fp5

5 - NY FANAHY MASINA

Andriamanitra Fanahy mandrakizay dia niara-niasa tamin'ny Ray sy ny Zanaka tamin'ny famoronana, niara-niasa ihany koa tamin'ny fahatongavan'ny Zanaka ho nofo sy ny fanavotana. Izy no nanome tsindrimandry ny mpanoratra ny Soratra Masina. Nameno hery ny Hainan'i Kristy Izy. Mitaona ny olona sy mampiaiky azy ny fahotana Izy, ary izay mamaly ny antsony dia havaoziny sy ovany ho araka ny endrik'Andriamanitra. Nirahin'ny Ray sy ny Zanaka mba ho eo amin'ny zanany mandrakariva Izy, ka mizara ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy amin'ny Fiangonana ary manóme hery azy amin'izany

 

hijoroany ho vavolombelon'i Kristy. Ny Fanahy Masina mifanaraka amin'izay voalazan'ny Soratra Masina, dia mitarika ny Fiangonana ho amin'ny marina rehetra.

(Gen. 1:1, 2; Lio. 1:35; 4:18; Asa. 10:38; 2 Pet. 1:21; 2K6r. 3:18; Efes. 4:11, 12; Asa. 1:8; Jao. 14:16-18, 26; 15:26, 27; 16:6-13).

Miverena