fp4

4 - NY ZANAKA

Andriamanitra Zanaka mandrakizay dia tonga nofo tao amin'i Jesosy Kristy. Tamin'ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra, nanehoana ny toetran'Andriamanitra, nanatontosana ny famonjena ny taranak'olombelona ary itsarana izao tontolo izao.

Tena Andriamanitra mandrakizay Izy, ary tonga tena olombelona koa, Jesosy izay Kristy. Notorontoronina tamin'ny herin'ny Fanahy Masina Izy ary naterak'i Maria Virjiny. Araka ny maha-olona Azy dia velona nalaim-panahy Izy kanefa nanome ohatra tonga lafatra ny fahamarinana sy ny fitiavan'Andriamanitra.

Tamin'ny alalan'ireo fahagagana nataony no nanehoany ny herin'Andriamanitra ary nambara ho Ilay Mesia nampanantenain'Andriamanitra Izy. Nijaly sy maty an-tsitrapo teo an-kazo fijaliana noho ny fahotantsika ary nisolo toerana antsika Izy, natsangana avy tamin'ny maty, ary niakatra hanao fifonana ho antsika any amin'ny fitoerana masina any an-danitra. Ho avy indray amim-boninahitra Izy hanafaka farany ny olony sy hampody ny zavatra rehetra amin'ny laoniny.

(Jao . 1:1-3, 14; Kol 1:15-19; Jao . 10:30; 14:9; Rom. 6:23; 2 Kör. 5:17-21; Jao. 5:22; Lio. 1:35; FU. 2:5-11; Heb. 2:9-18; 1 Kör. 15: 3, 4; Heb. 8:1, 2; Jao. 14: 1-3)

Miverena