fp18

18 - NY FANOMEZAM-PAHASOAVAN'NY FAMINANIANA

Iray amin'ny fanomezan'ny Fanahy ny faminaniana. Marika ahafantarana ny fiangonan'ny sisa ity fanomezana ity, ary voaseho tamin'ny asan'i Ellen G. White. Araka ny maha-mpitondra hafatr'Andriamanitra azy, ny soratra navelany dia loharanom-pahamarinana miboiboika lalandava sady manana fahefana izay manome fampaherezana, fitarihan-dalana, fampianarana ary fanitsiana ny Fiangonana. Mampiseho miharihary koa izany fa ny Baiboly no filamatra tsy maintsy isedrana ny fampianarana sy ny fanandramana rehetra.

(Joe. 3:1, 2; Asa. 2:14-21; Heb. 1:1-3; Apok. 12:17; 19:10)

Miverena