fp15

15 - NY BATISA

Amin'ny batisa no anekentsika ny finoantsika ny fahafatesan'i Jesosy sy ny fitsanganany tamin'ny maty, ary anehoantsika ampahibemaso ny fahafatesantsika ny amin'ny fahotana sy ny fikasantsika handeha amin'ny fiainam-baovao. Amin'izany no anekentsika an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy, ahatongavantsika ho olony, ary andraisana antsika ho mambran'ny fiangonany. Tandindon'ny firaisantsika amin'i Kristy ny batisa, ary famelana ny fahotantsika sy fandraisantsika ny Fanahy Masina. Atao amin'ny alalan'ny fanitrinana anaty rano izany, izay fanambarana ny finoana an'i Jesosy sy porofon'ny fìbebehana amin'ny fahotana. Aorian'ny fampianarana ny Soratra Masina sy fanekena ny fampianarany no anaovana ny batisa.

(Rôm. 6:1-6; Kol. 2:12, 13; Asa. 16:30-33; 22:16; 2:38; Mat 28:19, 20).

Miverena