fp28

28 - NY TANY VAOVAO

Any amin'ny tany vaovao izay honenan'ny marina, dia hanome fitoerana mandrakizay sy tontolo iainana ho an'ny voavotra Andriamanitra, ho tonga lafatra ny ahavelomany mandrakizay ao amin'ny fitiavana sy fifaliana ary fahalalana eo ambany fanatrehany. Andriamanitra mihitsy no hiara-mitoetra amin'ny olony, ary ho lasa tsy hisy intsony ny fijaliana sy ny fahafatesana. Hifarana ilay ady lehibe, ary tsy hisy intsony ny fahotana. Ny zavatra rehetra, na ny mañana aina na ny tsy mañana aina dia hanambara fa fitiavana Andriamanitra; ary Izy hanjaka mandrakizay. Amena!

(2 Pet. 3:13; Isa. 35; 65:17-25; Mat. 5:5; Apók. 21:1-7; 22:1-5; 11:15)

Miverena