fp6

6 - NY FAMORONANA

Andriamanitra no Mpamorona ny zavatra rehetra, ary manambara ao amin'ny Soratra Masina ny tantara marin'ny asa famoronana nataony. Tao anatin'ny henemana no "nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny Tany" ary ny zava-manana aina rehetra ety an-tany, ary nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafiton'ny herinandro voalohany. Tamin'izany no nanendreny ny Sabata ho tsangambato mandrakizain'ny asa famoronana tanteraka nataony. Ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany dia noforoniny araka ny endrik' Andriamanitra ho sangan'asan'ny Famoronana, nomeny azy ireo ny fanapahana an'izao tontolo izao, ary napetrany taminy ny andraikitra hikarakara azy. Rehefa vita izao tontolo izao dia "tsara indrindra izany", nampiseho ny voninahitr'Andriamanitra.

(Gen. 1:2; Eks. 20:8-11; Sal. 19:1-6; 33:6, 9; 104; Heb. 11:3)

Miverena