sp6m

Alakamisy
Fahasoavana velona

VOAOVAN'NY FIBANJINANA

Rehefa velantsika ho tompontsika i
Jesôsy, dia hovany isika. Manova antsika ny Fahasoavana, ilay famonjem-pitiavan’Andriamanitra, rehefa miara-mandeha amin’i Jesôsy isan’andro isika.

Nanoratra toy izao ny Apôstôly Paoly ao amin’ny Tit. 2: 11-14: “Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao, miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika dia Jesosy Kristy, Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany.”

Ireo andininy ireo dia maneho ny toetry ny fiainana izay mivelona amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Miova ny zavatra rehetra, ny safidintsika, ny fanantenantsika, ary ny zavatra mandrisika antsika.

Isan’andro dia miatrika safidy isika. “Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao (…)” - 1 Jao. 2:16, fa ny fahasoavana mampianatra antsika hanao hoe “tsia” sy hisafidy ny lalam-pahamendrehana, ny lalan’i Jesôsy. Manoatra noho izany, manohana antsika eo am-piandrasana ny fiverenan’i Jesôsy Kristy ny fahasoavana.

Tsy fantantsika izay hahatongavany, kanefa kosa fantantsika fa ho avy Izy satria nampanantena izany: “(…) dia ho avy indray Aho ka handray anareo ho any amiko (…)” – Jao. 14:3.

Fenoiny fifaliana sy fiadanana ny fontsika amin’izao fiainana izao, nefa ny zavatra tsara indrindra dia ny hahita Azy mifanatrika. Ankoatra izany, manosika antsika ny fahasoavany mba ho tonga tahaka izay iriny isika: Voadio “olona izay tena azy tokoa, vonona hanao ny tsara”.

Ho an’ny vahoakan’i Isiraely tany an’efitra, Andriamanitra dia nandidy hoe: “Ary asaivo manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina ao aminy Aho.” Ny voninahitr’i Jehôvah teo anelanelan’ny Kerôbima tao amin’ny efitra masina indrindran’ny Tabernakely dia maneho fa mitana ny teniny Andriamanitra: nonina teo amin’izy ireo tokoa izy.

Ny fanirian’Andriamanitra

Mbola tian’Andriamanitra ny honina eo amin’ny vahoakany. Tsy ananantsika ny fitoerana masina tany an’efitra, na ny tempoly tsara tarehy tao Jerosalema, fa manana fomba tsara lavitra hahafantarana fa eo amintsika Andriamanitra. Ilay Izaho Izay Izy lehibe Mpahary an’izao tontolo izao dia nanaiky ankehitriny hiara-monina amintsika. Tsy ao anaty tranolay na ao anaty tempoly volamena na volafotsy ary vato sarobidy, fa ao amin’ny tenantsika: “(…) Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra?(…)”, hoy ny fanontanian’ny Apôstôly Paoly. Ary notohizany hoe: ”(…) Ka tsy tompon’ny tenanareo hianareo.

Fa olom-boavidy hianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.” - 1 Kôr. 6:19,20.
Zava-miafina ny amin’izany ny hoe fomba ahoana no hitoeran’Andriamanitra ao anatintsika, ny zava-miafin’ “(…) i Kristy ao anatinareo izay fanantenana ny voninahitra” - Kôl. 1:27. Kanefa ny lahilahy sy ny vehivavy, ny zatovolahy sy ny zatovovavy izay manaiky an’i Jesôsy ho Tompo sy Mpamonjy azy dia mahalala sy mahatsapa izany ao aminy.

 

Tena sakaiza tsara i Jesôsy, Izy no ilay fa sakaizantsarantsika. Noho izany dia mikatsaka ny hanome voninahitra an’Andriamanitra isika amin’izay zavatra rehetra ataontsika. Ny vatantsika dia tsy tempoly velona fotsiny ihany fa fanatitra velona izay asandratra amin’ny fiderana sy fanompoana ho an’ny Tompo Izay namonjy antsika tamin’ny fahasoavana. Noho ny fahitana “(…) ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina (…)” - Rôm. 12:1,2.

Tsy hoe tempolin’ny Fanahy Masina fotsiny ihany isika tsirairay avy fa tian’Andriamanitra raha ny vahoakany rehetra no ho tonga fiangonana masina izay hisehoan’ny fanatrehany. “Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?

Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra dia mba hosimbana koa izy. Fa masina ny tempolin’Andriamanitra dia hianareo izany” araka ny voasoratry ny Apôstôly Paoly ao amin’ny 1 Kôr. 3:16,17.

Tian’Andriamanitra ny fiangonana raha maneho ny fahamasinany. Tokony ho tontolo hisehoan’ny fitiavana sy ny fahendrena ary ny fahasoavan’Andriamanitra. Idealy ambony manao ahoana re izany e!

Namelabelatra ny amin’io lohahevitra io i Petera: ”Ka dia hatsangana koa hianareo
tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” - 1 Pet 2:5. Taloha, ny Tempoly tao Jerosalema dia nahagaga sy nahatalanjona ny olona teo akaiky sy avy lavitra. Izany no karazana fijoroana ho vavolombelona tian’Andriamanitra hataon’ny fiangonana amin’izao andro faran’ny tantaran’ny tany izao, dia zavatra izay mitondra ny olona ho eo amin’i Jesôsy.

Tsy ny fijoalajoalany mahafinaritra sy ireo fanaka lafo vidy no voninahitry ny fiangonana.
Tokony hahasarika sy haneho an’i Jesôsy izay monina ao aminy ny trano fivavahantsika, kanefa aoka isika tsy ho latsaka amin’ny fandriky ny rehak’izao tontolo izao sy ny firentiny. Ny voninahitry ny fiangonana dia miankina amin’ireo vahoaka izay vory ao aminy, amin’ny fanoloran-tena tsy misy fihatsaram-belatsihy sy ny fiderana ny Tompo, ary eo amin’ny fitiavana sy ny fanekena izay
asehontsika ho an’ny hafa.

Mandroso ao anatin’ny fanetrehan-tena. Na dia nanomboka tao amin’ny lalana feno fanetren-tena aza ny fiangonantsika, teraka tao anatin’ny fahadisoam-panantenana nisy tamin’ireo mpino vitsivitsy, dia niparitaka hatrany amin’ny faran’ny tany. Ankehitriny isika dia mihoatra ny 17 tapitrisa ny mambra vita batisa, ary isan-taona dia iray tapitrisa na mahery no manatevina ny laharantsika. Miasa amin’ny alalan’ny oniversite sy toeram-pianarana ambony mihoatra ny zato isika, miampy hôpitaly maro sy toeram-pitsaboana ary trano fanotam-printy maro.

Midera an’Andriamanitra aho ny amin’ny zavatra efa nataony sy ny mbola hataony eo anivontsika. Andeha hiato kely isika mba hanome ny voninahitra rehetra sy ny fiderana ho Azy (Andriamanitra). Aoka isika hitandrina amin’ny fomba rehetra mba tsy ho amin’ny vavantsika mpino na avy ao am-pontsika no hieritreretantsika tahaka an’i Nebôkadnezara manao hoe: ”Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko (…)?” - Dan 4:27.

Rehefa misy olona miditra ao amin’ny fiangonana advantista, inona no hitan’izy ireo voalohany? Moa ve tsapan’izy ireo ny fanatrehan’Andriamanitra?

 

Moa ve voasandratra ao anatin’ny fanantenana sy famonjena ary fahasoavana i Kristy.

Mangovitra ny foko satria matetika isika lavo amin’ny fanehoana izany amin’ny alalan’ny asantsika. Manao tonom-bavaka tsara sy mihira tononkira mahafinaritra nefa isika matetika no maneho fireharehana, misy faniriana te hampitolagaga ny hafa sy maneho toetra ratsy amin’ireo izay tsy mitovy fihodirana
amintsika, tsy mitovy karazana sy fanabeazana ary ara-tsôsialy amintsika.

Aoka hatodika amin’ny asantsika ny loha, dia ny maha-vahoakan’Andriamanitra sisa antsika.

Sarobidy ny fiangonana eo imason’Andriamanitra. Io no sehatry ny asany izay maneho ny fahasohavana velona amin’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny tenan’ny mpino. “(…) Tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanoloran’ny tenany hamonjy azy, mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny tena; mba horaisiny ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho
masina sady tsy misy tsiny izy.” - Efes. 5:25-27. torak’izany koa i Ellen White, nanome torohevitra maro mahakasika ny idealin’Andriamanitra ho an’ny fiangonana

“Toerana voatendrin’Andriamanitra ho famonjena ny lahy sy ny vavy ny fiangonan’Andriamanitra …”

Ankoatra izay dia nanoratra i Ellen White fa ny fon’i Kristy no hitoeran’ny fiangonana (Fanompoana Kristianina, t. 243) sady toeranamirakitra ny ravaka soan’Andriamanitra (Testimonies for the Church, b. 6, t. 261) io no manda fiarovan’i Kristy eo anivon’ity izao tontolo izao mpanohitra ity, (Medical Ministry t. 89), io ihany koa no solon-tenan’i Kristy eto an-tany (Vavolombelona Mahery t. 122), io koa no zavatra malalan’Andriamanitra indrindra eto an-tany (Christ Object’s Lessons, t. 166) ary fananan’Andriamanitra (Testimonies to Ministers, t. 19).

Tombontsoa manao ahoana izany hoe ao
anatin’ny fianakavian’Andriamanitra eto an-tany izany? Andeha àry tsy hatao tsinontsinona ny fifandraisana amin’ny maha-mambra ao amin’ny fiangonana. Ka hampitovintsika amin’ny fikambanana ny fiangonana ka hidirantsika na hialantsika araka izay tiantsika. I Jesôsy, Ilay Mpisoronabentsika any an-danitra, no Tompon’ny fiangonana. Raha manao ny asa fanompoana any an-danitra ambony Izy dia ho antsika izany, andeha hilefitra amin’ny fotoana rehetra eo anatrehan’ny fahasohavany manova, hankalaza Azy amin’ny vatantsika izay tempoliny ary hanangana ny fiangonana izay Tenan’i Kristy (Efes. 1:22,23)
         
Fanontaniana fampieritreretana sy hifanakalozan-kevitra

1. Midika inona ho anao izany hoe fahamasinana izany? Amin’ny fomba ahoana no handokoan’ny fahasoavana ny fahatakaranao io fahamasinana io?

2. Amin’ny fomba manao ahoana no hankasitrahantsika ny fomba nitantan’Andriamanitra izao fihetsehana izao tsy ho rembin’ny fahalavoana ao anatin’ny fiavonavonana?

3. Raha ampitahana amin’ny antsika, dia manao ahoana no fijerin’Andriamanitra ny Fiangonana? Inona no fahasamihafana? Ary inona no itoviana?

Suivant


WILLIAM G. JOHNSSON : IZY NO NANORATRA NY HAFATRA REHETRA HO AMIN'NY HERINANDRO FIARAHA-MIVAVAKA TAMIN'ITY TAONA ITY, MANANA NY MARI-PAHAIZANA "DOCTORAT EN PHILOSOPHIE" TONIAN'NY GAZETY BOKY "REVUE ADVENTIST" SY "ADVENTIST WORLD" TEO ALOHA. EFA MISOTRO RONONO, MANANTATERAKA NY ASA FANAMPIANA NY FILOHA EO AMIN'NY FIFANDRAISANA ARA-PINOANA AO AMIN'NY FOIBE MANERAN-TANY.