fp27

27 - NY ARIVO TAONA SY NY FAMARANANA NY FAHOTANA

Ny arivo taona dia ny fanjakan'i Kristy mandritra ny arivo taona miaraka amin'ny olony masina any an-danitra, ary eo anelanelan'ny fitsanganana roa amin'ny maty. Mandritra izany fotoana izany no hitsarana ny ratsy fanahy; ho foana tanteraka ny tany, tsy hisy olona velona, nefa honenan'i Satana sy ny anjeliny. Amin'ny fiafaran'ny arivo taona dia hidina avy any an-danitra ho ety an-tany i Kristy sy ny olony masina ary ny Tanàna Masina. Hatsangana amin'ny maty amin'izay ary ny ratsy fanahy ka hanodidina ilay tanàna miaraka amin'i Satana sy ny anjeliny, nefa hisy afo avy amin'Andriamanitra izay handany azy sady hanadio ny tany. Ho afaka mandrakizay amin'ny fahotana sy ny mpanota ny tontolo rehetra.

(Apök. 20; 1 Kör. 6:2,3; Jer. 4:23-26; Apök. 21:1-5; Mal. 3:19; Ezek. 28:18,19)

Miverena