fp26

26 - NY FAHAFATESANA SY NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY

Ny fahafatesana no tambin'ny ota. Kanefa Andriamanitra Izay hany tsy mety maty, dia hanome fiainana mandrakizay an'ireo voaavotra. Mandra-pahatongan'izay andrò izay dia fotoana tsy ahatsiarovana na inona na inona ny fahafatesana. Rehefa hiseho i Kristy fiainantsika, dia hotafina 24 voninahitra ny olo-marina natsangana tamin'ny maty sy ny olo-marina mbola velona ary hakarina hitsena ny Tompony. Arivo taona taorian'izany no hahatanterahan'ny fitsanganana faharoa, dia ny fitsanganan'ny ratsy fanahy amin'ny maty.

(Rom. 6:23; 1 Tim 6:15,16; MpitT. 9:5,6; Sal. 146:3,4; Jao. 11:11-14; Kol. 3:4; 1 Kör. 15:51-54; 1 Tes. 4:13-17; Jao. 5:28,29; Apök. 20:1-10)

Miverena