fp16

16 - NY FANASAN'NY TOMPO

Ny fanasan'ny Tompo dia fandraisana atijara amin'ireo tandindon'ny tenan'i Jesosy sy ny rany ho fanehoana ny fínoana Azy, Izay Tompo sy Mpamonjintsika. Ao amin'izany fanan dram ana izany dia misy ny fanatrehan'i Kristy izay mihaona amin'ny vahoakany mampahery azy. Ny fandraisantsika anjara amin'izany no anambarantsika amim-pifaliana ny fahafatesan'ny Tompo mandra-piaviny indray. Misy fandinihan-tena sy fibebahana ary fiaiken-keloka ny fiomanana ho amin'ny fandraisana ny Fanasan'ny Tompo. Nanendry ny fanasan-tongotra izay midika fanavaozana sy fanadiovana, ny Tompo, ho fanehoana ny fahavononana hifanompo ao amin'i Kristy amim-panetren-tena, sy ho fampiraisana ny fontsika amin'ny fìtiavana. Misokatra ho an'i Kristianina mpino rehetra ny fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.

(1 Kôr. 10:16, 17; 11:23-30; Mat. 26:17-30; Apôk. 3:20; Jao. 6:48-63; 13:1-17)

Miverena