fp14

14 - FIRAISANA AO AMIN'NY TENAN' I KRISTY

Vatana iray misy rantsana maro ny fiangonana, nantsoina avy amin'ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena, sy ny samy hafa fiteny, ary ny olona rehetra. Ao amin'i Kristy dia noforonina indray isika; ny fanavakavahana noho ny volon-koditra, ny kolontsaina, ny fahaizana amam-pahalalana, ny foko amam-pirenena, ny fahasamihafana ateraky ny maha-ambony na ambany, ny mpanankarena sy ny mahantra, lehilahy sy vehivavy, dia tsy azo ekena mihitsy hahatonga fisaratsarahana eo anivontsika. Ao amin'i Kristy dia mitovy saranga avokoa isika rehetra, Izy Izay nampiray antsika Aminy tamin'ny Fanahy Iray, sy amintsika samy isika; isika dia natao hanompo sy hotompoina tsy misy fizahan-tavan 'olona na fepetra inona na inona. Amin'ny alalan'ny fanambarana an'i Kristy ao amin'ny Soratra Masina dia manana anjara amin'ny finoana iray sy ny fanantenana iray isika, ary miezaka ho vavolombelona iray eo imason'ny olona rehetra. Ao amin'Andriamanitra telo izay iray, Izay nanangana antsika ho zanany no loharanon'ity firaisana ity.

(Rom. 12:4, 5; 1 Kór. 12:12-14; Mai. 28:19, 20; Sal. 133:1; 2 Kór. 5:16, 17; Asa. 17:26, 27; Gal. 3:27, 29; Kól. 3:10-15; Efes. 4:14-16; 4 :l-6; Jao. 17:20-23)

Miverena