fp8

8 - ILAY ADY GOAVANA

Ny taranak'olombelona manontolo ankehitriny dia voafaoka ao amin'ilay ady goavana ifanaoavan'i Kristy sy i Satana mikasika ny toe tran'Andriamanitra sy ny lalàny ary ny fahefany hanapaka ny tontolo rehetra. Tany an-danitra no niandohan'izany ady izany raha nanjary Satana, fahavalon'Andriamanitra, ity voary anankiray izay nomena ny fahaiza-misafidy. Ny fahambonian-tena no niteraka izany. Ary dia notaominy hikomy ihany koa ny sasany tamin'ny anjely. Nampiditra ny fanahin'ny fìodinana teto amin'izao tontolo izao izy raha nitaona an'i Adama sy i Eva nano ta. Izany fahotan'ny olombelona izany dia nanova ny endrik'Andriamanitra ao amin'ny olona, niteraka fìkorontanana teo amin'izao tontolo izao, ary nony eia dia nahatonga ny fandravana tamin'ny Safo-drano. Ity tany ity izay ifantohan'ny fìjerin'ny voary manontolo, dia tonga saha isehoan'ny ady mahenika izao tontolo izao, ady izay hahazoan'Andriamanitra fìtiavana fandresena ka hanekena Azy ho marina amin'ny farany. Mba ho fanampiana ny olony amin'izao ady izao, dia maniraka ny Fanahy Masina sy ireo anjely mahatoky i Kristy mba hitari-dalana sy hiaro ary hanohana azy ireo eo am-pizorana amin'ny lalam-pamonjena.

(Apôk. 12:4-9; Isa. 14:12-14; Ezek. 28: 12-18; Gen. 3; Rôm. 1:19-32; 5:12-21; 8:19-22; Gen. 6-8, 2 Pet. 3:6; 1 Kôr. 4:9; Heb. 1:14)

Miverena