fp22

22 - NY TOETRA SY FIHETSIKA KRISTIANINA

Antsoina isika ho vahoaka mendrika manana toe-panahy araka an'Andriamanitra izay misaina, maneho fihetseham-po, ary miasa sy manao zavatra mifanaraka amin'ny filamatry ny lanitra. Mba hahazoan'ny Fanahy mahary indray ny toetran'ny Tompontsika ato anatintsika, dia ireo zavatra izay miteraka fahadiovana araka anï Kristy sy fahasalamana ary fïfaliana ao amin'ny fiainantsika ihany no azontsika ekena. Midika izany fa ireo zavatra itadiavantsika fahafinaretana sy fanalana hamohamo dia tsy maintsy mifandrindra amin'ny filamatra kristianina ambony indrindra momba izay tiana sy ny hatsaran-tarehy. Ekena fa misy ny fahasamihafana ara-kolontsaina, kanefa ny fitafiantsika dia tokony ho tsotra, maotona sy madio ary mendrika ny olona izay mihevitra fa ny tena hatsaran-tarehy dia tsy eo amin'ny firavahana ivelany fa amin'ny "fanahy malemy sy miadana" izay ravaka tsy mety vasoka. Midika koa izany fa tokony hotandremantsika amin'ny saina mazava sy mandinika tsara ny tenantsika, satria tempolin'ny Fanahy Masina izany. Miaraka amin'ny fampiasan-tena sy ny fialan-tsasatra tandrify dia aoka izay sakafo mahasoa indrindra araka izay azo atao no hohanintsika, ary hofadintsika ireo sakafo tsy madio lazain'ny Soratra Masina. Koa satria manimba ny vatan-tenantsika ny zava-pisotro misy alikôla, ny paraky sy sigara, ary ireo zava-mahadomelina isan-karazany sy ny fanafody fampatoriana ampiasaina tsy amim-piheverana, dia aoka hofadintsika koa ireny. Ho solon'izany, dia aoka isika hiroso ho amin'izay zavatra rehetra mitondra ny fisainantsika sy ny tenantsika ho eo ambany fifehezan'i Kristy, satria iriny ny hananantsika fahasalamana sy fifaliana, ary ny hahitantsika ny soa sy ny tsara.

(Rom. 12:1,2; 1 Jao. 2:6; Efes. 5:1-21; Fil. 4:8; 2 Kör. 10:5; 6:14-7:1; 1 Pet. 3:1-4; 1 Kör. 6:19,20; 10:31; Lev. 11:1-47; 3 Jao. 2)

Miverena