fp7

7 - NY TOETRAN'NY OLOMBELONA

Natao araka ny endrik'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy ary samy nanana ny maha-izy azy mbamin'ny fahafahana hisaina sy hanao (zavatra). Na dia   noforonina  hanan-tsafidy   aza   izy,   ny isam-batan 'olona dia iray, tsy azo sarahina ny vatana sy ny saina ary ny fanahy, ary miankina amin 'Andriamanitra ny fananany aina sy fofonaina ary ny zavatra sisa rehetra. Rehefa tsy nankató an'Andriamanitra ireo razambentsika, dia nitsipaka ny fiankinany taminy izy ary lavo niala tamin'ny toerana ambony nisy azy teo amin'Andriamanitra. Simba ny endrik' Andriamanitra tao aminy ka tonga nandairan'ny fahafatesana izy. Ny taran ak'izy ireo dia mandray atijara amin'ny fahalavoana nananany mbamin'ny vokatr'izany. Teraka nanana ny fahalemena sy ny fironana ho amin'ny ratsy izy. Andriamanitra, ao amin'i Kristy anefa, dia nampihavana izao tontolo izao taminy ary mampody indray ny endrik'ilay Mpahary ao amin'ny olombelona mety maty izay mibebaka. Nohariana ho voninahitr'Andriamanitra izy ka antsoina ho tia Azy sy hifankatia, ary hikarakara ny tontolo manodidina azy.

(Gen. 1:26-28; 2:7; Sal. 8:4-8; Asa. 17: 24-28; Gen. 3; Sal. 51:5; Rom. 5:12-17; 2 Kór 5: 19, 20; Sal. 51: 10; 1 Jao. 4:7, 8, 11, 20; Gen. 2:15)

Miverena