana feno ny Alahady raha tsy tamin’ny « Concile de Laodicée » tamin’ny 364. Na dia niha-vitsy aza ny nitandrina ny andro Sabata - Sabotsy dia nisy mandrakariva ireny tamin’ny faritra maro maneran-tany.

Ny mpiara-miasa akaiky tamin’i Lotera antsoina hoe Andreas KARLSTADT avy any Bodeinstein dia nanao fanavaozana (réforme) momba ny Sabata. Namoaka ny sangan’asany izy tamin’ny 1524 « Concerning the Sabbath and Commanded Holy days ». Roa taona taorian’io (1526) anefa dia nisaraka taminy i Lotera . Jean CALVIN dia nanambara tamin’ny fanavaozany ny « Les institutions » tamin’ny 1536 fa tsy misy ifandraisany mihitsy ny Sabatan’ny didy sy ny fitandreman’ny Kristiana ny Alahady. Araka ny fitrandrahan’i Kenneth STRAND (mpikaroka advantista) dia nanandratra ny Sabata i Lotera. I Philip MELANCHTON izay namana tsy misaraka amin’i Lotera dia nanambara fa io Sabata io dia andro voadidy ho andro fanaovana fotoam-pivavahana sy fitorian-teny. Izany didy izany dia mifehy ny olombelona rehetra hoy izy. Maro koa ireo mpitandrina ny Sabata anabatista nandritra ny taonjato maro. Na ny Silamo aza dia nitandrina ny Sabata tamin’ny voalohany. I John N. ANDREWS ao amin’ny bokiny « History of the Sabbath Day » dia milaza fa nisy mandrakariva ny  mpitandrina ny Sabata nandritry ny taonjato satria tsy nisy didy navoaka hanafoana ny fitandreman’izy ireo ny Sabata tany Hollande, France, Norvège,,,, (1544), Iceland (1554), Suède (1667), sns ... Maro koa ireo Sabatista tany Etiopia, sns ...

Tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19 i BEISSEL dia niezaka nitory sy nampianatra ny Sabata. Taoriana kelin’ny fahadisoam-panantenan’ny 22 Oktobra 1844, tao amin’ny tanàna kely tany Washington - New Hampshire, nandritra ny fotoanan’ny fandraisana fanasan’ny Tompo, ny Pasteur Frédéric WHEELER  dia nitory sy nanazava momba ny Didy folo ary nanambara fa tokony hotandremana izany. Teo am-pitoerana anefa Ramatoa Rachel OAKES (PRESTON) izay batista nitandrina ny andro fahafito dia tsy tafatombina rehefa nanazava ny didy faha-efatra izy. Rehefa nirava ny Fiangonana dia nosakanany làlana ny Pasitora ary niady hevitra taminy izy ny antony tsy ampiharana ny fitandremana ny Sabata Sabotsy. Dia nanapa-kevitra izy ireo fa hitandrina ny Sabata. Namoaka boky momba izany i T.M FARNSWORTH sy William rahalahiny, Millen POND, Frédérick sy Georges WHEELER, sns ...

Tamin’ny fiandohan’ny taona 1845 dia tafahaona tsy nampoizina tamin’ity antokon’olona ity i Joseph BATES sy William BATES rahalahiny. Rehefa nifandresy lahatra teo amin’ny alokaloky ny hazo iray izy niaraka tamin-dry WHEELER sy FARNSWORTH dia nanapa-kevitra izy fa hitandrina ny Sabata. Rehefa niverina  tany aminy tany Fairhaven izy dia faly indrindra sady feno hafanam-po ka nanao hoe : «Endrey ny fitiavako  ny Sabata ! » Rehefa tonga tany izy dia tafahaona tamin’ny advantista Millerista namany toa an’i James MADISON sy Monroe HALL teo amoron’ny Rano Acushnet (New Bedford). « Inona no vaovao ry Joseph ? » « Ny vaovao ve ? - Ny andro fahafito no  Sabatan’i Jehovah Andriamanintsika ! » Lasa Mpitory mafana fo ny Sabata i BATES ary nantsoina mihintsy hoe : APOSTOLIN’NY SABATA.

Tamin’io taona io dia niezaka nandresy lahatra an’i James WHITE sy Ellen HARMON (mbola mpifamofo) ary Saraha rahavaviny izy fa tsy nanaiky ny fampianarany ireo.

Namoaka boky 48 pejy Joseph BATES izay nohateveniny ho 88 pejy ny 1846. Taorian’ny mariaziny ry James sy Ellen izay vao  namerina nandinika ny boky ary dia nanapa-kevitra fa   hitandrina ny Sabatan’i Jehovah ny lohataonan’ny 1846.

 

Ny 03 Avrily 1847 no nomena fahitana voalohany momba ny Sabata i Ellen WHITE. Naseho azy ny Fitoerana Masina, ny Fiaran’ny Fanekena sy ny Didy folo tao anatiny izay misy hazavana mamirampiratra manokana teo amin’ny didy fahaefatra. Ny 07 Avrily 1847 dia nanoratra momba ilay fahitana tany amin’i Joseph BATES tany New Bedford any Massachusetts izy ary io no sora-tànan’i  Ellen WHITE fantatra voalohany indrindra. Vao maika nohamafisin’ireo kaonferansa 5 Sabata izany ny 1848.

Ny 1852, tonga tao Battle-Creek (MI) ilay Apostolin’ny Sabata ary nanontany ny tompon’andraikitry ny Paositra izy  ny amin’izay olona tò teny sy  mahatoky indrindra ao an-tanàna. Natorony azy ny lehilahy antsoina hoe David HEWITT. Nandresy lahatra azy Joseph BATES ary dia tonga mpitandrina ny andro fahafito koa izy. Taona vitsy taty aoriana dia efa nahatratra 2500 ny  advantista tao Battle Creek. Nanana fanotam-pirinty, toeram-pitsaboana ary Sekoly izy ireo. I  David HEWITT no  ilay nanome ny anarana hoe « Fiangonana   advantista mitandrina ny andro fahafito » taty aoriana (26 Septambra 1860)

FANAMPINY

TANTARAN’I JOSEPH BATES [08 Jolay 1792 - 19 Marsa 1872]

Fairhaven no tanàna kely nipetrahany manamorona ny renirano Acushnet, manoloana ny seranan-tsambon’i New Bedford any Massachusetts. 15 taona izy raha nanomboka nanao ny asan’ny  tantsambo tamina sambo mitondra varotra nandritry ny 25 taona. Nankany Eoropa sy tany hafa matetika izy tamin’izany. Noraràny mafy teny amin’ny sambo nentiny ny alikaola sy ny teny ratsy. Nafana fo tamin’ny ady tamin’ny fisotro mahamamo izy.

Tamin’ny dia indray maka nataony dia napetraky ny vadiny tao anaty valiziny ny Testameta vaovao. Narary ny tantsambo iray ary dia nangata-bavaka sy fampaherezana farany taminy. Nanetsika mafy ny fony tokoa ny famoizana ity tantsambony ity ka dia nanolo-tena hatao batisa ny lehilahy rehefa niverina. Ary dia nanomboka nanao fotoam-pivavahana isan’andro teny ambony sambo izy. Ny 1826 izy no nisotro ronono tamin’ny maha-tatsambo azy ary dia nirotsaka ho mpamboly. Nahangona volabe izy. Nanokana izany tamin’ny asan’ny Fiangonana sy ny fanafahana andevo izy. Namerina ny sainy ho eo amin’ny Baiboly rahateo ny kintana niraraka tamin’ny 13 Novambra 1833.

Ankoatr’izany dia lehilahy tena nahatandrina fahasalamana fatratra i Joseph. Tsy mba nisotro divay na dité na nihinana paraky na nifoka sigara izy. Rehefa lasa Millerite izy  dia  niala tamin’ny hena, dobera, fromazy, ny   tavin-kena, sns ... Nanomboka tamin’ny 1845 dia tsy nihinana afa-tsy mofo sy rano, voankazo sy legioma, voamaina ary voanjombazaha izy. Izany no nampahateza azy. Nanangana ny voalohany tamin’ireo fikambanan’ny fahalalana onony tany Etazonia izy.

Ny 1839 izy no nahare kaonferansa iray voalohany momba ny fiverenan’i Jesosy ary dia nihiaka hoe : « Izany no tena fahamarinana ! » Niara-niasa akaiky tamin’i J. HIMES tamin’ny fanaovana plana momba ny fanavaozana ara-pahasalamana izy. Voasarik’i HIMES ho Millerite tamin’izany izy.

1841 dia niara-nitory tamin’i MILLER tao amin’ny Fiangonany tao Fairhaven izy. Hatramin’izay dia lasa mpitoriteny nazoto sy nahita fahombiazana hatrany izy. Tamin’ny 1842 dia voatendry hitarika ny iray tamin’ireo Conférence Générale izy. Nanohitra azy anefa ny fiangonany tao Fairhaven ka dia nilaozany. Namidiny ny tranony sy ny fananany. Matetika izy no nahazo fandrahonana avy tamin’ireo tompon’andevo noho ny fanafahany azy ireny. Izy no nitarika ilay Camp-meeting tamin’ny 12 Aogositra 1844 nanombohana ny feo mamantonalina.

1845 no tafahaona voalohany tamin’ireo mpitandrina ny Sabata tany New Hampshire izy. Lasa mpitory mafana fo momba ny sabata. Nanoratra boky kely « The Seventh Day Sabbath, A Perpetual Sign » izy tamin’ny 1846. Tamin’ny Novambra 1846 dia nino ny fahitana i BATES raha nanatrika voalohany ny nandraisan’i Ellen G. WHITE fahitana tao amin’ny tranon’i Rahalahy CURTISS tao Topsham, Maine. Nanatrika sy nitarika ny iray amin’ireo Kaonferansa 5 sabata izy tamin’ny 1848. Tamin’ny 1849 dia nanoratra ny boky hoe « A seal of the living God, 144,000 of the Servants of God being sealed » Lasa filohan’ny Federasiona Michigan izy tamin’ny 1861. Lehilahy mpivavaka manana aim-panahy, mazava saina, matanjaka ary manana herim-po toy ny an’ny liona izy. Nodimandry izy ny 19 Marsa 1872.

 

TOKO FAHAENINA : TANTARAM-PIAINAN’I ELLEN G. WHITE

                         [27 Novambra 1827 -  16 Jolay 1915]

Teraka tao Fort Hill Farm akaikin’i Gorham, 12 Km andrefan’i Portland, Maine i Ellen Gould HARMON. Izy mirahavavy kambana no zandriny amin’ny zaza valo. Zanak’i Robert sy Eunice HARMON, mpiompy sy mpanao satroka izy. Rehefa afaka taona vitsivitsy dia nifindra ho ao an-tanànan’i Portland izy mianakavy. Nalatsaka hianatra tao amin’ny Sekoly Brackett Street, Portland izy mirahavavy. Raha kilasy fahatelo izy sy Elizabeth rahavaviny, indray tolak’andro dia nenjehin’ankizy 13 taona izy mirahavavy ka voatorak’io ny oron’i Ellen. Boba rà ny orony ary tsy nahatsiaro tena telo herinandro izy. 9 taona izy tamin’izay. Nanjary zazavavy farofy sady nahia izy. Roa taona izy no tsy afaka niaina tamin’ny orony. Tsy kivy anefa Eunice reniny tamin’ny fitsaboana azy fa nanamboarany Berceau lehibe manokana izy ary dia lasa sakaizam-pandriana.

4 taona taty aorian’izay dia nandray poti-taratasy misy fanambarana nataona lehilahy iray any Angletera izy izay nitory fa afaka 30 taona dia hodorana ny tany. Tsy nahitany tory alina maro izany ka nitaraina tamin’ny Tompo izy mba havela ny helony sy ho vonona ho amin’ny fiaviany. Tamin’izay taona izay koa anefa no nandrenesany fa ho avy tamin’ny  taona 1843 Kristy.

Tamin’ny volana Marsa 1840 dia tonga tao amin’ny fiangonany tao Casco Street, Portland i MILLER. Nanatrika ny fivoriana ry HARMON mianakavy. 13 taona i Ellen tamin’izay. Nirohotra avokoa ny avy any ambanivohitra hihaino azy  ka naharitra namono masoandro. Nalalaka rahateo ny fitoriana tamin’ireo fiangonana protestanta. Teo am-panatrehana ny kaonferansa nataon’i MILLER dia fitalahoana am-po toy izao no nataon’i Ellen : « Vonjeo aho Tompo ô ! fa raha tsy izany dia ho faty aho. »

Rehefa avy nanatrika ny Camp meeting tany Buxton, Maine izy dia nanolo-tena hatao batisa tao amin’ny helodranon’i Casco. 12 mianadady izy no nataon’ny Pasitora Metodista batisa asitrika na dia saika hatao batisa atete fotsiny aza. Hoy ny fanambarany raha nitantara io andro mahasambatra indrindra io izy : « Nandrivotra ny andro tamin’ny fotoana nidinanay 12 mianadahy tao anaty ranomasina mba  hatao batisa. Nirimorimo ny onja vaventy ka nianjera tery amin’ny morona, nefa raha nanandratra ilay hazo fijaliana mavesatra aho dia toy ny ony ny fiadanako. Rehefa niakatra avy teo amin’ny rano aho dia saiky lasa ny heriko, fa ny herin’ny  Tompo no nipetraka tamiko. Tsapako fa hatramin’izay aho dia tsy an’ity izao tontolo izao ity intsony fa nitsangana avy teo amin’ny fasana rano ho amin’ny fiainana vaovao. »

Fotoana fohy taorian’izay anefa dia nanoratra taratasy fandroahana an’i Robert HARMON mianakavy tsy ho mambry ny fiangonana Metodista intsony ny Pasitora tao Casco. Sarotra tamin’i Ellen ny tsy hianatra. Niditra tao amin’ny semineran-jazavavy tao Portland izy. Nihena haingana ny heriny ka tamim-pahakiviana no nodiany indray.

Tamin’ny Jona 1842 dia niverina tao Casco Street i William MILLER. Namelona fahavononana ho amin’ny fiverenan’i Kristy indray tao amin’izy ireo izany. Isan’ireo niandry tamin’ny 22 Oktobra 1844 tao Portland izy ary diso fanantenana fatratra tokoa.

Taorian’izay dia nisy roalahy nofidian’Andriamanitra hitondra ny hafatry ny faminaniana. Ny voalohany dia mainty hoditra antsoina hoe William FOY. Niomana ho Eveka izy raha nandray ny fahitana tao Boston. Ireo Millerites anefa tamin’ny ankapobeny dia nandà ny fahitana sy ny  Sabata. Nahazo fahitana efatra izy izay sahaza indrindra ny vanim-potoana niainany. Nafindra tamina lehilahy iray antsoina hoe Hazen FOSS izany anefa dia in-telo no nandavany tsy hanambara izay nomena azy. Ireo Millerites koa mantsy dia efa tena tsara hafatra ny amin’ny Kristy sandoka sy ny mpaminany sandoka. Raha nekena mantsy ny hafatr’izy roa lahy dia tsy ho diso fanantenana loatra ireo advantista. Najanon’Andriamanitra koa ny fahitana noho ny tsy finoan’ireo ka dia navelany handalo  ny fahadisoam-panantenan’ny 22 Oktobra ireo.

Noho izany dia nofidian’Andriamanitra ny zavavavy marefo anankiray vao 17 taona ho fanaka hitondra ny hafany. Indray marainan’ny Desambra 1844, raha nandeha namonjy fiaraha-mivavaka maraina niaraka tamin’ny tovovavy 4 tao amin’ny tranon’i Elizabeth HAINES sakaiza tiany izy dia voatsindrin’ny Fanahy ka nandray ny fahitany voalohany. Tazany ny vahoaka Advantista mihazo lalan-tery mideza misy hantsana maizina ny andaniny roa. Hazavana lehibe no nanazava avy ato aoriana dia ny feo mamantonalina ary  ny hazavan’i Kristy sy ny Tanàna Masina no mamirapiratra tery aloha. Henony ny resaka nifanaovan’izy ireo ary niara-niditra tamin’izy ireo teo amin’ny vavahady perila izy. Naseho azy ireo tsara fanahy tratra velona izay anisan’ireo ny 144.000. Voaisy tombo-kase izy ary voasoratra eo amin’ny handriny ny hoe : « Andriamananitra, Jerosalema vaovao » Anisan’ireo i Mme HASTING. Naseho azy koa ry Pasteur Charles FITCH sy STOCKMAN izay nanantona ka niresaka taminy. Naseho azy ireo martiora izay misy tsipika mena ny morotongotr’akanjony ary ankizy ny ankamaroany. Herinandro taty aoriana dia nandray ny fahitana faharoa izy izay nisantatra ireo 2000 mahery.

Nanafatrafatra azy ny anjely mba hanoratra ny zavatra naseho azy sy hanambara izany. Koa tsy nandà ny fahitana izy fa nanambara izany teo amin’ny fivoriana iray izay natrehin’izy roa lahy tetsy ambony (William FOY sy Hazen FOSS). Nahazo aina sy hery tamin’izany ireo advantista diso fanantenana. Niaro azy ireo tsy ho latsaka tao amin’ny fitompoan-teny fantatra koa izany.

Nazoto tokoa tamin’ny famonjena Camp-meeting  i Ellen HARMON mirahavavy isany. Maro ireo mpanohitra ity zazavavy 18 taona ity. Malaza tamin’izany ingahy BROWN izay nilaza fa mpiantso avelo i Ellen. Niara-nipoitra tamin’izany koa moa ry Joseph SMITH mpaminanin’ny Mormons izay nampirisika ny fampirafesana.

Indray tolakandron’ny Sabata, raha tany Randolph any Dorchester, akaikin’ny Boston izy sy ny rahavaviny Sarah, nasain’ingahy Otis NICHOLS tao amin’ny tranon’ingahy THAYER, dia nomen’Andriamanitra fahitana naharitra ora efatra i Ellen. Nanatrika izany i  SARGENT sy ROBBINS izay nilaza fa azon-devoly ity tovovavy ity. Nihira mafy izy roa lahy ho fanalana ny devoly. Nandritra ny fahitana dia nanandratra tamin’ny tanany ankavia tsy milefitra Baibolim-pianakaviana iray 9 Kg izy ary nitanisa andininy 50 izay notondroiny tsy misy diso tamin’ny tanany ankavanana. Tsy naharitra ingahy NICHOLS fa dia niakatra tambony seza mba hanamarina ny andininy notondroiny (Jereo Premiers Ecrits)

Raha namonjy Camp-meeting tany Orrington izy dia tafahaona tamina Evanjelistra tanora iray 24 taona, mafana fo, ary avy any Palmyra Maine no fiaviany. James Springer WHITE no anarany [ 04 Aogositra 1821 - 06 Aogositra 1881 ]. 15 taona i James no vita batisa ary tamin’ny 1841 izy no naheno voalohany tamin-dreniny ny momba an’i Miller izay nanaraka ny fampianarany. Nanaiky ny fahitana i James noho ireto antony roa ireto : Ny maha-azo ampiharina ny lazainy sy maha-mifanaraka izany amin’izay voambaran’ny Baiboly (Efes 4 :8-13). Teo amin’ny fiarovan’i James an’i Ellen tamin’ireo mpanohitra no naharaiki-pitia azy taminy. Ny 30 Aogositra 1846 no natao ny mariazin’izy ireo. Niara-nipetraka tamin’ny Ray aman-dreniny izy ireo tamin’ny taona voalohandohan’ny fanambadiany : indraindray tao Portland, indraindray tany Gorham. Tamin’ny enim-bolana voalohany nivadiany no nandinihan’izy ora fatratra ilay bokin’i J. BATES ary dia nanapa-kevitra hitandrina ny Sabata izy ireo rehefa hitany ireo porofo maro natovan’i BATES ilay bokiny : « Ny Sabatan’ny andro fahafito, famantarana mandrakizay » Ireo taona voalohany tamin’ny fanambadian’izy ireo dia tao anatin’ny fahantrana tanteraka. Ireo mpitory ny Filazantsara dia tsy mba nandray karama ara-dalàna. Matetika i James, ivelan’ireo fivezivezena sy fitorian-teny dia nikarama nikapa hazo sy nanao lalam-by tany Topson Maine, tonga hatrany Brunswick Canada ; nikarama nampiditra mololo, naka vilona, sns ...

 

Tamin’ny 26 Aogositra 1847 dia niteraka ny zanany lahimatoa nantsoina hoe Henry NICHOLS WHITE izy. Nitokantrano tao amin-dry Stockbridge HOLLAND, 40 Km avaratr’i Portland izy telo mianaka tamin’ny Oktobra 1847 niaraka tamin’ny entana nindramina. Voatery navelany tamin’i HOLLAND mivady matetika ny zanany mba hahafahany manao tournée hanambara ny hafatra.

Nifanohana akaiky tamin’i Ellen sy James anefa ry HOLLAND  mandra-piantson’ireo rahalahy tany Battle Creek azy mivady hifindra tany tamin’ny 1855.

Ireto avy no anaran-janany : 1- Henry N. WHITE [26 Aogositra 1847 - 06 Aogositra 1863] 2- Edson WHITE 3- William C. WHITE 4- Herbert WHITE [1860]. Ity faralahy dia nopaohin’ny fahafatesana raha vao telo volana monja. Ny lahimatoa kosa na dia nanao ny ezaka rehetra aza ny mpitsabo mahay dia nipaoka azy ny  pneumonie izay nahazo azy sy Willie tamin’ny Aogositra 1863.

Nifindra tany Battle creek ary izy ireo noho ny fiangavian’ny Fiangonana satria tsapan’izy ireo ny fahasahiranany indrindra teo amin’ny fanontana ireo boky. Nanolotra $ 1,200 ireo mambra tao hanorenana trano printy.

Ramatoa Ellen G.WHITE dia Reny mahafatra-po satria ankoatry ny asa fanoratana sy fitorian-teny ary ireo asa ao an-tokantrano dia nazoto nitsidika ny manodidina azy koa izy. Indraindray dia nanampy ireo mpiasa tao amin’ny « Review and Herald ». Niha-nitombo ihany anefa izany hatramin’ny 1860 satria noezahina ny Fiangonana, ny kaonferansa, ny fanontana boky, ny ankizy etsy andaniny. Tamin’ny fivoriana ankalamanjana tao Groveland, avaratr’i Boston, Mass dia olona 15.000 no nihaino ny fitoriana nataon’i Ellen WHITE tamin’ny feo mahataka-davitra. Be ny andraikiny ka vokatr’izany dia voatery hapetraka taman’olona mpitaiza matetika ny zanany. Nizaka ny vokatr’izany anefa izy tamin’ny nanaovany antsirambina ny zanany tamin’ny hafanam-po tafahoatra tamin’ny asa ka namoizany ireo zanany mirahalahy.

Ny 1851 - 1854 dia tsy nisy fahitana voarain’i Ellen G. WHITE intsony ka nihevitra izy fa vita ny asany ary ho avy tsy ho ela ny Tompo. Matetika no sehatry ny famelezan’i Satana mivantana i E.G.W kanefa ny Tompo nanohana sy niaro azy mandrakariva. Ny Alahady 14 Mars 1858, raha nanatrika fotoam-pivavahana fandevenana tao amin’ny Sekolin’i Lovetts’s Grove, akaikin’ny Bowling Green, Ohio, izy dia olona 30 no nanaiky ny Sabata. Tamin’izay no nandraisany fahitana naharitra ora roa momba ny Tragédie des siècles (Hery Mifanandrina). Naseho azy ny ady tany an-danitra, ny fahalavoana,  ny nahaterahan’ny Mpamonjy , ny hazo fijaliana, ny niakarany,  Lotera mamatsika ny 95 thèses teo amin’ny vavaran’i Wittenberg, ny Reformasiona, ny kintana niraraka, ny fiavian’i Jesosy ary ny Lanitra Vaovao sy ny Tany Vaovao. Toa hadino ny faty halevina tamin’izay fa fanantenana velona no taratra teny amin’ny endrik’ireo izay nanatrika. Rehefa nody tany Battle Creek izy mivady dia mbola nivily tao Jackson Michigan tao amin-dry Palmer O. DANIEL. Narary mafy tampoka i Ellen WHITE satria saika hanala ny ainy mihitsy Satana noho ny fahitana tetsy ambony.

Nomen’Andriamanitra fahitana 2000 mahery izy izay nandreraka ara-batana tokoa kanefa dia nanampy sy nanitsy ny dian’ny Fiangonana mandrakariva ireny. Tamin’ny fahatanorany dia tamin’ny alalan’ny fahitana no nampitana ny tsindrimandry fa rehefa zokiolona kosa izy dia tamin’ny alalan’ny nofy no nandraisany ny hafatra. Ahoana ary no   ahafahany manavaka ny nofy avy amin’Andriamanitra sy ny nofy tsotra ? - Hoy izy : « ...Teo anilako mandrakariva ilay anjely rehefa mandray nofy na fahitana avy amin’ny Tompo aho. »

Voafidy ho Filohan’ny Conférence Générale i James WHITE vadiny nanomboka tamin’ny 1865 ka hatramin’ny 1880. Teo am-pamoahana boky momba ny fahasalamana indrindra izy, sady efa namoy ireo zanany mirahalahy, rehefa tsy nandry andro tsy nandry alina dia tratry ny fahalemena (paralysie) izy ny Sabata 16 Aogositra 1865. Nalefa hitsabo tena tany Dansville, New York tany amin’i Dr JACKSON izy nandritra ny telo volana. Noho ny asa   tafahoatra nataony dia matetika izy no tsy salama ary dia lasa niala sasatra tany Geenville, Michigan.

Niezaka anefa izy mivady nanefa ny adidiny tamin’ny famitana ny asa.. Isan-kerinandro dia nisy diam-penin’i Ellen WHITE tao amin’ny « Review and Herald ». Nanao lahatsoratra 2.500 tamina gazety hafa koa izy. Nanoratra taratasy ho an’olona manokana na orin’asa na fikambanana sns ... izy. Nanoratra boky 52 izy, boky kely 100, lahatsoratra an-gazety 4.000. Niandraikitra ny fanitsiana ny fitsipi-pitenenana sy ny fanontana izay nosoratan’i Ellen i James.

Voatendry hiasa tany amin’ny morontsiraka andrefana Pasifika izy mivady nanomboka ny ririnin’ny 1872 - 1873 ka ezaka kaonferansa no tena nataony maro tamin’izany. Nihena foana anefa ny fahasalaman’i James ka lasa niala sasatra tany Texas izy ny ririnin’ny 1878 - 1879. Arthur DANIELLS no garde malade ary MARY no mpikarakara azy. Ny tolak’andron’ny Sabata 06 Aogositra 1881 anefa dia indrisy fa nodimandry teo amin’ny faha-60 taonany i James WHITE. Mafy tsy hay lazaina tokoa ny alahelo sy ny fisarahana an-tany hoy Ellen WHITE. « Mavesatra ny adidy fa very ilay mpanampy. Azoko nangatahina tamin’ny Tompo ny hanangana azy tamin’ny maty nefa tsy nanao izany aho. Inoako fa izao no  namaranana ny 35 taona niarahanay niasa. » Nifindra tany Californie tany andrefana izy taorian’izay mba haka rivotra sady nanorim-ponenana tany.

Nanambady an’i Ann i Edson  WHITE ary niaraka nohosorana ho mpitandrina izy sy William C. WHITE.. Nanana sambo sady Fiangonana no fanotam-pirinty no sekoly izy nantsoina hoe « « The Morning Star ». Io no nampiasain’izy mivady nitoriana niala avy tany amin’ny farihy Michigan ka nankany amin’ny Mississipi. Nanorina ny asa tao Madison izy ary nanangana Sekoly tao akaikin’i Nashville, Tennessee izy ary tonga hatrany amin’ireo mainty hoditra tany atsimo. Tsy dia mba rere intsony anefa ny anaran’i Edson   tato aoriana. I William WHITE kosa dia tsy mba nanambady fa dia nanaraka nanampy an-dreniny mandrakariva tamin’ny dia sy ny asa rehetra indrindra taorian’ny fahalasanan’ny rainy.

Tamin’ny taona 1885 dia nirahin’ny Conférence Générale ho Misionera tany Eoropa i Ellen WHITE hanampy tamin’ny fananganana ny Asa tany. Tany Bâle (Suisse) izy mianaka no nipetraka ary tao ambany rihana no nasiana ny trano  printy. Efa hitany 10 taona mialoha tamin’ny fahitana io toerana io. Ny Cathédrale ao ZÜRICH, ny tantaran’ireo Vaudois de Plémont, ny fanotam-printy ao Oslo, Norvège izay notsidihiny. Nijery ny asa tany Angleterre, Alllemagne, France, Italie, Norvège, Denmark ary Suède izy. Ny 1885 - 1887  ary dia ny nanitatra ny Hery mifanandrina no nataony. Voatery nody tany aminy tany Heldsburg Californie ny 1887 fa tsy salama.

Ny taona 1891 anefa dia lasa nanao Misionera tany Australie indray izy ary naharitra 9 taona tany (1891 - 1900) izany. Tao Sunnyside ao Cooranbong, 113 Km avaratr’i Sydney no nipetrahany. Nanorina Sekoly tao izy, nanorina Sanitarium, toeram-pambolena sy fiompiana. Io no  Avondale College ankehitriny. Na dia toerana vatoana sy tsy mamokatra aza io dia io no  naseho azy tamin’ny fahitana ary dia tsy araka ny nanampoizana azy tokoa ny vokatra tao. Tany izy no nanomboka nanoratra momba ny fiainan’i Kristy : Fitiavana Mandresy, Sambatra, Ny Dia ho eo amin’i Kristy, Henoinareo ny Fanoharana, sns ...

1891 - 1900, nilaza ny tenany ho mpaminany vavy i Anna PHILIPS. Torak’izany koa no nataon’i A.T JONES raha nitory tamin’ny olona 4.000 tao Battle Creek. Niezaka hisolo sy hisandoka ny toeran’i Ellen WHITE izy mianadahy ireo. Teo koa ny savorovoro tamin’ny asa tany Amerika koa dia  voatery nody izy tamin’ny 1900. Nalamina ho Union sy Conférence / Federation ny asa ary notendrena ho filohan’ny Union tany Australie sady filohan’ny  Conférence Générale i Arthur G. DANIELLS.

Ireo 15 taona farany niainany dia nipetrahany tao amin’ny tranony nantsoiny hoe ELMSHAVEN ao akaikin’i ST Helena any avaratr’i California. Boky 9 no nosoratany tao Elmshaven : ireo boky  3 farany amin’ny  Testimonies (Torolalana ho an’ny Fiangonana) (1902 - 1909) Education (1903) Ministry of Healing (Tanamasoandron’ny Fahasalamana) (1905), Counsels to Teachers and Parents (1913), Gospel Workers (1914) ny Acts of the Apostles (Vavolombelona Mahery) (1911) ary teo am-pamaranana ny Mpaminany sy Mpanjaka izy no nitsahatra (1914 - 1915)

Ny fivoriam-ben’ny   Conférence Générale tamin’ny 1909 natao tamin’ny trano lay tao  Takoma Park no farany natrehiny. Samy nahare ny fikarantsan’ny feony na ny tao anaty trano na ny tery lavidavitra tery. Rehefa handeha hipetraka izy dia  niveina tery aloha indray nandray ny Baiboly ary   namerimberina ny hoe « Anafarako anareo ity boky ity »

Ny fivoriambe tamin’ny 1913 dia hafatra sisa nalefany. Ny  sabata marainan’ny 13  Febroary 1915, raha niditra tao amin’ny efitra fanoratany izy dia nibolisatra nianjera ka vaky ny taolam-balahiny. Dimy volana izy no teny amin’ny hopitaly ary rehefa mba  tsaratsara ny andro dia entina mivoaka amin’ny «chaise roulante. Ny Sabata 16 Jolay  1915 dia nodimandry Ellen WHITE . Ny teny farany nataony teo am-pialana aina dia ny hoe « Fantatro izay inoako »

Toerana telo no nanaovana ny fotoam-pivavahana fanaovam-beloma farany : tao Elmshaven - tamin’ny Camp meeting natao tao Richmond, Ca - Tao amin’ny Taberrnakely tao Battle Creek izay natrehin’olona 4.000. Navoaka an-gazety tany Amerika sy eran’izao tontolo izao koa ny fahafatesany.

Talohan’ny nahafatesany dia  olona dimy no notendreny hiandraikitra ireo sora-tanany : A.G DANIELLS (Président Conférence Générale) ; C.H JONES (Talen’ny Pacific Press) F.M WILCOX (Tonian-dahatsoratry ny gazety Review and Herald) Clarence C. CRISLER (Mpitan-tsoratr’i Ellen WHITE) ary William  C. WHITE zanany.

Izy 6 mianaka dia samy efa miala  sasatra ao amin ‘ny fasany ao Oak Hill ao Battle Creek, Michigan. Misy soratra hoe  Dada sy Neny eo an-doha-fasan’i James sy Ellen WHITE . Eo afovoany kosa dia misy tsangambato famantarana lehibe hoe WHITE.

 

FANAMPINY : TANTARAN’I  WILLIAM  FOY SY HAZEN FOSS

Tsy dia fantatry ny Advantista loatra ny tantaran’i William FOY. Pasitora mainty hoditra safiotra izy izay niasa tany  Boston, Mass. Nouvelle  Angleterre. Teo am-piomanana ho Eveka izy no nandray ny fahitana momba ny fiverenan’i Jesosy. Tsy nandà ny fahitana izy fa nanatontosa tsara ny asany amin’ny maha-mpitondra hafatry ny Tompo azy teo anelanelan’ny 1842 - 1844. Lehilahy feno fanetren-tena izy ary mpitory manan-kery sy matsilo saina tokoa teo amin’ny fitoriana tamin’ireo Fiangonana maro ny fanandramany. Ny fiaraha-mivavaka tao Boston ny 18 Janoary 1842 no nandraisany ny fahitana voalohany. Nomena azy ilay fahitana voalohany voarain’i Ellen HARMON ary dia notoriany tamin’ny faritra noteteziny izany. Araka ny fanambaran’i Ellen WHITE dia nandray fahitana 4 izy. Ny telo dia fantatra tsara fa ny fahefatra kosa tsy fantatra mihintsy.

Tamin’ny 1844 no nomena azy ny fahitana fahatelo misy ilay plate forme 3 andalovan’ny Zanak’Andriamanitra mandra-pahatonga any Jerosalema vaovao. Naseho azy fa maro ireo  nihintsana avy eny amin’ireo lampihazo fa ireo izay naharitra teo amin’ny  plateau fahatelo kosa no tonga teo amin’ny Tanàna Masina.

Raha noraisin’ireo advantista tamin’izay ny voambaran’ireo fahitana efatra dia mba ho voaomana tamin’ny fahadisoam-panantenana izy ireo na mety ho niparitaka ihany koa. Fantatra rahateo fa ny Millerites dia tsy nety nino rehefa fahitana araka ny hafatrafatry ny Matio 24. Koa izany no mety nanajanonan’Andriamanitra tanteraka ny fahitana nomena an’i FOY.

Nomena an’i Hazen FOSS [       - 1893], tovolahy iray avy any Portland, Maine ireo fahitana ireo herinandro vitsy talohan’ny 22 Oktobra 1844. Nefa dia in-telo no nandavany tsy hanambara izany, satria efa ho avy Kristy tamin’izay ary hentitra izy tamin’ny maha-Millerite azy. Nesorina taminy fanomezam-pahasoavana ka nomena an’i Ellen HARMON telo volana taty aoriana. Tamin’ny Desambra 1844 dia nahare an’i Ellen nanambara ny fahitana mitovy amin’izay naseho azy i William FOY sy Hazen FOSS. Taorian’izay dia tsy hitahita firy intsony i FOY noho ny tsy fitiavany hanelingelina ny asa nampanaovina an’i Ellen HARMON. Nandritra ny taona maro dia nanao am-pahanginana ny asan’ny Pasitora tany ambanivohitra izy. Narary izy ka dia maty.

TOKO FAHAFITO

IREO SORATANAN’I ELLEN G. WHITE SY NY ASA FANOTAM-PIRINTY

Ilay anjely izay niseho taminy mandrakariva isaky ny fahitana sy ny nofy noraisiny dia nandidy azy mandrakariva hanoratra. Mafy taminy ny hanoratra nohon’ny fari-pahaizany ambany ary kely rahateo ny heriny hanoratra. Nefa tsy nanova ny baiko izany fa hoe : « Soraty ! » Koa rehefa niezaka izy dia notohanan’ny herin’ny Tompo ka nahasoratra pejy an’hetsiny nandritra ny 70 taona.

Tamin’ny 1846 i Enoch JACOBS, Tonian’ny gazety Amerikana iray « The Days Star » izay namoahan’i Owen CROIZIER sy Hiram EDSON ny fahitan’ny 23 Oktobra 1844 dia nangataka tamin’i Ellen HARMON izy hanoratra ireo fahitana azony ao amin’ny gazetiny.

Tamin’ny 1864 izy dia nanomboka nanao boky kely 16 pejy izay mitantara ny fahitana voarainy. « To the remnant scattered Abroad » (Ho an’ireo Sisa izay  niely lavitra) no   lohateniny. Ho fampaherezana ireo niandry ny fiverenan’i Kristy efa kivy sy  niparitaka izany.. Nitariny hatramin’ny 250 pejy izany taty aoriana.

Tamin’ny faran’ny taona 1847 dia namoaka boky izay nitambarany i James sy Ellen WHITE : « A word to the Little Flock » (Teny ho an’ireo ondry vitsy)

Ny taratasy nosoratany ho an’i Joseph BATES tany New Bedford ny 07 Avrily 1847 no fantatra voalohany indrindra amin’ny tena sora-tanany ; manambara ny fahitana voalohany voarainy momba ny Sabata ny 03 Avrily 1847.

Taorian’ny kaonferansa dimy Sabata (1848) dia nanomboka namoaka gazety mpiseho isan-tapa-bolana manazavazava ny vokatr’ireo kaonferansa ireo sy ny fandinihana ny fahamarinana i James S. WHITE tamin’ny 1849. Nantsoiny hoe « The Present Truth » (Ny Fahamarinana ankehitriny) no anaran’io gazety io.

Nomena fahitana Ellen G. WHITE  amin’ny tokony hamoahany boky izay ho  toy ny fahazavana kely amin’ny voalohany ary hameno ny tany rehetra. Na dia tsy ampy aza ny hoenti-manana sy ny fitaovana dia niezaka namoaka ny bokiny voalohany 64 pejy izy tamin’ny 1851. « Esquisse de l’Expérience Chrétienne et des visions d’Ellen G. WHITE » no lohateny. Notovanany izany tamin’ny 1854 ary velabelariny ao amin’ny « Early writings » (Premiers Ecrits) pp. 111-127. Hita ao  ny fitantarany ny ambangovangony ny fanandramany sy ny fahitana nomena azy.

1850 : nivoaka ny  nomerao efatra voalohany tamin’ny « The Adventist Review » an’i James sy Ellen WHITE. Tamin’io 1850 io ihany koa no niorina ny « The Review and Herald «  ka F.M WILCOX no Tonia niandraikitra ny famohana ny gazety. Nahitana mandrakariva ny lahatsoratr’i Ellen WHITE  tao. Indrisy anefa fa nirehitra ny Review and Herald tamin’ny 30 desambra 1902. Noho ny fitiavam-bola tafahoatra sy fitiavan-drehareha dia nanomboka nanonta bokin’izao tontolo izao sy magie ny « Review and Herald. »

Ny 14 Mars 1858 no nandray fahitana momba ny «Hery mifanandrina » tany OHIO i Ellen G. WHITE. Naharitra ora roa ny fahitana. Nosoratany tao amin’ny « Spiritual gifts vol I izany toe-javatra naseho azy izany. Navoaka tamin’ny Septambra 1858 io boky 219 pejy io niaraka tamin’ny « The Great Controversy » izay lasa tompon’anarana avy eo. Nandritra ny 4 taona dia nisy Editions 10 izay mitotaly boky eo ho eo amin’ny 50.000. Ny nanely ireo betsaka dia ireo nantsoina hoe mpampiely boky notarihin’i Gerges KING. Rehefa avy eo dia lasa  nanao Misionera tany Eoropa izy ka tany no nanitarany ny « Tragédie des siècles» ary rehefa nody tany Healdsburg Californie izy tamin’ny 1887 dia namoaka ny « Tragédie » lehibe tamin’ny 1888 Nohavaozina sy nampiana hatrany ny « Tragédie » ka navoaka ny 25 jolay 1911 ny « Tragédie » feno.

Rehefa avy niasa tany amin’ny morontsiraka Pasifika izy mivady ny 1872 - 1873 dia nandray fahitana momba ny fiitaran’ny asa hatrany ivelan’i Amerika i Ellen WHITE ny 01 Avrily 1874. Rehefa avy nanao kaonferansa fitoriana tany  Oakland Ca, i James WHITE ary dia namoaka ny gazety « The Sings of times » izy izay fanambarana ny fahatomoran’ny farany. Ny 04 Jona 1847 dia navoaka ny nomerao voalohany. Notohizan’i James ny ezaka tao Oakland ka nahatsanganany ny tranom-pirinty « Pacific Press Publishing Association » (PPPA) rehefa nahazo ny fanohanana ara-bolan’ireo rahalahy tany Battle Creek izy.

 

Rehefa avy nandray ny fahitana momba ny fitsipiky ny fahalasamana tany OTSEGO ny 06 Jona 1863 sy  nanadihady ny fitsaboana tamin’ny fomba voajanahary tao amin’i Dr J. JACKSON tao Dansville ary noho ny namoizany ireo zanany mirahalahy dia nanapa-kevitra hamoaka boky momba ny fahasalamana i James S. WHITE . « How to Live Healthy » no  lohateniny, boky enina izay 64 pejy isany  no nezahiny natao. Vokatr’izany dia nalemy (paralysé) izy ary  notsaboina telo volana.

Ny 1869 dia   nanomboka namoaka ny Leson’ny Sekoly Sabata nanohy ny an’i James WHITE i Goodloe BELL.

1890 : Nivoaka ny Patriarika sy Mpaminany ao anatin’ny Série « Conflits des Ages »  mitantara ny ady tany an-danitra hatramin’ny Davida Mpanjaka.

1891 : Raha nanao dia misionera tany Australie izy dia nanoratra momba ny fiainan’i Kristy sy  ny fitiavany. Ny 1898 no navoakany ny boky lehibe « The Desire of Ages » lohateny izay  noraisina avy ao amin’ny Hagay 2 :7 (The Desire of All Nations KJV). Lehibe loatra anefa ilay izy ka nosilahina ho : « Steps to Christ » (Ny dia ho eo amin’i Kristy), « The triumphant Love » (Ilay Fitiavana Mandresy), « Christ’s Objectives Lessons » (Henoinareo ny Fanoharana), « Thoughts from the Mounts of blessings » (Sambatra), sns ...

1900 - 1915 : Tao amin’ny tranony tao Elmshlaven no nanoratany ireo boky 9 sisa :

« Testimonies » Vol VII (1902), (Torolalana ho an’ny Fiangonana), « Education » (1903), « Testimonies » Vol VIII (1904), « Ministry of Healing » (1905) (Tanamasoandron’ny Fahasalamana), « Testimonies » Vol IX (1909), « Acts of the Apostles » (1911) (Vavolombelona mahery), « Counsels to Parents and Teachers » (1913), « Gospel Workers » (1914), « Prophets and Kings » (1914 - 1915) (Mpaminany sy Mpanjaka)

Ireto no trano  printy malaza niorina ivelan’i Eoropa : Australie (1886), Avondale (1894), Angleterre(1889), Hamburg (1889), Norvège, Suisse.

 

Ny boky « Ny Dia ho eo amin’i Kristy » dia voadika amin’ny fiteny 118. Efa voadika amin’ny soratra Braille (ho an’ny  jamba) ihany koa izany. Ao amin’ny Bibliothèque n’ny Congrès Amerikana dia misy ny lisitra’ireo mpanoratra eran-tany 10 manana boky voadika amin’ny fiteny maro indrindra :

1- Viadimir Lénine USSR : 216 (Rain’ny kaominiosma)

4- Ellen G.WHITE : 118 (Steps to Christ : Mpanorina ny Fiangonana Advantista)

5- Karl MARX

9-  George SIMEON

Nasaina namorona boky « compilation » ireo mpiandraikitra ny asa-sorany. Anisan’izany ireto : « Selected Messages » « Messages to Young People » « Evangelism » « Counsels on Diets and Foods » « Adventist Home » « Testimonies to Ministers » « Wealfare Ministry » « Testimonies on Sexual Behavior » « Last Days Events » sns, ...

Tamin’ny fivoriam-ben’ny Conférence Générale tamin’ny 1933 no namolavolana ny hitandremana ny asa-soratr’i Ellen WHITE. Ny 1937 no namindrana avy any Elmshaven ny sora-tanany ho any amin’ny biraon’ny Conférence Générale any Washington DC. Tehirizina amina trano tsy mety may ireo ankehitriny,. Misy vata sarihina 120 no itahirizana ireo pejy 100.000 voaisy nomerao araka ny seria misy azy.

Ohatra : Ny manuscrits MS - 30 - 1906

             Ny taratasy K- 25 - 1901

Ao koa anefa ireo toriteny sy dinidinika maro nataony noraisina sténographie. Efa manana ny kopian’ny sora-tanany ankehitriny ny any Newbold college (1975) ary ny Seminera AIIS any Philippines . Efa vita amina boky lehibe telo ihany koa anefa ireo bokiny ireo ankehitriny ; sady efa vita amina CD.

 

TOKO FAHAVALO :

 IREO MISIONARY SY NY FIELEZAN’NY ASA

Ny Avrily 1874 ny fahitana voalohany momba ny asa ivelan’ny Amerika nomena an’i Ellen WHITE. Nankatoavina izany !

  • Ny 1868 anefa dia efa nalefa ho  Misionera hamaky lay tany California i John LOUGHBOROUGH sy Daniel T. BOURDEAU.
  • 1874 : Nalefa ho Misonera tany Suisse i John ANDREWS niaraka tamin’ny zanany mianadahy Charles sy Maria. Vao nodimandry roa taona talohan’izao mantsy ny renin’ireto ankizy ireto. Tonga tany Neuchâtel izy ny 18 Oktobra 1874.
  • 1876 : Nalefan’i James WHITE sy LOUGHBOROUGH tany amin’ny nosy Pitcairn ny gazety « Signs of Times », trakta vitsivitsy ary taratasy. Nandalo tany folo taona taty aoriana i John Tay AWARD, mpandrafitra advantista ka gaga raha nahita ny firoboroboan’ny asa fa saika ny mponina rehetra dia vonona hanova ny andro fitsaharany ho Asabotsy. Nanamboatra sambo tany Oakland ary i John T. AWARD ka nomeny ny anarana hoe PITCAIRN izany. Nanainga ary io sambo misionera io ny 20 Oktobra 1890 rehefa  avy nanaovana fotoam-pivavahana fohifohy ary ny 17 Desambra izy vao nigadona tany Pitcairn. 82 no natao batisa. Nanokatra ny asa tany Polynésie, Nosy Cook,  Tonga, Samoa,  Fidji,  Norfolk,  Lord House, Palau, sns ... avy eo izany sambo misionera izany.
  • 1878 : Nalefa ho  misionera tany Eoropa indray i LOUGHBOROUGH
  • 1883 : Maty tany Suisse i John N. ANDREWS ary nalevina tany Bâle.
  • 1885 : Nalefa ho  misionera tany Eoropa i  Ellen WHITE ary nitety firenena maro. Nody izy ny 1887 noho ny tsy fahasalamany.
  • 1885 : Nalefa ho misionera tany Australie i Stephen HASKELL
  • 1887 : Nalefa ho misionera tany Danemark i John B. MATTESSON. Ny 1880 no nitsangana ny fiangonana tany Danemark. Namaky lay tany Norvège koa izy ary ny namany anankiray  namaky an’i Suède.
  • CONRADI dia namaky lay tany Allemagne niaraka tamin’i Gerhard PERK. Rehefa avy eo izy ireo dia  niaraka tamin’i Romualdo BERTOLA namaky lay tany Rosia.
  • Théodore ANTHONY - nanao misionera tany Turquie.
  • Abraham LA RUE (sinoa no razam-beny) dia nangataka tamin’ny Conférence      Générale hitory any Chine sy Hong Kong. Tsy nila karama izy tamin’izany. Nanainga izy ny 1888 ka nizara trakta tamin’ny seranana rehetra nandalovany.  Taty aoriana izy dia nankany Hawaï na dia efa 60 taona aza.
  • Michael Belina CZECHOWSKI, Pretra Franciscain  Polonais nivadika dia nitory ny Sabata tany Italia, Suisse, Autriche. Vita  batisa tao Battle  creek izy tamin’ny Septambra 1857 ary mpitory nafana fo eran’ny Eoropa. Tamin’ny 1857 izy no tafahaona tamin’i Marie RAVEL (vaudoise), reniben’i Alfred VAUCHER.
  • Namaky lay tany Afrika atsimo i William HUNT. Tamin’ny 1894 ihany koa dia tonga nanatevin-daharana i Peter WESSELS sy G. J. Van DURTEN.
  • ANDERSON lasa nanorina ny Solusi Collège tany Rhodésie (Zimbabwe)
  • Niasa fatratra ireo mpampiely boky  notarihin’i Georges KING tamin’ny fanafihana hatrany  Angleterre.
  • William  INGS no mpiasa nalefa voalohany tany Angleterre.
  • James ERZBERGER no Pasitora voahosotra voalohany tany Eoropa.
  • Daniel T. BOURDEAU: Misionera mpisava lalana voalohany tany frantsa sy Canada
  • A.C BOURDEAU rahalahiny dia nandeha tany Allemagne ,  France, Italie, Roumanie
  • A.T. ROBINSON no isan’ny mpamaky lay tany Rhodésie.
  • Thomas BRANCH no namaky lay tany Malamulo, Malawi.
  • William A. SPICER Mpamaky lay tany Poona, Inde.
  • Georgia BURRONW niasa tany Calcuta, Inde.
  • Stanley STRUGES nanokatra ny tany Népal tamin’ny alalan’ny fitsaboana.
  • D.A ROBINSON tany Afrique sy Inde.
  • J.S JAMES niasa tamin’ireo Tamuls tany Tinnevely, Inde.
  • WC GRANGER namaky lay tany Japon.
  • You UN HYUN no ilay koreana voalohany tonga advantista.
  • R.A CALDWELL no mpampiely boky voalohany tonga tany  Philippines (1905) niaraka tamin’i J.L Mc ELHANY tamin’ny 1906.
  • Harry MILLER no dokotera misionera voalohany tany Chine.
  • J.N ANDERSON sy Edwin WILBUR dia lasa nanao misionera voalohany tanyy   Chine 14  taona taty aorian’i Abraham LA RUE.
  • Fernando sy Anna STAHL dia lasa namaky lay tany Pérou sy Bolivie ary niasa tamin’ireo Indiana tany Titicaca (1909)
  • Frank H. WESTPHALL kosa tonga tany Argentina, Brésil Uruguay.
  • Jorge RIFFEL nandeha nanao misionera tany Argentine.
  • Léo B. HALLIWELL nitety ny faritr’i Amazone niaraka tamin’ny sambo Luzéiro.
  • W.H THOMPSON tany Rio de  Janeiro.
  • Ovid E.  DAVIS namaky lay tany Guyane.
  • Antonio REDONDO advantista voalohany tany Colombie.
  • S. MARCHISIO dia mpanjaitra nandeha nitory tany México City.
  • G.W CAVINESS no mpisava lalana ny Asa tany Mexique.
  • William ARNOLD dia mpampiely boky nitety ny tany Antilles sy Jamaïque.
  • James E. PATTERSON dia nandeha nankany Jamaïque (1892)
  • Clair NEWLEN no  misionera voalohany tany Chili
  • W.E HOWELL nanao misionera tany Grèce (1907)
  • C.H PERKER nitety ny Nouvelles - Hébrides (1912)
  • G.F JONES niasa tany amin’ireo Nosy Salomon (1914)
  • Stephen N. HASKELL, Mc ISRAEL, J.O CORLISS namaky lay tany Australie tamin’ny 1885. Nankany Nouvelle  Zélande i HASKELL ary nitety tany maro hatramin’ny 1889.
  • Mlle Hannah MOORE dia niasa tamina fiangonana hafa (tsy advantista) tany Libéria. Raha nandeha nankany Etazonia izy dia nahita sy namaky ny bokin’i ANDREWS « History  of the  Sabbath » tamin’ny 1863. Rehefa niverina tany Libéria izy dia very asa, indrindra rehefa nahazo australiana iray namany nanaiky ity fahamarinana vaovao vao hitany (Alexander DICKSON). Rehefa niverina tany Etazonia izy dia nanolo-tena ka natao batisa . Nitady asa tao amin’ny Foibe tany Amerika izy mba hahazoany vola hodiana any Liberia. Tsy nisy nandray ny fangatahan’ity mainty hoditra ity anefa ny tao. Voatery nandeha nialokaloka tamin’ny misionera iray tamin’ny fiangonany taloha izy ary tojo fahafatesana tao. Nananatra mafy ireo mpitarika i Ellen WHITE  vokatr’izany. I Hannah MOORE izany no advantista afrikana voalohany.
  • Niditra an’i Afrika avaratra (Egypta) ny hafatra noho ny asan’i Romualdo BERTOLA ka maro no natao batisa tamin’izany.
  • 1885 no niantsoana voalohany teo amin’ny morontsiraka Ashanti (Ghana) ny sambokely iray nitondra misionera ho any Ghana
  • 1908 : nalefa ho irakiraka eran-tany i John LOUGHBOROUGH (76 taona) hijery ireo toerana vao niorina eran-tany. Nahavita 47.000 Km an-dranomasina sy 10.000 Km an-tanety izy tamin’izany.
  • Tafiditra amina firenena 200 mahery ny Fiangonana Advantista ankehitriny !

 

TOKO FAHASIVY

NY FANAVAOZANA ARA-PAHASALAMANA

Ireo mpamaky lay ny asantsika dia variana loatra tamin’ny fiverenan’i Kristy sy ny foto-pinoana ka nanao antsirambina ny fahasalamany. Tamin’izany koa moa dia tsy dia mbola nivoatra firy ny fitsaboana. Teo ihany koa ny tsy fahalalana. Raha mararin’ny tazo ny olona iray dia alaina hatrany amin’ny 75% ny rà mba hampiafana ny tazo. Mihiboka tsy ho azon-drivotra rehefa azon’ny gripa. Teo koa ny tsy fahononan-tena tamin’ny asa tafahoatra. Ilay zokiolona tamin’ny mpamaky lay anefa (Joseph BATES) dia mbola hita fa feno hery sy matanjaka. Nifady ny alikaola, kafe, dite, paraky, hena, dibera, fromazy sns ... Nanomboka tamin’ny 1845 izy dia tsy nihinana afa-tsy zavamaniry. Mbola misy anefa tamin’ireo mpitarika no mbola nisotro kafe sy divay, tia tavin-kena sy henan-kisoa.

Ny taona 1848 dia  nomena fahitana i Ellen G WHITE ny voka-dratsin’ny kafe - dite -paraky. Notoroiny hevitra ny olona mba hitahiry ny  volany ho an’ny asa fa tsy holaniana amin’ireny. Tamin’izany koa no nanomboka nijanona tsy nifoka izy ireo.

1858 : nisy mpivady nitory ny maha-ratsy ny kisoa. Niteraka fizarazarana be ihany izany ka dia nandefa taratasy tany amin’izy ireo Ellen WHITE fa tsy manan-jò hametraka ny fomba fijeriny samirery eo amin’ny fiangonana izy ireo. Raha tian’Andriamanitra hoy izy ny hifadian’ny olony henan-kisoa dia handresy lahatra azy izy ( 1 Testimonies pp. 206-207)

Tetsy andanin’izany anefa, ny 1830 dia efa nisy roa lahy antsoina hoe  GRAHAM sy ALCOTT nampianatra momba ny fanavaozana ara-pahasalamana. Ny rano, ny fampiasan-tena, ny sakafo voalanjalanja tsara, tsy misy hena,  lavitra ny alikaola, ny dite sy kafe ; ireo no  mahasoa indrindra.

1840 : nanomboka niely ny fomba fitsaboana amin’ny alalan’ny rano (Hydrothérapie). Isan’ny nalaza tamin’izany ny Clinique an’i Dr James C. JACKSON « Our home on the Hill », tao Dansville, New York. Tratry ny difteria mafy i Henry sy Willie WHITE tamin’ny 1850. Nampiasain’izy ireo ny bokin’i Dr JACKSON momba ny fandroana ranomafana, ny fisotroana rano, ny rivotra sy ny sakafo ary dia sitrana soamantsara izy mirahalahy. Taorian’izay dia nandeha nitsidika ny Clinique JACKSON ry  WHITE mianakavy mba hizaha ifotony ny fomba fitsaboana tao.

1860 : nandao ny tokantrano WHITE i Herbert raha vao telo volana monja.

Ny 05 Jona 1863 tao amin’i tranon’i A. HILLIARD ao OTSEGO Michigan no nomena ny fahitana voalohany momba ny fahasalamana. Narary ny vadiny (James) teo amin’ny fiaraha-mivavaka ary raha nametra-tànana taminy hivavaka ho azy izy dia nandray fahitana naharitra 45 minitra. Toy izao no votoatiny :

1-  Ny hena dia mitondra aretina.

2-  Tena manimba ny hena kisoa.

3-  Ny alikaola ny épices sy ny tsindrin-tsakafo be siramamy dia tsy mahasalama.

4-  Ny paraky dia melohina tanteraka.

5-  Ny kafe dite dia mitovy fiasa amin’ny paraky.

6-  Ny mihinana tafahaotra sy anelanelam-potoana, indrindra alohan’ny hatory dia manimba.

7-  Ny asa tafahaotra dia mampifi-doza.

8-  Ialao ny fampiasana zava-mahadomelina mba hitsaboana.

9-  Ny rayon X dia tsy hoe tsy  manimba tsy akory.

Ireto kosa no toro-hevitra :

1-  Misotroa sy mampiasa rano betsaka.

2-  Manaova fampiasan-tena ankalamanjana.

3-  Ampidiro ao an-trano ny tanamasoandro.

4-  Mila mandro isan’andro ary manao cure d’eau.

Ellen WHITE dia vehivavy tena tia hena. 30 taona taty aorian’ny OTSEGO tamin’ny camp meeting tany Brighton (Janoary 1894) izy vao nanadio tanteraka ny latabany tamin’ny hena. Niady mafy izy vao nahazo ny fandresena tanteraka. Matetika mantsy izy talohan’io no manakarama mpanampy vaovao tsy mahay mahandro afa-tsy hena, na rehefa manao voyage dia voatery mihinana fa hatramin’io 1894 io izy dia nifady tanteraka ny hena izy.

Ny volana Aogositra 1863 dia tratry ny  « pneumonie » i Henry sy Willie. Tany am-panaovana dia lavitra izy mivady tamin’izay. Na dia nanao ny ezaka rehetra aza ny mpitsabo mahay dia tsy tana ny an’i Henry. I Willie kosa dia niarina afaka 5 andro rehefa nampiasaina fomba fitsaboana voajanahary.

Raha vao voafidy ho Filohan’ny Conférence Générale i James WHITE ny 1865 dia nahatsiaro tena ho salama tsara. Noho ny asa mafy sy fampiasan-tsaina be nataony dia tratry ny attaque tany amin’ny atidohany izy ny sabata 16 Aogositra 1865 ka dia nalemy nandritra ny telo volana mahery. Narary koa i Uriah SMITH sy John  LOUGHBOROUGH ka dia niara-notsaboina tamin’i James tao Dansville. Ny 25 Desambra 1865 ; rehefa nanaovana vavaka sy fifadian-kanina mafy vao tafatsangana  i James WHITE. Ny androtr’io dia nomena fahitana momba ny fanavaozana ara-pahasalamana indray i Ellen WHITE. Ny harerahana tafahoatra tamin’ny famoahana boky 6 izay 64 pejy isany « How to live Healthy » no nahavoa an’i James. Hitantsika tamin’izany fa mitondra fahavoazana mandrakariva ny hafanam-po be loatra sy tsy fahononan-tena na dia amin’izay tsara aza.

Tamin’ny fivoriamben’ny Conférence Générale 1866 no nanoroan’i Ellen WHITE ny hevitra hananganana toeram-pitsaboana noho ny antony fandrarana fivavahana tao Dansville. Izany koa moa dia natao mba hampianarana ny mambra ny amin’ny fitsipiky ny fahasalamana. Nanomboka navoaka ny gazety « The Health Refomer » (Ny Fanavaozana ara-pahasalamana) tamin'ny Aogositra 1866. Ary ny 8 Septambra 1866 dia natsangana ny toeram-pitsaboana voalohany nantsoina hoe « Western Health Reform Institute ». Araka ny fahitana nomena dia aoka hanomboka amin’ny kelikely aloha. Tsy nisy dokotera anefa na olona mba havanana tamin’ny fitsaboana mba hitantana ny WHRI.

Ny Febroary 1867, tao anatin’ny ririnina dia lasa sakaizam-pandriana indray i James WHITE. Notoroin’i Ellen hevitra izy mba tsy hipetraka fotsiny fa hiatrika fivoriana isaky ny faran’ny herinandro na dia mitaky herim-batana be aza izany. Koa dia  nahatsara kokoa ny fahasalamany izany.

Mbola tsy hita foana anefa izay hitantanana ny WHRI. Nalefa hanao stage tany Dansville fotoana naharitra i RUSSEL. Votsa teo amin’ny fampiharana anefa izy koa dia tsy vonona indray. Nalefa indray izy mirahalahy WHITE (Edson & Willie) kanefa dia tsy nampirona azy ireo ny asa fitsaboana. John Harvey KELLOG no voasintona tamin’izany ka tamin’ny 1872 izy dia nalefa hianatra tany amin’ny Ecole de Médecine tany New Jersey sy tany Ann Harbour  (MI) ary avy eo dia  nalefa tany amin’ny Ecole de Médecine tany New York. Nanome vola $1,000 azy i James sy Ellen WHITE hatao bourse. Ny 1875 no niverina tao Battle Creek izy ary ny 1876 izy no voatendry hitantana ny WHRI.

Tovolahy mamirapiratra tokoa i John KELLOG  satria isan’ireo sangany tamin’ny fitsaboana izy. Nanorina Ecole de Médecine izy, nanao fanadihadihana an’arivony maro, namorona fitaovam-pitsaboana izay  nampalaza azy eran’i Etazonia. Niroborobo noho izany ny WHRI, maro ny mpanan-karena tonga tao toa an-dry Henry FORD, ny Président COOLLIDGE sns ... Nahazo volabe tokoa ny Hopitaly ka efa nitady hibaiko ny famoahan-boky sy ny asa ankapobeny mihitsy aza. Nanana orin’asa fantatra mandrak’androany izy dia ny GRANOLA.

Niteraka fireharehana tanteraka taminy izany. Nanarin’i Ellen WHITE matetika izy mba hanana fanetren-tena kanefa vao maika niteraka fankahalana tao aminy izany. Latsaka tao anatin’ny « Panthéisme » koa izy (Andriamanitra dia ao anatin’ny zavaboahary ) Teo am-pandinihana ny zava-miafin’ny tenan’olombelona.

Noho ny fikirizan’i John hanorina Hopitaly ngezabe izay nifanohitra tamin’ireo fahitana roa nomena an’i Ellen WHITE dia may ny Hopitaly Sanatorium ao Battle Creek ny 18 Febroary 1902. Nihataka tamin’ny fiangonana i John KELLOG. Nanorina  Hopitaly lehibe misy farafara 1.500 izy tamin’ny 1903. Niezaka namerina azy tamim-paharetana i Ellen WHITE amin’ny maha-taizany azy kanefa tsy nahomby izany.

Nomen’Andriamanitra fahitana indray izy ny tokony hanorenana Hopitaly hafa. Naseho azy ny ao Paradiso Valley akaikin’ny San Diego sy Glendale any Los Angeles. Azo mora ihany ilay tanim-boasary tsy misy lava-drano satria raha $40.000 no tombany dia azo $4.000 izany. Ny fahasarotan’ny rano no nahatonga azy nataony varoboba. Nony natoron’i Ellen WHITE anefa ny toerana hiadiana lava-drano dia nahita ry zareo. Lasa toeram-pianaran’ireo Misionera Dokotera izany. Lasa foibe fianarana dokotera sy fitsaboana nify. Io no Loma Linda University. Manana Hopitaly 300 mahery isika ankehitriny sy toerana malaza fianarana fitsaboana lehibe roa.

 

TOKO FAHAIRAIKAMBINIFOLO :  NY FANABEAZANA

Tany Eoropa tamin’ny taonjato faha-XVIII dia maro ireo nitsangana ka nitarika fanavaozana momba ny fanabeazana. Tany Angletera i John LOCKE dia nanampy teo amin’ny fianarana ny fambolena sy ny mekanika. Ny 1762 i Jean Jacques ROUSSEAU dia nampirisika ny fanabeazana mirindra amin’ny fampianarana ny ankizy hamboly, hanefy ary koa handrafitra, J. PESTALOZZI kosa dia nanokatra sekoly misy fiompiana sy mekanika ary fivavahana tany Suisse. Ny metodista dia nampianatra fa ny fialam-boly tsara indrindra dia ny mamboly sy manao zaridaina ary mandrafitra.

Na dia tamin’ny 1872 no nomena an’i Ellen WHITE voalohany ny fahitana momba ny fanabeazana dia efa ela no tsapa sy natao ny fanavaozana. Nomena tamin’izany  ny foto-kevi-dehibe mitondra ny fanabeazana kristiana marina. Ireo millerites dia tsy nety nampiana-janaka ka nanarin’i James mafy izy ireo tamin’izany (1852). Izany no antony namoahany ny « The Youth’s Instructor » Nanomboka navoakany tamin’io gazety io  ny lesona Sekoly Sabata tamin’ny 1852. Nohatevenin’i Goodloe BELL izany nanomboka ny 1869 teo amin’ny fampianarany, sady efa zatra nampianatra Sekoly Alahady taloha koa moa izy tany amin’ny Oberlin Collège. Olona 6 hatramin’ny 8 no iray kilasy ary dia nianarana tao ireo faminaniana sy foto-pinoana. Toy izany no nanombohan’ny sekoly sabata.

Ny 1853 - 1854 dia maro ireo fianakaviana nahatsiaro tena ka dia nanomboka nanorina sekoly tao an-trano (Foyer Ecole). Martha BYINGTON izay 19 taona no Tale mpandrindra. Tsy naharitra anefa izany fa dia rava indray roa taona taty aoriana ka dia voatery namonjy sekolim-panjakana indray ny mpianatra.

Rehefa nifindra tao Batle Creek ry WHITE mianakavy ny 1855 dia nanorina sekolim-piangonana tao. Naharitra 6 taona izany nefa dia nikatona rehefa nasiana sekolim-panjakana teo akaikiny. Tsy niraika firy tamin’ny fanabeazana ny mambra ka maro no tsy tody fianarana fa dia lasa nitady asa tao amin’ny Hopitaly sy ny Imprimerie.

Indray andro dia tafahaona tamina tovolahy iray nivoaka avy any Oberlin collège, Goodloe BELL i Edson WHITE. Niresaka ny olana izy ireo ary nangataka azy hanangana  sekoly mianatra hariva ho an’ireo tanora ireo. Nanaiky i BELL ary nanomboka tamin’ny 1868 tamina mpianatra 12. Mahay mampianatra i BELL ka dia nitombo hatrany ny mpianatra.

Notohanan’ny Conférence Générale izy nanomboka ny 1872 ary dia io no lasa sekolim-piangonana ofisialy voalohany. Notohanan’ny fahitana momba ny fanabeazana nomena an’i Ellen WHITE koa moa izany tamin’io taona io. Araka ny fahitana dia aoka haorina lavitra ny tanàn-dehibe ireo sekolintsika. Nanohana izany i George BUTLER, Filohan’ny Conférence Générale. Tsy resy lahatra ny amin’izany anefa ireo rahalahy tao Battle creek. Lasa nividy tany tao an-tanàn-dehibe ihany izy ireo teo akaikin’ny WHRI. Nandroso ihany anefa izany. Nanapa-kevitra ny Conférence Générale fa hitarina ny sekoly ho ambaratonga faharoa sy ambaratonga ambony (Collége)

Tsy nanana ny diplaoma ilaina amin’ny fitantanana izany anefa i BELL koa dia nantsoina hitantana izany i BROWNSBERGER. Naorina ny kolejy Battle creek tamin’ny 1874. Tsy noraharahain’ny BROWSBERGER ny asa tànana (Ferme - Industrie). Tsy nahazo fanabeazana ara-panahy ny sekoly. 20%n’ny mpianatra monja no nanaraka ny « Cours de Bible » nomen’i Uriah SMITH. Teo koa no nanilikilihana an’i Goodloe BELL. Ny 1880 dia voatendry ho mambry ny ny komity mpiara-mitantana i John H. KELLOG izay nanohana ny fanabeazana mirindra. Tsy tantin’i BROWNSBERGER intsony ny toe-javatra ka dia nametra-pialana koa izy tamin’ny fararanon’ny 1881. Mbola 500 mahery anefa ny mpianatra raha voatery nakatona ny Sekoly (1881 - 1883)

Nisy mambra batista jamba iray tena mahafatra-po nantsoina hitantana vonjimaika ny sekoly, Dr Mc LEAN izay efa teo am-pamoahana ny B.A sy B.S farany dia voatendry ho  Talen’ny  sekoly i W.W PERSCOTT. Nandalo toe-javatra sarotra ny sekoly indrindra rehefa maty i James WHITE (1881) ka lasa nifindra tany Califorinie i Ellen WHITE.

Teo amin’ny fikatonan’ny kolejy dia nantsoina hanangana ny « South Lancaster Academy » any Massachusetts i G. BELL .Antsoina hoe « Atlantic Union College » izy io ankehitriny. Nantsoin’i Ellen WHITE ho any Healdsburg Ca i BROWNSBERGER (1882) ary nanangana ny « Pacific Union College » (PUC) I Mc LEAN kosa dia nijanona tao Battle creek ihany.

Tamin’ny 1901 dia nifindra tamin’ny fomba tsy nampoizina ho any ambanivohitra Berrien Springs ny Kolejin’ny Battle creek. Nantsoina hoe EMMANUEL MISSIONARY COLLEGE izany hatramin’ny taona 1960 izay nandraisany ny anarana hoe ANDREWS UNIVERSITY.

  • Tamin’ny 1891 dia niorina ny Union College tany Nebraska.
  • Ny 1892 dia niorina ny Walla Walla college sy ny Southern Missionary College.
  • 1896 : Niorina ny Oakwood college tany Huntsville Alabama.
  • 1897 - 1900 : sekoly fanabeazana fototra 150 no niorina tany Etazonia ary ireo mpianatry Batle creek ihany  no  saika nanorina ireny rehetra ireny.
  • Ny 1891 - 1900 dia  nanorina ny Avondale College ao Cooranbong Australie i Ellen WHITE.

Tamin’izany ihany koa anefa no nitsanganan’ny Solusi College tany Rhodésie.

Marobe ireo sekolintsika izay tadiavina fatratra ankehitriny noho ny fanabeazana atolony. Tsy vitan’ny hoe fanabeazana fotsiny izay ireny fa famonjem-panahy sy fanavotana.

TOKO FAHAROAMBINIFOLO :

NY FANDAMINANA NY FIANGONANA

Ireo Millerites dia nampianatra fa ireo fiangonana nisy azy ireo taloha izay nanohitra ny fihetsiketsehana sy nandroaka azy ireo tamin’ny fiangonany no nantsoiny hoe Babylona. Nanakoako tamin’izany hy hafatra hoe : : « Rava ! Rava ! Babylona ! koa mivoaha avy eo aminy ianareo ry oloko ». Fiangonana tsy manana anarana sy credo (foto-pinoana) no naorin’izy ireo hiandry ny 22 Oktobra 1844. Noho ny ngidin’ny fahadisoam-panantenanana sy ny tsy fahafahany niverina tany amin’ny fiangonana taloha intsony ary noho ny finoany fa ho avy tsy ho ela ny Tompo dia nolavin’izy ireo sy nantsoiny hoe Babylona rehefa mety ho fandaminana vaovao. Georges STORRS ohatra dia nanambara fa raha vantany vao manangana fiangonana (Anarana) izy ireo dia lasa Babylona araka ny Genesisy 11 :4. Ny fanahim-pifankatiavana ihany no nanorenan’i Kristy ny Fiangonana hoy izy ireo (Jaona 13 :35). Nandritra ireo 9 taona voalohany dia tsy nisy na inona na inona azo natao mihintsy .

Niezaka mafy anefa i Ellen WHITE handrodana izany fomba fisainana izany. Teo ny fahasahiranana ny amin’ireo fiveloman’ireo mpitory ny Filazantsara. Efa nomena taratasy enti-miasa (Lettre de créance) ihany ireo mpiasa tamin’ny 1853 nefa dia tsizarizary ny fivelomany.

Tamin’ny 1855 - 1856 dia nandao ny asa i ANDREWS sy LOUGHBOROUGH noho ny tsy fahafahany mivelona aminy intsony ka dia lasa nody tany Waukon, lowa. I LOUGHBOROUGH lasa nanao fermier (mpamboly) i ANDREWS nanao mpivarotra sy mpamboly ; i COTREL kosa lasa nanao gardien. Voatery nandeha tany mihitsy i Ellen WHITE na dia ririnina mamirifiry aza tamin’izay mba hanambitamby sy hamerina azy ireo.

Ny Avrily 1858 dia niondrika nijery ity olana ity araka ny Soratra Masina izy  roalahy ireo. Ny 26 Janoary 1859 dia tapaka tao Battle Creek fa ny rahalahy 18 - 60 taona dia hanokana 5 - 25 centimes amin’ny andro voalohany amin’ny herinandro ( 1 Kor 16 :2). Ny anabavy kosa dia 2 - 10 centimes. Izay manan-tany kosa dia hanolotra 1 - 5 centimes isaky ny $100. Tamin’izay no nanomboka nahitan’i LOUGHBOROUGH ny fahamarinana momba ny ampahafolony.

Betsaka very anefa ireo fananan’ny Fiangonana ; koa dia voatery tsy maintsy nanome anarana ireo advantista mba hahafahana manao ho ara-dalàna ireo tranom-pirinty, ny trano sy fananana rehetra. Nantsoin’i James WHITE ny  Pasitora sy laika tamin’ny septambra 1860. Ny anarana hoe ADVANTISTA MITANDRINA NY ANDRO FAHAFITO izay  natolotr’i David HEWITT no lanin’ny rehetra tamin’ny 26 septambra 1860.

Vita ny fandaminana ny raharahan’ny trano printy ny 03 May 1861 ary dia niroso teo amin’ny fandaminana ny saha fitoriana indray. Ny fivoriambe tamin’ny 4 - 6 Oktobra 1861 no nanapahana ny hananganana ny Federasiona Michigan ary i Joseph BATES no lany hitantana izany voalohany. Tsy ela taorian’izay dia nitsangana koa ny Federasiona hafa tamin’ny 1862 : New York, Ohio, Winscounsin, Iowa, Minnesota. Novoriana ireo Federasiona (amin’ny teny angilisy conference) ireo tamin’ny 20  -23 May 1863 tao Battle Creek ka teo no nananganana ny Conférence Générale. Io no azo lazaina hoe daty nahaterahan’ny fandaminana ara-dalànan’ny Fiangonana Advantista mitandrina ny andro fahafito .

Ireto avy no mpitantan’asa tamin’izany :

Président   : John BYINGTON

Secrétaire :  Uriah SMITH

Trésorier   :  E.S WALKER

Niitatra maneran-tany  ny fandaminana ka ny 1894 no nitsangana ny Union Australienne. Ny 1898 no nitsangana tany Hamburg (Allemagne) ny Union Europénne ka ny fivoriamben’ny Conférence Générale tamin’ny 1901 no nanangana tamin’ny fomba ofisialy ny Union izay fitambarana Federasiona maromaro avy amin’ny firenena maromaro.

Ny 1913 dia natao ny fandaminana ny Division izay tsy inona fa sehatr’asa iasan’ny Conférence Générale ihany. Miisa 13 izy ireo ankehitriny miampy Union manokana izay misy faritra mafampana eran-tany.

TANTARAN’NY MANUEL D’EGLISE (Fitsipika Mifehy ny Fiangonana)

Ny 1877 no azo lazaina fa nisian’ny fanapahan-kevitra voalohany momba ny Manuel d’Eglise. Ireo fihaonamben’ny Conférence Générale isan-taona dia niezaka sy nitozo handray fanapahan-kevitra sy hanao latsa-bato mikasika ny fandaminam-piangonana. Ireo tò teny teo amin’ny Fiangonana dia niezaka nanoratra tamina boky kely  ny fitsipika niaraha-nanaiky momba ny fiainam-piangonana. Ny nisongadina indrindra tamin’ireny dia ny boky 184 pejy nosoratan’i John LOUGHBOROUGH mitondra ny  lohateny hoe « The Church, its organization, order and Discipline » tamin’ny taona 1907.

Tamin’ny 1931 dia notoavin’ny komitin’ny Conférence Générale ny fitsipika mifehy ny Fiangonana nomanin’i J.L Mc ELHANY ary navoaka tamin’ny 1932. Hoy ny Soratra Masina hoe : « Aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana. » (1 Korintiana  14 :40 )

Ny fihaonambe natao tamin’ny 1964 dia nanapa-kevitra fa « na inona na inona fanitsiana na fanavaozana hatao amin’ny Manuel d’Eglise dia tsy  maintsy ho efa nakatoavin’ny fivoriamben’ny Foibe maneran-tany izany » General Conference - bulletin N° 8 p. 197 tamin’ny 114 Jona 1946.

Ny fihaonambe isan-taona nataon’ny Conférence Générale isan-taona tamin’ny 1948 dia nandroso holanian’ny fivoriambe tamin’ny 1950 fa ny Diviziona  tsirairay avy dia nantsoina mba hanomana tovana hanampy ny Fitsipika mifehy ny Fiangonana ho enti-miatrika ny zava-misy sy ny toe-javatra ao amin’io Diviziona io.

Nanoratra i Ellen WHITE tamin’ny 1909 fa « rehefa mampiseho ny heviny ny foibem-pitondrana eran-tany amin’ny fivoriam-ben’ny rahalahy avy amin’ny faritra samy hafa amin’ny  saha manerana izao tontolo izao dia tsy maintsy ampandeferina ny fahafahan’ny isam-batan’olona mbamin’ny fisainana amam-piheverany fa tsy hilaozana tsy akory. Na oviana na oviana dia aoka tsy hoheverin’ny mpiasa ho fahamendrehana ny fiziriziriany amin’ny heviny samirery raha tahiny mifanohitra amin’ny fanapahan-kevitry ny besinimaro izany. » 9 Testimonies p.260

Ankehitriny dia isaky ny dimy taona no anaovana ny fivoriam-be eran-tanin’ny Fiangonana Advantista ary amin’izany no anaovana ny fifidianana izay ho mpitantan’asan’ny Conférence Générale,  hanehoana ireo tetik’asa vaovao, ny fanitsiana ny Manuel d’Eglise ny tatitra sns ... Mahatratra iray isaky ny 800 eo ho eo ny Advantista maneran-tany  ankehitriny ary  olona iray isaky ny 40 segondra no mirotsaka eo amin’ny ranon’ny batisa ao aminy. Miisa 12.000.000 ny mambra tamin’ny 30 Jona 2001.

Ireto avy no anaran’ireo Filohan’ny Conférence Générale nifandimby :

 

1-  John BYINGTON

2-  James S. WHITE

3-  Johna N ANDREWS

4-  James WHITE

5-  Georges I BUTLER

6-  James WHITE

7-  George BUTLER

8-  Ole A OLSEN

9-  George W IRWIN

10- Arthur G DANIELLS

11- William A SPICER

12- Charles H WATSON

13- J Lamar Mc ELHANY

14- William H BRANSON

15- Reuben R FIGUHR

16- Robert H PIERSON

17- Neal C WILSON

18- Robert S FOLKENBERG

19- Jan PAULSEN

20- Ted N.C WILSON

(20 May 1863 - 17 May 1865)

(17 May 1865 - 14 May 1867)

(14 May 1867 - 18 May 1869)

(18 May 1869 - 29 Desambra 1871)

(29 Desambra 1871 - 10 Aogositra 1874)

(10 Aogositra 1874 - 06 Oktobra 1880)

(06 Oktobra 1880 - 17 Oktobra 1888)

(17 Oktobra 1888 - 19 Oktobra 1897)

(19 Febroary 1897 - 02 Avrily 1901)

(02 Avrily 1901 - 11 May 1922)

(11 May 1922 - 28 May 1930)

(28 May 1930 - 26 May 1936)

(26 May 1936 - 10 Jolay 1950)

(10 Jolay 1930 - 24 May 1954)

(24 May 1954 - 16 Jona 1966)

(16 Jona 1966 - 03 janoary 1979)

(03 Janoary 1979 - Jona 1990)

(Jona 1990 - 01 Marsa 1999)

(01 Marsa 1999 -   25 Jona 2010)

(26Jona 2010-

 

FANAMPINY  SAMIHAFA

     

 

Rehefa may ny Battle Creek Sanitarium sy ny Review and Herald tamin’ny 1902 dia nafindra avy tao Battle Creek ho ao amin’ny tranon’i Caroll MANOR tao Takoma Park Maryland ny foiben’ny Conférence Générale. Tamin’ny 1990 dia nahavita trano lehibe vaovao ny Conférence Générale any Maryland ihany. Ao ihany koa no foiben’ny Diviziona Amerika Avaratra.

Ny 1844 - 1850 dia efa nanomboka nipetrapetraka ny ankamaroan’ireo foto-pinoantsika. Tetsy andaniny koa anefa dia tsy nisy firy ny famohazana toy ny tamin’ny 1844 ka dia nisy ny fitotonganana ara-panahy tsapa. Ny fihadiam-bolamena tany andrefana (Western) koa moa no nahafatifaty ny maro ka dia niparitaka ireo advantista Millerites. Teo moa ny tsy finoan’izy ireo ny fahitana ka isan’ny antony nananganana ny Review and Herald.

Ny 1851 - 1854 dia tsy nandray fahitana intsony i Ellen WHITE ary na dia izy aza dia nihevitra fa vita ny iraka nampanaovina azy ary ho avy ny Tompo.

1850 : nomena baiko manetriketrika ny amin’ny hitoriana ny Filazantsara.

1853 : nomena ny taratasy fahazoan-dàlan’ireo mpiasa.

1854 : nomena indray ny fahitana fa tsy maintsy alamina araka ny baiko hitoriana toy ny tamin’ny andron’ny Apostoly ny Fiangonana . Nohosorana ireo Mpitandrina ; notendrena koa ireo loholona sy diakona nanomboka nalefa niankandrefana ireo Misionera izay lasa niely maneran-tany taty aoriana.

 

TOKO FAHAROAMBINIFOLO

IREO FOTO-PINOANTSIKA SY NY FANOHERANA

Tsy tonga dia indray hita daholo akory ireo foto-pinoana 27 fa nandritra ny taona maro teo amin’ny hazavan’ny jiro tsy maty sy ny vavaka mafana no nandrafetana azy ireo izay tonga tsikelikely sy nihanazava toy ny fipoak’andro maraina.

Amin’ny maha-advantista azy ireo dia ny foto-pinoana momba ny fiverenan’i Jesosy no hita voalohany. Ny fiomanana nilaina dia niteraka ny fandalinana ny  plan’ny famonjena, ny fibebahana ary ny fahateraham-baovao. Narahin’ny batisa ara-pilazantsara izany taty aoriana.

Nanomboka ny 23 Oktobra 1844 dia nandalina ny amin’ny Fitoerana Masina sy ny fitsarana i Hiram EDSON , CROIZIER,  F.B HAHN niaraka tamin’ireo tao Port-Gibson.

Ny 1848 no nanaovana tanteraka ny fitrandrahana io foto-pinoana io izay narafitr’i John N. ANDREWS tamin’ny fomba mirindra (Systématique). Efa nohamafisin’ny fahitan’i Ellen  WHITE tamin’ny 1847 koa moa izany.

Ny faraparan’ny 1844 dia nanomboka nitandrina ny Sabata ny tao Whashington, New Hampshire. Namoaka boky momba izany  i TM PREBLE J.B COOK ary indrindra i Joseph BATES ny 1845 - 1846 . Maro ireo fivoriana natao ny 1845 - 1848 hananganana ireo foto-pinoana fa ny nisongadina indrindra dia ireo  kaonferansa 5 sabata tamin’ny 1848.

1-  Ny voalohany dia natao tao amin’ny tranon’i Albert BELDEN tao Rocky Hilll any connecticut ny 20 - 24 Avrily 1848. 50 no isan’ny mpanatrika tamin’izay. Joseph BATES no namelabelatra momba ny Sabata. I Hiram EDSON kosa niresaka momba ny fitoerana masina. James WHITE dia nitanisa ireo famantarana ny fiavian’i Kristy izay nohamafisin’ny fahitan’i Ellen WHITE (Life Sketches of EGW p.108)

2-  Ny manaraka dia natao tao Volney, New York tao amin’ny tranombokatr’i D. ARNOLD ka 35 no mpandray anjara tamin’izany. Ny roa tamin’izy ireo dia nanambara fa misy fahadisoana ny momba ny Sabata. Ny anankiray nilaza fa efa lasa ny 1000 taona. Ny sasany indray nilaza fa ny 144.000 no ireo efa natsangana tamin'ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Tao koa ireo nilaza fa ny fandraisana fanasan’ny Tompo izay Paska dia tokony hatao indray mandeha isan-taona ihany. Nasehon’ny anjely an’i Ellen WHITE anefa ny fahadisoan-kevitra tamin’io ary niangavy azy ireo izy hiala amin’izany fahadisoan-kevitra samihafa izany. Nirava tamim-pandresena io fivoriana io satria nanaiky hamela ireo foto-keviny ireo rahalahy voatanisa tetsy ambony ireo (Spiritual Gifts Vol II p. 97  & Life sketches pp. 110-111)

3-  Natao tao Port Gibson ny 27 - 28 Aogositra 1848 tao amin’ny tranombokatr’i Hiram EDSON  (Spiritual Gifts Vol II p.90)

4-  Niverina tao amin’ny tranon’i BELDEN tao Rocky Hill indray ny

08-09 Septambra 1848

1-  Tao amin’ny tranon’ny rahalahy HOLLAND tao Topsham, Maine

     ny 20-22 Oktobra 1848

Ny taona 1850 dia efa saiky tafajoro avokoa ny ankamaroan’ireo andrin’ny finoantsika rehefa niondrehana fotoana maro tao amin’ny Baiboly ny Fanahin’ny Faminaniana ary ireo tantara. Tamin’izany fotoana izany dia tsy maintsy manao « Rapport de Lecture » 64.000 pejy isan-taona momba ny tantara ny Pasitora. Vokatr’izany ezaka handinika Baiboly  sy tantara izany, i John ANDREWS [1829 - 2883] ohatra dia nanontanian’ireo mpianatra tao Battle Creek fa hoe mahay tsianjery ny Testameta Vaovao. Nitsiky izyy ary namaly hoe : « Raha sanatria very ny Testameta Vaovao dia azoko atao ny mamerina ny teny tsirairay avy fa raha ny Testameta Taloha kosa dia tsy mbola vitako toy izany. » Manaporofo amintsika izany fa azo ianteherana ireo andry naorin’ireo mpialoha làlana antsika.

Ny 1861 i LOUGHBOROUGH no nahita ny fahamarinana momba ny fahafolon-karena ka izany  no isany nahafahana nampandroso ny asa sy nanakaramana ara-dalàna ireo mpitory mivantana.

Tamin’ny fararanon’ny 1880 tamin’ny camp-meeting tao  HANFORT tao anaty trano lay lehibe raha nametraka fanontaniana momba ireo lohahevitra lehiben’ny finoantsika i Stephen HASKELL (izy moa dia niova fo vokatry ny asan’i William SAXBY sy Joseph BATES raha vao 19 taona monja izy tamin’izay) dia nangataka ny hamakiana ny andininy momba izany. Nivatravatra nandritry ny antsasak’adiny ny oram-baratra tsy ifandrenesana tamin’izay ka dia nozarazarain’i HASKELL tamin’ny olona ny taratasy kely misy ny fanontaniana sy ny andininy. Nankafy ity fomba fianarana fanontaniana sy valiny ity ireo mpivory ka na dia efa tokony hofaranana aza dia notohizana ora roa indray ny dinidinika. Tamin’izany no niandohan’ny fampianarana Baiboly fanontaniana sy valiny.

Namboarina tamin’io endrika io ary ireo foto-pinoantsika ka nantsoina hoe toriteny amorom-patana Naseho tamin’ny camp meeting tao LEMOORE, Californie izany. Niely hatrany Los Angeles, San Francisco, Healdsburg , San José izany. Vao maika koa moa nohamafisin’ny camp meeting tao Upper Columbia Whashington izany, niely hatrany Michigan sy Indiana. Niely ny fanofanana tamin’ny fanaovana asa misionera miainga amin’izany tao Healdsburg. Fanofanana tsy an-kiato no nataon’i Stephen HASKELL tao Battle Creek nanomboka ny 30 oktobra 1888. Nahatratra 300 hatramin’ny 1000 ny mpiofana izay nantsoina hoe mpanampy ( 1 Kor 12 » :28) ka ireo no lasa mpanao asa misionera mafana fo.

MINNEAPOLIS MIN 13 OKTOBRA - 04 NOVAMBRA 1888

Ireo Millerites dia tena manao fampianarana miorina eo amin’i Kristy (Christocentrique). Raha vao hita anefa ireo fahamarinana momba ny Sabata sy ny fahasalamana dia nisy fironana ho latsaka tamin'ny toe-tsaina fatra-pitandrin-dalàna (légalisme) nahazo  laka. Efa nanomboka nampitandrina io fironana io ny Président Ole A OLSEN tamin’ny 1880. Efa niotrika ela ny olana momba ny fanamarinana amin’ny finoana ka dia vaky am-batolampy ny fifanandrinana tamin’ny Oktobra 1888.

Ny andaniny : George i BUTLER [1834 - 1918] - Filohan’ny Conférence Générale - Uriah SMITH [1802 - 1903] Tonian-dahatsoratry ny Review and Herald, R.M KILGORE (Illinois) J.H MORRISON (Iowa) R.A UNDERWOOD (Ohio), I.D Van HORN (Michigan) sns ...

Ny ankilany : Alonzo T JONES [1850 - 1923], Ellet J. WAGGONER [1855-1916] Tonian-dahatsoratry ny « Sings of Times » miaraka amin’ny American Sentinel , William C. WHITE, Stephen N. HASKELL , CH JONES sns ...

Lohahevitra roa no nampifanolana teo anatrehan’ireo delege miisa 96

1-  Ny HUNS dia isan’ireo fanjakana 10 ao amin’ny Daniela 7.

2-  Ny fanamarinana amin’ny finoana araka ny Gal 3 :19 - 25 : Lalàn’i Mosesy sa ny Lalàna rehetra ?

BUTLER sy SMITH dia nanizingizina fa ilaina sy mikaonty amin’ny famonjena antsika ny asa tsara vitantsika. Koa dia hamarinina amin’ny finoana sy asa isika (labor and fides). JONES sy WAGGONER kosa dia nitana fa ny finoana tokana ihany no anamarinana antsika fa ny asa dia vokatra ateraky ny finoana ihany noho ny asan’ny Fanahy Masina ao amintsika. Henjana ny fifandresen-dahatra satria notohanan’i Ellen WHITE koa ireto farany izay zandriny ara-taona ihany. Nokianiny ny fihetsik’i Président BUTLER sy SMITH. Niravona ihany anefa ny olana na dia tsy nanaiky tanteraka izay ambaran’i Ellen WHITE aza izy roalahy mandra-pahafatiny. Nampalahelo anefa fa lasa nirehareha loatra i JONES sy WAGGONER ka dia tafatsambikina tamin’ny tendrony iray ary dia nanarin’i Ellen WHITE mafy izy ireo tamin’izany :

1891 : najoron’i JONES ny foto-kevitra fanasitranana amin’ny finoana sy ny fahamasinana.

1894 : nambarany fa mpaminanivavy faharoan’ny Fiangonana i Anna RICE PHILIPS Raha mbola tany Australie i Ellen WHITE dia nanakorontana tao Battle Creek izy sy Anna PHILIPS. Nokianiny mafy i Ellen WHITE sy ireo mpitarika ny asa. Tanisaina ao amin’ny Early Writings ny fanambaran’i Anna PHILIPS.

1899 : nampianatra ny finoana mampakatra velona i JONES ary niorina taty aorian’io ny fampianarana momba ny nofo masina indrindra ho an’ireo izay manao ny fanandraman’i Getsemane. Nipoitra tany Indiana Polis io foto-pinoana hafahafa io izay milaza fa izay manana fahamasinana ambony dia manana nofo masina ka tsy ho faty fa hanana nofo masina tsy mety ho lò ka hitsena velona an’i Jesosy. Babon’izany fampianarana izany ny rahalahy DONNELL, Filohan’ny Federasiona Indiana kanefa dia nahitsin’i Ellen WHITE izy ka dia nibebaka.

Nesorina tamin’i JONES ny Lettre de créance tamin’ny 1907 ary  naongana izy tamin’ny 1909 niaraka tamin’ireo pentekotista miteny tsy fantatra sy mitandrina ny Sabata izy. Nodimandry tamin’ny 1903 i Uriah SMITH. I BUTLER kosa nalefa ho Filohan’ny Federasiona tany Floride (1902 - 1907) sady Filohan’ny Union tany atsimo ary nodimandry tany izy ny 1918.

Ny 1897, latsaka tao amin’ny  panthéisme i WAGGONER. Namorona ny foto-kevitra « spiritual affinity » izy tany Angletera . Andriamanitra dia eny tontolo eny ; isika no tempoliny ary monina ao anatintsika izy. Nifanadala tamin’i Edith  ADAMS mpitsabo mpanampy izy. Nisara-bady izy tamin’ny 1905 ka nanambady an’io. Nanomboka niala tamin’ny foto-pinoana advantista izy ary lasa mpanohitra tanteraka. Nampalahelo ny fiafaran’i WAGGONER sy JONES (1923) teo am-pahafatesana.

Ny 1853 : dia nanohitra ny maha-mpaminany an’i Ellen WHITE i RUSSEL sy CASE noho ny nananaran’i Ellen WHITE  azy ireo tamin’ny fitohatohany tamin’ny famahana ny olan’ny vehivavy iray, tamin’ny alalan’ny fahitana nomena azy. Namoaka gazety « Messenger of Truth » izy ho fanakianana an’i James sy Ellen WHITE.

1855, Niendaka i D.P HALL sy J.M STEPHENSON ka nitory fa mandritry ny 1000 taona dia mbola hisokatra ny varavaram-pahasoavana. Nikambana tamin’ny Messenger izy ireo ka nanohitra ny advantista ny Review and Herald. James sy Ellen WHITE.

1858 : nandao ny paraky ny ankamaroan’ny advantista. Nisy anefa ireo nomba ny Sabata niaraka tamin’ny paraky (fifohana sigara) toy ny  Pasitora Gilbert CRAMMER tao Otsego M.I. Namoaka gazety « The hope of Israë »l izy ireo tamin’ny 1863.

1865 : Teraka tany Iowa ny fanaovana tsy miankina (amin’ny Foibe) notarihin’i BF SNOOK sy W.H BLINKERHOFF. Namorona ny fikambanany tao Marion (Iowa) izy ireo. Nanorina ny Eglise de Dieu mitandrina ny andro fahafito izy ireo taty aoriana. Lazainy ohatra fa Alarobia no   nahafatesan’i Kristy ary nitsanganany ny Asabotsy.

NY ADVANTISTA REFORME 

Nanomboka tany Allemagne izany tamin’ny ady lehibe I. Nihambo ho nandray fahitana ny Président n’ny Union Allemagne atsinanana fa azo atao ny mandray fiandiana sy  miady amin’ny andro Sabata. Mafy ny fanakianan’ny maro ireo mpitondra ; koa dia nisintaka ireo. Niaiky ny fahadisoany anefa ireo mpitarika ka dia nifona. Ireo nanakiana sy niendaka kosa anefa dia nentin’ny hambom-po ka lasa namorona ny Fiangonana Advantista   Reformée.

Ny 22 Jona 1916 dia nitsangana indray Ramatoa Margaret W. ROWEN ka nihambo ho nandray ny fanomezam-pahasoavana nomena an’i Ellen G WHITE . Natsofony tany amin’ny archiven’ny Ellen WHITE araka ny daty 10 aogositra 1911 fa izy no hisolo an’i Ellen WHITE. Naongana izy ny 15 novambra 1919 tamin’ny 1923 dia nanambara izy fa hikatona ny varavaram-pahasoavana ny 06  febroary 1924 ary ny 06 febroary 1925 no ho avy Jesosy.

Dudley CANRIHGT dia nandao ny fiangonana tamin’ny 1887 noho ny tsy fifanarahany tamin’ny mpitondra sy ny fandavany an’i Ellen WHITE. Namoaka boky mitsikera ny foto-pinoana izy ny 1889 ary nilaza fa ho rava ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Nokianiny mafy niaraka tamin’i A.D BALLENGER ny fampianarana momba ny Fitoerana Masina. I BALLENGER mantsy dia nilaza fa Kristy dia niditra avy hatrany tao amin’ny Fitoerana Masina Indrindra rehefa niakatra tany an-danitra satria efa mifona ho antsika eo ankavanan’ny Ray izy. Laviny arak’izany ny asan’i Kristy tao amin’ny efitra voalohany. Notsipahiny ny fahitan’i Hiram EDSON. Nandao ny Fiangonana i BALLENGER tamin’ny 1905.

Robert BRINSMEAD dia Australiana namorona fihetsiketsehana mirona ho amin’ny fahatanterahana (perfectionnisme). Nandà ny Sabata anefa izy taty aoriana ary nandao lavitra ny fampianaran’ny Fiangonana.(1906)

Nomena fahitana i Ellen WHITE ny 03 Jona 1891 izay nampitandrina ny amin’ireo fahazavana vaovao.

Nanodidina ny taona 1950 dia marobe ireo fanozongozonana ny foto-pinoana. Koa izany no nahatonga ny famoronana ny SDA Bible Commentary teo ambany fitarihan’i Siegfried HORN sy F.D NICHOLS..

DESMOND FORD

Nanomboka ny 27 Oktobra 1979 ny raharaha tany Pacific Union College (PUC). Nampianatra naharitra tany Avondale Collège izy talohan’izao. Zavatra telo no ijoroany : Tsipahiny ireto :

1-  Ny andro 1 = taona 1 amin’ireo faminaniana manara-potoana (fluidité de l’interprétation prophétique). Afaka hanana fampiharana maromaro ny faminaniana iray (principe apotélésmatique - oh : Israely, Mesia, andro farany)

2-  Ny antony anadiovana ny Fitoerana Masina ao amin’ny Daniela 8 :14 dia ny fahotan’ny olona masina.

3-  Ny « nisdaq » ao amin’ny Dan 8 :14 dia tsy midika hoe manadio.

4-  Ny fisian’ny Fitoerana Masina any an-danitra Apok 21 :22  - Heb 9 :24 ; 10 :20

5-  Ambarany fa tsy misy na inona na inona nitranga tany an-danitra. Ny andro fanavotana dia nifarana tamin’ny 31 AD , izay mino dia tsy tsaraina fa izay tsy mino dia efa voatsara rahateo

Nomen’ny Conférence Générale volana maro izy sy ny sekretera nokaramain’ny Conférence Générale hanao an-tsoratra ny foto-papianarany ary haneho izany eo anatrehan’ny forum iray (10-15 Aogositra 1980) 1180 pejy no boky vitany ary natao tany Glacier View Californie ny loa-bary an-dasy teo anatrehan’ireo teolojiana 120 sy ny solo-tena avy amin’ny vazan-tany efatra. Nitarika ny ady hevitra ny   DARCOM

( Daniel and Revelation COMmitee ) sy ny « Biblical Research Institute » notarihin’i Dr William H. SHEA.

Vokany : tsy nalàna taminy ny Lettre de créance ary tsy naongana amin’ny maha-mambra azy izy satria tsy azo atao ny manongana mambra noho ny fanazavana Faminaniana (interprétation prophétique). Tsy foto-pinoana fa fanazavana faminaniana (Ministry October 1980 p.10). Na izany aza anefa dia nanampy ny fiangonana mba hanamarina tsara ny fototra iorenany ny toe-javatra toy ireny. Nanome fotoana ho an’i FORD  koa izany mba hieritreretany tsara. Mijanona ho advantista izy ary mpitory ny Filazantsara, indrindra ny fanamarinana amin’ny finoana.

NY RAHARAHA « WHITE LIE »

Taoriana kelin’ny 1980 dia nivoaka tamin’ny gazety « Time Magazine » ny raharaha fiampangana an’i Ellen WHITE ho nangalatra sangan’asan’olon-kafa (Plagiat) Namoaka boky momba izany i Walter  REA manao hoe « The white lie » (Ny laingan’i White / Ilay lainga fotsy). Mampatahotra hoy izy  ny mety ho fiasan’ny soratr’ity ramatoa ity fa mety hanoatra ny fihetsehana apokalyptika nataon’i Jim JONES tany Jonestown (Guyane) izay olona 900 mahery no tapa-kevitra hamono    tena taorian’ny antso nataony tamin’ny toriteniny no mety hataony. Niampangainy an-dramatoa WHITE ny hoe : 80% n’ny asa sorany dia hala-tahaka avokoa. Niezaka araka izay azo atao ny mpiandraikitra ny asa soratr’i Ellen WHITE (The White Estate) nanasa an’i Walter REA fa tsy nety nitranga mihintsy izy.

Teolojiana katolika iray mpiaro ny Copyright ( zòn’ny mpamorona ) antsoina hoe RAMIK no namaky ny sora-tanany nijery tranga 1000 tao amin’ny tantara Amerikana nandritra ny 300 ora fa tsy nahamarika plagiat na dia iray aza tao amin’ny asa soratr’i Ellen White.

Nisy advantista iray niantsoroka ny raharaha dia ny rahalahy VELTMAN. Nijery boky 500 talohan’i Ellen G WHITE izy boky 13 momba ny fiainan’i Jesosy sy boky maro momba ny tantara . Vokany 67% n’ny hevitra dia avy amin’ny Ellen WHITE tanteraka (originales) - 23% : fehezan-teny mitovitovy noho ny fitovian-kevitra - 7% namboarina 3% ( ?) tsy fantatra . naharitra 2 taona maninjitra ny fikarohana, niampy 6 taona tsy amin’ny fotoana feno, nampiana sekretera anankiroa fa tsy hita izay hala-tahaka. Tsy misy fehezan-teny feno nindramina na andalan-teny manontolo nalaina. Ny rehetra dia afaka hindrana teny na fomba fiteny avy amin’ny boky novakiana ary ny hevitra malaza izay matetika dia efa ampiasain’ny besinimaro ary efa lasa fomba fiteny noho  ny fahaizan’ilay mpanoratra mamoaka hevitra. Kanefa na dia izany aza dia aoka hohajaina mandrakariva ny tontolon-kevitra (Contexte)

Ohatra : Mpanoratra malaza talohan’i Ellen WHITE no nanoratra ilay fehezan-teny malaza hoe mila olona tsy azo amidy ary tsy azo vidina isika. Lasa fomba fiteny izany tamin’ny fotoan’andro ka tsy atao mahagaga akory ny nahitana izany ao amin’ny soratanany. Tahaka ireo tao amin’ny Soratra Masina dia tsindrian’ny Fanahy hampiasa ny fiteny tamin’ny androny sy hilaza ny zava-misy araka izay hitany ilay Mpaminany.

Maro ankehitriny ireo rivotra fampianarana mitsoka izay miezaka hamaky ny Fiangonana advantista nefa dia mbola mijoro hatrany izy. Ny 1991 tamin’ny fivoriam-be fanao isan-taonan’ny fiangonana advantista tany Sydney Australie dia nanao sonia ny delege rehetra ho mahatoky amin’ireo foto-pinoana 27 ka tsy hanao fanorenana indray.

 

TOKO FAHATELOAMBINIFOLO

NY NIANDOHAN’NY FIKAMBANAN’NY TANORA

SY NY SAMPANA SEKOLY SABATA

SEKOLY SABATA 

Tamin’ny 1852 dia nanomboka nihevitra manokana ny tanora i James WHITE. Tsy lavorary ny fianaran’ny zanaka advantista. Ireo mambra tsy nirona hampiana-janaka fa efa ho avy ny Tompo.. Variana tamin’ny foto-pinoana izay raharahan’olon-dehibe ny mambra. Koa dia navoakany ny « Youth’s Instructor » izay saiky hita ao amin’ny « Messages to Young People » (Message à la Jeunesse) ny votoatiny. Navoakany tamin’io gazety io ihany koa ny lesona ho an’ny ankizy misy toko 19. Nasainy nandoa vola ny Ray aman-dreny mba hamoahana mandrakariva ny gazety.

1853, nanao lesona 17 indray izy hianarana ny bokin’i Daniela. Ny 1854 no nanaovan’i R.F COTTRELL lesona mahatody taona.

1863 : Uriah SMITH dia nanao lesona 32 ho an’ny Sekoly Sabatan’ny Ankizy.

1869 : Nanao lesona ho an’ny tanora sy ny ankizy i Goodloe H. BELL izay nampiasaina nandritra ny 25  taona.

1885 : navoaka ny Revue hanampy ireo moniteurs (mpanentana) ary taorian’izay dia nanana lesona avokoa ny sokajin-taona rehetra hatramin’ny lehibe

1853 : natombok’i James WHITE tany Rochester ny fanangonana ireo ankizy tamin’ny fampianarana any an-trano (Foyer école) ireny  no lasa Sekoly Sabata ary dia nanao  toy izany koa tany Buck’s Bridge i John BYINGTON

1877 : Najoro ny « Association des Ecoles du Sabbat » tany Californie.

1878 : najoron’ny Conférence Générale ny « General Sabbath School Association »

1885 : nanomboka nanolotra fanatitra Sekoly Sabata ho an’ny asa ivelany ny Fed Californie.

1886 : novàna hoe « International Sabbath School Association » ny anaran’ny tany Eoropa

1901 : Nijoro teo anivon’ny Conférence Générale ny departemantan’ny Sekoly Sabata.

1909 : ny Conférence Générale dia nanapaka fa atokana manontolo 100% ho an’ny asa maneran-tany ny fanatitry ny Sekoly abata.

TANTARAN’NY FIKAMBANAN’NY TANORA ADVANTISTA

Raha mbola 16 taona i Ellen HARMON dia efa nanorina fivoriana ho an’ny tanoran’ny fiangonany mba ho fitaizana ara-panahy . Iray tamin’ireny fivoriana maraina ireny no nandraisany ny fahitana voalohany tamin’ny Desambra 1844. Nanomboka nitady vahaolana ho an’ny ankizy sy ny tanora i James WHITE nanomboka ny 1852.

Tamin’ny taona 1878 tao amin’ny fiangonan’ny Hazelton any Michigan dia niezaka nanangana fikambanan’ny tanora teo amin’ny fiangonany i Luther WARREN (14 taona), sy Harry FENNER (17 taona). Tamin’ny 1892 dia nanizingizina i Ellen WHITE (tany Australie) ny hananganana tafika tanora hitory. Tamin’ny 1893 anefa vao tafatsangana ny fikambanan’ny tanora tao amin’ny Lincoln College (Nebraska) ary nanarakaraka azy ny maro tato aoriana.

  • 1901 : notoavin’ny Conférence Générale ny handrindrana ny asan’ny fikambanan’ny tanora ka ny Departemantan’ny Sekoly Sabata no niandraikitra izany.
  • 1907 : tamin’io vao nahaleo tena tanteraka ny Departemantan’ny tanora. Nanntsoina hoe M.V izany nandritra ny taona maro.
  • Namboarina ny fiambenana maraina.
  • 1909 : nosarahina ny ankizy sy ny tanora zandriny.
  • 1915 : naorina ny programa famakiana Baiboly mandritra ny taona PBA.
  • 1922 : naorina ny classe progressives (kilasim-pandrosoana) izay nahatratra hatramin’ny Master Guide (Chef guide) tamin’ny 1930.
  • 1926 : Nanao lasy lehibe voalohany ny tanora ka natao tany Michigan izany.
  • 1928 : no nisy ny Kongresy voalohan’ny tanora maneran-tany natao tany Allemagne
  • 1950 : najoron’ny Conférence Générale tamin’ny fomba ofisialy ny Club des  Explorateurs izay efa niasa hatramin’ny 1920.
  • 1954 : natomboka ny programa « Voix des Jeunes », Kaonferansa tarihin’ny tanora.

Ireto avy ireo niandraikitra ny Departemantan’ny Tanora tao aminn’ny Conférence Générale nanomboka tamin’ny 1907 :

 

1-  ME KERN

2-  HT ELLIOTT

3-  AW PETERSON

4-  EEW DUMBAR

5-  Theodore LUCAS

6-  John HANCOCK

7-  Leo RANZOLIN

8-  ALLEN

9-  Baraka MUGANDA

 

(1907 - 1930) Nantsoina hoe Mr M.V

(1930 - 1933)

(1934 - 1946)

(1946 - 1955)

(1955 - 1970)

(1970 - 1980)

(1980 - 1990)

 

TOKO FAHAEFATRAMBINIFOLO

NY NIANDOHAN’NY FIANGONANA ADVANTISTA

TETO MADAGASIKARA

     

Niandoha tany Maurice ny niandohan’ny fahatongavan’ny hafatra teto Madagasikara.

Niala tao Port-Louis (Mauritius) haka rivotra tany Eoropa i Rosalinda le MEME tamin’ny Jolay 1910. Tonga hatrany Angleterre sy Ecosse ary Pays des Galles izy. Naharitra herintaona  ny diany tany. Rehefa izany dia nanohy ny diany nankany Frantsa izy. Niova anefa ny fandaharam-potoanany raha tonga tao Paris ka lasa izy nankany Suisse. Tonga tao Lausanne izy ary  nitoby tamina Hotely iray an’ny havany manamorona ny làlana « Beau séjour » . Nisy taratasy iray natsofok’olona tamin’ny boîte aux lettres teo am-baravarany, taratasy fanasana ho amin’ny kaonferansa izy io. Lasa nankany izy ka ny lohateny novoasana dia ny hoe : « Mankaiza moa izao tontolo izao ? Ho avy indray Kristy » ary dia tonga nanatrika izany isan-kariva izy. Nandrara azy anefa ny tompon’ny Hotely tsy ho any intsony kanefa rehefa noreseny lahatra dia babony hanatrika ny kaonferansa ihany koa io. Nohazavain’ny mpandahan-teny ny Pasitora DEXTER ny Daniela 8 sy ny Fitsarana ary ny fiafaran’izany dia ny fiavian’i Kristy. Babon’ny fahamarinana i Rosle. Reny ihany koa ny amin’i Elen WHITE ka dia nanam-paniriana mafy ny mba hihaona aminy any Californie US izy. Main’ity hafatra vao hitany anefa i Rosalinda le MEME ka ny hody hanambara izany no nahamaika azy  kokoa. Natao  batisa tao Lausanne izy ny volana  Desambra 1911. Ny volana Marsa 1912 izy no nody tany Maurice, nitondra boky sy gazety maro - soratanan’i Ellen WHITE ary tody tany Maurice ny volana  Jiona 1912.

Notantarain’i Rosie ny diany sy ny fahamarinana vaovao vao azony ny rehetra ka gaga. Narary i Alice rahavaviny ka nanoro hevitra azy hamonjy ny toerana avo tany La Réunion ny dokotera . Dia lasa tany izy mirahavavy ka nitory tany sady nitsabo tena, Dia tafiditra tao ny hafatra.

Tamin’ny 1918 dia nisy misionera mpampiely boky atao hoe Antoine TUYAU nandray kalesin-dalamby avy any Toamasina hankany Antananarivo Tafara-toerana tamin’ny Inspecteurn’ny Sekoly Protestanta André RASAMOELINA izay vao avy nanao ny asany  tany Toamasina izy. Velona ny resaka teny an-dalana ary dia nampita ny fahamarinana taminy i TUYAU ka gaga sy talanjona ingahy RASAMOELINA. Nasehony azy ireo boky maro nentiny toy ny « Tragédie des siècles » sy ny « Steps to Christ » (Ny Dia ho eo amin’i Kristy). Nangatahiny tamin’i TUYAU ny adiresin’ny foiben’ny asantsika hahafahany mangataka alalana handika ny boky « Ny dia ho eo amin’i kristy. » amin’ny teny Malagasy.

Ho setrin’izany dia nalefan’ny Conférence Générale ho azy ny vola $800 hanampiana azy miaraka amin’ny boky sy  gazety maro toy ny « Present Truth »  (Fahamarinana ankehitriny). Voadikany sy voatontany ny boky tamin’ny volana jona 1919. Nanokatra kiosk / Librairie kely tao Andravoahangy izy ary teo no nivarotana ireo boky « Ny dia ho eo amin’i Kristy » ireo. Io kiosk io no  loharano nampipariaka ny hazavan’ny fahamarinana teto Madagasikara. Sonian’olona folo anefa no ilaina vao afaka manangana Fiangonana ka teo am-pvarotana io boky io no natsipitsipy ny resaka ary izay liana ka nazoto dia noraisina ho mpikambana.

Nampalahelo anefa fa maty novonoin’olona tao an-tranony tao Anjiro i Antoine  TUYAU kanefa ny rà nalatsany no vao maika lasa  zezika nampitrembona sy nampirobona ny voan’ny Fahamarinana teto Madagasikara.

Rehefa ren’ny tany Maurice ny fanombohan’ny asa taty Madagasikara dia naniraka ny Pasitora Marius RASPAL izy hampianatra an’i André RASAMOELINA sy ireo namany nandritra ny telo volana. Rehefa izany dia niverina tany Maurice izy ary notendrena hiasa feno taty Madagasikara tsy ela taorian’izay mba hanangana ny Fiangonana. Notokanana ary ny fiangonana voalohany tao Manjakaray ny 27 Aogositra 1927. Ny 09 Oktobra no natao batisa ireo advantista 4 voalohany tao Manjakaray. Rehefa izany dia lasa nody tany Frantsa i Marius RASPAL ka ny Pasitora Joseph BUREAUD no nalefa hitantana voalohany ny asa taty. André RASAMOELINA no sekretera ary CM RAMIAKABOLA no mpitahiry vola.

Nisy Géometre cadre anankiray antsoina hoe Jean RAMAMONJISOA izay nikaroka ny Fahamarinana ary rehefa nandinika izany andro vitsivitsy izy dia nanapa-kevitra handroso ka nandao ny asany mihitsy mba hahazoany mitandrina ny Sabata. Izy no mpitandriana Advantista faharoa teto Madagasikara.

Nisy mpino advantista vitsivitsy nanolo-tena hampiely boky. Anisan’ireny RASOLOFO sy RASINORO vadiny. Nankany Antsirabe RASINORO ka tonga tao an-tokantranony ‘i RAJOELY mpampianatra tao amin’ny Sekoly Normaly Loteriana. Nitory ny Fahamarinana taminy RASINORO. Raha sendra niakatra tany Antananarivo izy dia nahita ilay boky kely hoe « Ny Dia ho eo amin’i Kristy » : babon’ny fahamarinana izy sy ireo zanany roalahy RABARIJOEL Jerôme sy RAJOELISON izay lasa mpitandina diso fantatry ny fiangonana Advantista eto Madagasikara.

Nisokatra taorian’ny Manjakaray ny fiangonana faharoa teny Tsararay avy eo nitsangana ny teny Anosibe sy teny Ambohijafy - Itaosy.

Tamin’ny taona 1933 dia  novidiana ny tranon’ny mpaka fo iray tao Ambohijarovo ary dia natao fiangonana sy foiben’ny asa. Nanao kaonferansa nandritra ny herintaona sy tapany ny Pastitora RABARIJOEL. Malaza tamin’izany ny kaonferansa « Ny ho avy mamirampiratra ». Be ny vokatra ka dia nitady toerana hafa hanitarana ny asa. Dia natsangana ny tao Mandrosoa - 50 Làlana Andriandahifotsy handraisana ireo mpino vaovao tamin’ny 1933.

1934 : nosokafana ny Sekoly Advantista teo Ankadifotsy izay nampitondraina ny anarana heo MARANATA taty aoriana. Araka ny torohevitry ny Fanahin’ny Faminaniana (1872) dia tokony haorina eny ambanivohitra ny Sekolintsika. Koa tamin’ny 1938 daia naorina ny Kolejy tany Soamanandrariny. Natao ny fiofanan’ny mpampianatra evanjelistra (Instituteurs Evangeliste) koa ny Kolejy ka nahitana mpianatra maro hatrany Afrika.

Tamin’ny 1947 no nanomboka ny fandaharana amin’ny teny frantsay tao amin’ny Radio Tananarive tao Antaninarenina ny Pasitora Jean  ZURCHER, Talen’ny Kolejy. Nanao fandaharana 146 momba ny fanabeazana nosoratan’i Maurice TIECHE sy fitoriana Soratra Masina tao izy. Nandimby azy tamin’ny teny Malagasy ny Pasitora RABARIJOEL Jerôme  sy RAJOELISON nanomboka ny 1949. Nosokafana tamin’izany koa ny Imprimerie Adventiste tao Soamanandrariny izay nanampy betsaka tamin’ny fampielezana ny hafatra.

Efa nananika ny 76.000 ankehitriny ny Malagasy Advantista izay manana Fiangonana (voalamina sy tsy voalamina) mihoatry ny 1200.  Mitahy ny asany sy ny Fiangonany tokoa ny Tompo ary mitantana azy amin’ny fomba mahavariana !

Hotohizana ...

 

IREO BOKY  NILAN-KEVITRA

 

AMORIM, Nilton D Histoire de l’Eglise Adventiste Mudende Adventiste Universitty of Central Africa 1988

ANDREWS, John N. History of the Sabbath Day ; Review and Herald , 18 « Advance or Retreat » in Ministry Ed by J. David NEWMAN, February 1988

Ellen  WHITE et le Don de Prophétie Collonges Sous Salève : FIDES , MCMLXVI

GERBER ; Robert. Le Mouvement Adventiste. Dammarie les Lys : Les signes des temps, 1950.

LINDSAY, Allan, Legacy of Lights Videotape. Washington DC : Review and Herald, 1990.

Manuel d’Eglise. « Introduction »

Manuel des Explorateurs. Antananarivo : Imprimerie Adventiste, 1993 - 1994.

MUELLER, Konrad F. Séminaire sur l’Esprit de Prophétie. Antananarivo : IOUM, 1993

Review and Herald. Ed by Uriah SMITH (18...  19...)

REVUE ADVENTISTE. « Les pionniers » Abidjan : Africa Indian Ocean Division, 1990 - 1993

STRAND, Kenneth. The Sabbath in Scripture and History. 1990

Seventh day Adventists Encyclopaedia. Vol 10 Edité par F.D NICHOLS « Madagascar » : Review and Herald, 1960

Thèmes de l’Ecole du Sabbat JUNIOR. 1er Trimestre / 2ème Année. Antananarivo : Imprimerie Adventiste, 1989.

WHITE, Arthur L. Life and Works of Ellen G. WHITE. Washington D.C : Review and Herald, 1980, avec Diapositifs.

WHITE, Ellen G. Early Writings. Mountain View Ca : Pacific Press Publishing Assn, 1944.

--------------------, Counsels on Diets and Foods. Ibid

--------------------, Life Sketches of Ellen G.WHITE. Ibid

--------------------, Manuscripts and Letters / MS - K. Washington DC : White Estate

--------------------, Spritual Gifts. Mountain View : Pacific Press Publishing Assn, 1944

--------------------, The Great controversy. Ibid

WINANDY, Pierre. Cours THEO Histoire de l’Eglise Adventiste et Ministère Prophéttique d’Ellen WHITE. Mudende : Adventist University of Central Africa, 1991.