fp25

25 - NY FIVERENAN'I KRISTY

Ny fiavin'i Kristy fanindroany no fanantenana mahafinaritry ny Fiangonana, vanim-potoana lehibe indrindra izany sady famaranana be voninahitra eo amin'ny tantaran'ny filazantsara. Ho ara-bakiteny ny fiavin'ny Mpamonjy fanindroany, ary Izy tenany mihitsy no ho avy ho hita maso, ary manerana an'izao tontolo izao. Rehefa miverina Izy dia hatsangana ny olo-marina efa maty; homem-boninahitra miaraka amin'ny marina izay mbola velona ireo ary hakarina ho any an-danitra, fa ny ratsy fanahy kosa dia ho faty. Saika efa tanteraka avokoa ny faminaniana rehetra; izany fahatanterahan' ny faminaniana izany, miaraka amin'ny zava-misy eto amin'izao tontolo izao ankehitriny dia mampiseho fa efa akaiky ny fiavin'i Kristy. Tsy nambara ny fotoana hisehoan'izany zavatra izany, koa dia ampirisihina isika ho vonona amin'ny fotoana rehetra.

(Tit. 2:13; Heb. 9:28; Jao. 14:1-3; Asa. 1:9-11; Mat. 24:14; Apök. 1:7; Mat. 24:43,44; 1 Tes. 4:13-18;1 Kôr. 15:51-54; 2 Tes. 1:7-10; 2:8; Apôk. 14:14-20; 19:11-21; Mat. 24; Mar. 13; Lio. 21; 2 Tim. 3:1-5; 1 Tes. 5:1-6)

Miverena