fp17

17 - NY FANOMEZAM-PAHASOAVAN'NY FANAHY MASINA SY NY ASA FANOMPO ANA

Nandritra ny taona nifandimby, dia nandrotsaka tamin'ny mambran'ny fiangonany ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Andriamanitra mba hoentin'ny tsirairay hanompo amim-pitiavana ho an'ny soa iombonan'ny Fiangonana sy ny taranak'olombelona. Omena amin'ny alalan'ny Fanahy Masina, izay mizara azy araka ny sitrapony, ireny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy ireny, ka manolotra ny fahaiza-manao sy ny asa fanompoana rehetra ilain'ny Fiangonana hoenti-manatontosa ny asa notendren'Andriamanitra hataony. Araka ny Soratra Masina, izao avy no hita amin'izany fanomezam-pahasoavana izany: ny finoana, ny fanasitranana, ny faminaniana, ny fitoriana, ny fampianarana, ny fitondrana, ny fampihavanana, ny fiaraha-mizaka ny fahoriana, ary ny fanompoana ombam-pandavan-tena sy ny fitiavana hanampy sy ho fampirisihana ny olona. Misy mambra sasany antsoin'Andriamanitra mba homen'ny Fanahy fahasoavana hanao asa eken'ny Fiangonana ho amin'ny fitandremam-piangonana, ny sasany ho amin'ny fitoriana ny filazantsara, ary ny raharahan'ny apôstôly, ao ihany koa ny fampianarana izay tena ilaina tokoa ho fampitaovana ny mambra ho amin'ny fanompoana, ho fampitomboana ny Fiangonana amin'ny fahamasahana ara-panahy, ary ho fampandrosoana ny firaisana amin'ny finoana sy ny fahalalana an'Andriamanitra. Rehefa mampiasa ireny fanomezam-pahasoavana ireny araka ny maha-mpitahiry ny fahasoavana samihafa omen' Andriamanitra, ny mambra, dia voaaro amin'ny hery miasa manginan'ny fampianaran-diso izay mahatonga faharavan'ny Fiangonana, ary mitombo noho ny fiasan'ny herin'Andriamanitra izy ary micrina tsara ao amin'ny finoana sy ny fitiavana.

(Rom. 12:4-8; 1 Kor. 12:9-11,27,28; Efes. 4:8,11-16; Asa. 6:1-7; 1 Tim. 3:1-13; 1 Pet. 4:10,11)

Miverena