fp24

24 - NY ASAN'I KRISTY AO AMIN'NY FITOERANA MASINA ANY AN - DANITRA

Misy fitoerana masina any an-danitra, izay tena tabernakely naorin'ny Tompo fa tsy olona. Ao no anaovan'i Kristy fanompoam-pivavahana ho antsika ka hanomezany ny mpino ny tombontsoa avy amin'ny fanatitra nataony indray mandeha ihany teo amin'ny hazo fijaliana. Natokana ho Mpisoronabe lehibe ho antsika Izy, ary nanomboka nanao ny asa fisoronana Izy tamin'ny niakarany ho any an-danitra. Tamin'ny 1844, fifaranan'ny faminaniana ny amin'ny 2300 andró, dia niditra tamin'ny fizarána faharoa sady farany amin'ny asa fanavotana ataony Izy. Asa fitsarana famotopotorana izany, io fizarána io no fanafoanana ny fahotana rehetra, io no naseho ara-tandindona tamin'ny fanadiovana ny fitoerana masin'ny Hebreo tamin'ny Andró Fanavotana. Tamin'ny fanompoam-pivavahana tandindona dia ny ran'ny biby natao fanatitra no nanadiovana ny fitoerana masina, fa ny zavatra any an-danitra kosa dia diovina amin'ny fanatitra tanteraky ny ran'i Jesósy. Ny fitsarana famotopotorana dia mampisongadina amin'ireo any an-danitra ny hoe: Iza amin'ireo efa maty no maty tao amin'i Kristy ka araka izany dia voaafina ao Aminy ary isaina ho mendrika hanana anjara amin'ny fitsanganana voalohany? Izany dia mampibaribary ihany koa ny hoe: Iza amin'izay velona no mitoetra ao amin'i Kristy ka mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesósy, araka izany dia voaafina ao Aminy, koa dia hovana ary hampidirina tsy mándalo fahafatesana ho ao amin'ilay fanjakany mandrakizay? Mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra izany fitsarana izany amin'ny famonjeny ireo izay mino an'i Jesósy. Manambara izy fa izay naharitra nahatoky tamin'Andriamanitra dia handray ny fanjakana. Ny fahavitan'izany asa ataon'i Kristy izany no manamarika ny fifaranan'ny androm-pahasoavana omena ny olona mialoha ny Fiavian'i Kristy Fanindroany.

(Heb. 8:1-5; 4:14-16; 9:11-28; 10:19-22; 1:3; 2:16,17; Dan. 7:9-27; 8:13,14; 9:24-27; Nom. 14:34; Ezek. 4:6; Lev. 16;Apók. 14:6,7; 20:12; 14:12; 22:12)

Miverena