fp21

21 - NY FITANDREMAM-PANANANA

Mpitandrina fananana ho an'Andriamanitra isika, notolorana fotoana sy toe-javatra azo hararaotina, talenta sy fananana, ary fitahiana avy amin'ny tany sy ny vokatra eo aminy. Mañana andraikitra amin'ny fampiasana ireny araka ny mety isika. Ekentsika ny maha-Tompony an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanompoana Azy sy ny namantsika amim-pahatokiana, sy amin'ny famerenana ny fahafolon-karena sy fanomezana fanatitra hoenti-mitory ny filazantsarany ary hanohanana sy hampandrosoana ny fiangonany. Tombontsoa omen'Andriamanitra antsika ny fitandremam-pananana ho fitaizana antsika ao amin'ny fitiavana sy hoenti-mandresy ny fitiavan-tena sy ny fieremana (fitiavan-karena tafahoatra). Ny mpitantana fananana dia faly amin'ny fitahiana raisin'ny hafa vokatry ny toetra mahatoky asehony.

(Gen. 1:26-28; 2:15; 1 Tant. 29:14; Hag. 1:3-11; Mal. 3:8-12; 1 Kôr. 9:9-14; Mat. 23:23; 2Kôr. 8:1-15; Rom. 15:26,27)

Miverena