Sabata faharoa |
Edena ilay fonenantsika |
MANAKAIKY INDRINDRA ILAY TOERANA HALEHANTSIKA
Ellen G. White Eo an-tany fiadiana ny fiangonana ankehitriny, miatrika izao tontolo izao, izay efa mila ho latsaka ao anatin’ny fiainan’ny fanompoan-tsampy tanteraka, ao anatin’ny haizin’ny misasakalina isika. Kanefa avy ny fotoana hiadiana ny ady ka hahazoana fandresena. Hatao ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany, ka hatrany an-danitra. Dia tsy hisy intsony lalàna hafa ankoatra ny lalàn’ny lanitra harahin’ny firenena rehetra. Ho sambatra ny rehetra, tafatambatra ho fianakaviana iray, voatafy ny akanjom-boninahitra sy fankasitrahana - dia ny fahamarinan’i Kristy. Ao anatin’ny fitiavany tsy hay fefena no hanoloran’ny voary voninahitra sy fankasitrahana tsy manam-pitsaharana ho an’Andriamanitra. Hianoka ao anaty fahazavan’ny lanitra izao tontolo izao . . . Mila mahay mijery ny hoavy sy ny fahasoavana avy any an-danitra isika. Mijoro eo amin’ny tokonan’ny mandrakizay sy mandre ny fiarahabana tonga soa homena ireo izay niara-niaina tamin’i Kristy, ka nandray ny fahoriana noho ny Anarany ho tombontsoa sy voninahitra. Rehefa tafaray amin’ny anjely izy ireo dia hanala ny satro-boninahiny ka hametraka izany eo an-tongotr’ilay Mpanavotra ary hilaza hoe: “Voninahitra ho an’ny Zanak’Ondry izay voavono mba handray ny fahefana sy ny harena sy ny fahendrena, sy ny hery, sy ny haja, sy ny voninahitra ary ny fitahiana,… Ny haja sy ny voninahitra sy ny fahefana anie ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany sy ho amin’ny Zanak’ondry mandrakizay mandrakizay.” Ireo navotana tamin’ny fahasoavana Dia hiarahaba ireo izay nitarika azy ho ao amin’ny Mpamonjy ny voaavotra. Hanandrapeo izy ireo hidera Ilay maty ho an’ny olombelona mba hananan’izy ireo fiainana ao amin’Andriamanitra. Tapitra ny ady. Ny fifandrafiana sy ny fiandaniana rehetra dia nifarana. Hiram-pandresena no mameno ny lanitra manontolo rehefa mijoro manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra ny voaavotra. Hanao antsam-pandresena ny rehetra hoe: “ Voninahitra, voninahitra ho an’ny Zanak’Ondry voavono nefa velona indray, dia Ilay Mpiady mitondra fandresena.” … Azonao sary an-tsaina ve izany fahitana izany? Avelanao hitoetra ao an-tsainao ve izany sary izany? Tanteraka ny asam-panavotana. Teo amin’ny toerana nahabe ny ota no mainka nampitombo ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny toerana izay notakin’i Satana ho azy no nandoavan’Andriamanitra ny onitra sady nasandrany. Ity izao tontolo izao kelintsika ity izay teo ambany ozon’ny ota, dia pentina kely eo anivon’ny zavaboarin’Andriamanitra be voninahitra, no hasandrany mihoatra noho ny tontolo hafa rehetra eo amin’ny voariny manontolo. Teto no nitafian’ny Zanak’Andriamanitra ny toetra maha-olona. Teto no nijalian’ny Mpanjakan’ny voninahitra sy nahafatesany. Rehefa havaoziny ny zavatra rehetra dia ho eo anivon’ny olona ny tempolin’Andriamanitra: “dia honina eo aminy Izy, ireo ho olony ary Izy ho Andriamaniny.” Koa mandritra ireo taona maro tsy manam-pahataperana, rehefa mandeha eo amin’ny Fahazavan’ny Tompo ny voaavotra, dia hidera Azy amin’ny fanomezana tsy hay tononina ireo - Imanoela, “Amintsika Andriamanitra.” “Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao Zavatra iray no mitoetra: Hitondra mandrakizay ireo holatry ny hazo fijaliana ny Mpamonjy. Dia ny holatra eo amin’ny lohany, ny lanivoany, ny tanany ary ny tongony. Ireo no sisa hany soritra avelan’ny asa mampivarahontsana nataon’ny fahotana. Izao no nolazain’ny Mpaminany raha nanandratra ny voninahitr’i Kristy izy: “Misy famirapiratana toy ny mazava, Ary misy tana-masoandro avy eo amin’ny tanany ary ao no fieren’ny heriny.” Hab. 3:4. Io lanivoany voalefona izay nikorianan’ny ra sy ny rano io no nampifandraisana ny olona, tamin’Andriamanitra - |
Ao ny voninahitr’Andriamanitra, ao koa no “iafenan’ny heriny.” . . . ary ny mariky ny fanimbazimbana Azy no nanjary voninahitra lehibe indrindra ho Azy; hampiseho ny Voninahiny sy ny Fahefany mandrakizay ny ra nalatsany tao Kalvary. Naverina amin’ny laoniny noho ny fahasoavana i Edena “«Ary hianao, ry tilikambon'ny andiany. tendrombohitr'i Ziona zanakavavy,aminao no ho tonga izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany,dia ny fanjakan'i Jerosalema zanakavavy." - Mika 4:8. Tonga ny fotoana izay nandrandraina sy nandrasan’ireo olo-masina hatramin’ny andro nibahanan’ireo sabatra mirehitr’afo tsy hahazoan’ireo mpivady voalohany hiditra tao Edena intsony. Tonga ny fotoan’ny “(…) fanavotana ny olona izay nalainy ho an’ny tenany.” - Efes. 1:14. Ny tany izay nomena ny olombelona tany am-boalohany nefa nivadihany ka lasa teo am-pelatanan’i Satana, voafatotra teo ambany ozona, dia voaverin’ny drafi-panavotana. “Fa izao no lazain’i Jehovah, Izay (…) namorona ny tany sady nahavita azy; Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy fa nataony honenana.” - Isa. 45:18. Tanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany amboalohany rehefa nanorina ny tany izy rehefa nataony fonenan’ny voaavotra mandrakizay izy. Manana tombontsoa tokoa ny vahoakan’Andriamanitra mihazona ny fifandraisana mivantana amin’ny Ray sy ny Zanaka. “Fa ankehitriny isika mizaha amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina(...)” - 1 Kôr. 13:12. Taratry ny Endrik’Andriamanitra no hitantsika, tahaka ny amin’ny fitatra, eo amin’ny asan’ny voary sy ny ataony amin’ny olona; fa amin’izay ho hitantsika mifanatrika Izy, tsy misy ny voaly manjavozavo manelanelana. |
Hijoro eo anatrehany sy hibanjina ny voninahitry ny tsanganany isika. Ny fifalian’ireo voaavotra Dia hahalala tahaka ny nahafantarana azy ireo voaavotra. Hisy vokany marina sy mamy ny fitiavana sy ny fahaiza-mitsimbina ny hafa izay nambolen’Andriamanitra tao amin’ireo fanahy ireo. Ny fifandraisana madio misy eo amin’ireo voary masina, ny fiaraha-monina mirindra miaraka amin’ireo anjely sambatra sy ireo rehetra nahatoky nandritra ny taona maro nifandimby ka nanasa ny ankanjony ho fotsy tamin’ny ran’i Kristy, ary ny fatorana masina mampifandray ireo “fianakaviana eto an-tany ka hatrany an-danitra” (Efes. 3:15) - no hanorina ny fahasambaran’ireo voaavotra. Ao anatin’ny fahafinaretana tsy manampetra no hibanjinan’ireo tsy mety maty ny zava-mahagaga mikasika ny herin’ny famoronana sy ny tsiambaratelon’ny fitiavana mahavotra. Tsy hisy ratsy fanahy intsony hitaona ny voary hanadino an’Andriamanitra. Hitombo ny fahafaha-manao rehetra ary hiroborobo ny fahaiza-manao zavatra. Tsy handreraka ny saina intsony na handany ny herim-batana ny fanovozam-pahalalana. Azo atao ny mampandroso ny tetik’asa lehibe indrindra, ho tratra ny tetikasa lavitr’ezaka indrindra, ary ho tanteraka ny faniriana ambony indrindra; kanefa mbola hisy ambony kokoa hatrany hotratrarina, hisy zava-mahagaga hahatalanjona, hisy fahamarinana vaovao ho fantatra, ary zava-baovao hisarika ny saina sy ny fanahy ary ny vatana. Hisokatra ho fianarana ho an’ireo navotan’Andriamanitra izao ary rehetra izao. Ary ny taona rehetra mifandimby ao anatin’ny mandrakizay dia hitondra fanambarana sarobidy sy be voninahitra kokoa hatrany ny amin’Andriamanitra sy Kristy. Tahaka ny hitomboan’ny fahalalana no hitomboan’ny fitiavana, ny fanajana ary ny fahasambarana. Arakaraka ny hianaran’ny olona ny momba an’Andriamanitra no hitomboan’ny fankasitrahany ny toetrany. Rehefa sokafan’i Jesôsy eo anoloan’ny voaavotra ny haren’ny fanavotana sy ny fandreseny tamin’ny ady lehibe nifanaovany tamn’i Satana dia mainka hiboiboika avy ao am-pon’ireto fo voavidy ny fanoloran-tena, ary amin’ny fifaliana tsy hay tononina no hitendreny ny lokanga volamena. Dia feo arivo arivo no hiara-manandra-peo hatrany hatrany hanao feo fiderana. “Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra na izay ety ambonin’ny tany sy any ambanin’ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, dia reko nanao hoe: ‘Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy ho an’ny Zanak’Ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.” - Apôk. 5:13. Tapitra ny ady. Tsy misy intsony ny ota sy ny mpanota. Madio izao tontolo izao. Miara-mitepo anatin’ny firindrana sy ny fifaliana ny voary rehetra. Avy ao amin’Ilay nahary izao tontolo izao no hiavian’ny aina, ny hazavana, ny fifaliana manerana ny tany rehetra. Ao anatin’ny hakantony tsy sembanin’aloka ny sela bitika indrindra ka hatramin’ny tontolo lehibe indrindra, na ny mihetsika na ny tsy mihetsika dia samy hanambara fa Andriamanitra dia Fitiavana.
|
||
|
1 The Advent Review and Sabbath Herald, 17 Des. 1908.
2 The Desire of Ages, t. 26.
3 The Great Controversy, tt. 674-678.
Ellen G. White (1827-1915) dia iray amin’ireo mpamaky lay ao amin’ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Mino ny Advantista fa nandray ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana izy ary nanao ny asan’ny fampielezam-boky nandritra ny fitopolo taona mahery.