fp9

9 - NY FIAINAN'I KRISTY, NY FAHAFATESANY ARY NY FITSANGANANY TAMIN'NY MATY

Tao amin'ny fiainan'i Kristy izay nankatoavany tanteraka ny sitrapon'Andriamanitra, ny fijaliany, ny fahafatesany, ary ny faitsanganany tamin'ny maty, no fomba tokana anoloran'Andriamanitra fanavotana amin'ny fahotan'ny olombelona, koa izay mandray amin'ny finoana an'izany avo tra izany dia mety han an a ny fiainana mandrakizay, ary ny voary manontolo dia ho afaka hahafantatra bebe kokoa ny fitiavana tsy manam-petra sy masin'ny Mpamorona. Ity avotra tanteraka ity dia mampibaribary ny fahamarinan'ny lalàn'Andriamanitra sy ny toetrany feno hatsaram-panahy, satria sady manameloka ny fahotantsika izany no manoka-dalana hahazoantsika famelan-keloka koa.

Ny fahafatesan'i Kristy dia fisoloana, farnpihavanana, ary fanavoazana ny toetra. Ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty dia mitory ny fandresena azon'Andriamamtra amin'ny herin'ny ratsy, ary ho an'izay manaiky ny fanavotana dia antoky ny hahazoany fandresena farany amin'ny ota sy ny fahafatesana. Manambara ny maha-Tompo an'i Jesósy Kristy izany, dia Izy izay handohalehan'ny lohalika rehetra any an-danitra sy ety an-tany.

(Jao. 3:16; Isa. 53; 1 Pet. 2:21, 22; 1 Kór. 15:3, 4, 20-22; 2 Kór. 5: 14,15,19-21; Róm. 1: 4; 3:25; 4:25; 8:3,4; 1 Jao. 2:2; 4:10; Kol. 2:15; Fil. 2:6-11)

Miverena