fp19

19 - NY LALAN'ANDRIAMANITRA

Voafehy ao amin'ny Didy folo ireo foto-kevitra lehibe amin'ny lalán'Andriamanitra ary voaseho tao amin'ny fiainan'i Kristy. Manambara ny fitiavan'Andriamanitra sy ny sitrapony ary ny fikasany ny amin'ny fitondran-tenan'ny olona sy ny fifandraisany ireny, ary manan-kery ho an'ny olona rehetra sy ho amin'ny fotoana rehetra. Ireo fitsipika ireo no fototry ny fanekena ifanaovan'Andriamanitra amin'ny vahoakany, ary fototra  iaingan'ny fitsaran'Andriamanitra.

Mampahafantatra ny fahotana amin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina izy ary mampifoha ny fahatsiarovana ny ilàna Mpamonjy. Avy amin'ny fahasoavana irery ihany ny famonjena fa tsy avy amin'ny asa, nefa ny vokany dia fankatoavana ny didy. Mampivelatra ny toe-panahy kristianina ny fankatoavana ary miteraka fahalavorariana sy fahafaham-po. Porofon'ny fitiavantsika ny Tompo sy fiheverantsika ireo olona tahaka antsika izany. Mampiseho mazava ny herin'i Kristy hanova fiainana ny fankatoavan'ny finoana, noho izany dia manatanjaka ny fijoroan'ny Kristianina ho vavolombelona.

(Eks. 20:1-17; Sai. 40:7, 8; Mot. 22:36-40; Deo. 28:1-14; Mal 5:17-20; Heb. 8:8-10; Jao. 15:7-10; Efes. 2:8-10; 1 Jao. 5:3; Ròm. 8:3, 4; Sol. 19:7-14)

Miverena