fp23

23 - NY FANAMBADIANA SY NY ANKOHONANA

Ny fanambadiana dia naorin'Andriamanitra tany Edena ary nohamafisin'i Jesôsy ho firaisana mandritra ny fahaveloman'ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray akamban'ny fitiavana. Ho an'ny Kristianina ny voadin'ny fanambadiana dia sady atao amin'Andriamanitra no amin'ilay vady koa, ary tsy tokony hirosoana raha tsy amin'ny olona mitovy finoana. Ny fifankatiavana, ny fifanajana, ny fifanomezam-boninahitra, ary ny fandraisana andraikitra, araka izay tandrify ny tsirairay, no tena herin'izany firaisana izany izay taratry ny fitiavana, ny fahamasinana, ny fifanatonana ety dia ety ary ny fitohizana lalandava misy amin'ny fifandraisan'i Kristy sy ny fiangonany. Momba ny fisaraham-panambadiana, Jesôsy dia nampianatra fa izay misaotra ny vadiny, raha tsy noho ny fijangajangana irery ihany ka manambady olon-kafa, dia 21 mijangajanga. Na dia mety hisy aza fifandraisana ara-pianakaviana tsy mahatratra izany tanjona ambony dia ambony izany, ny mpivady izay tafaray tanteraka ao amin'i Kristy dia afaka hahatanteraka firaisana amim-pitiavana amin'ny alalan'ny fitarihan'ny Fanahy Masina sy ny fanolokoloan'ny Fiangonana. Mitahy ny ankohonana Andriamanitra ary mikendry ny hifanampian'ny mambra ao aminy hanatratra ny fahamatorana tanteraka. Aoka ny ray aman-dreny hitaiza ny zanany ho tia sy hankatò ny Tompo. Amin'ny alalan'ny ohatra omeny sy ny teny ataony no aoka hampianarany azy ireo fa i Kristy dia Mpanabe feno fitiavana, tia sady mikarakara mandrakariva, izay maniry azy ireny ho tonga rantsana amin'ny tenany -ny Fiangonana - izay ankohonan'Andriamanitra. Anankiray amin'ny famantarana farany ny herin'ny filazantsara ny firaisana ety mitombo hatrany misy eo amin'ny ankohonana.

(Gen. 2:18-25; Mat. 19:3-9;Jao. 2:1-11; 2 KOr. 6:14; Efes. 5:21-33; Mat. 5: 31,32; Mar. 10:11,12; Lio. 16:18; 1 Kör. 7:10,11; Eks. 20:12; Efes. 6:1-4; Deo. 6:5-9; Ohab. 22:6; Mal. 3:23,24)

Miverena