fp13

13 - NY SISA SY NY IRAKA ANIRAHANA AZY

Ny fiangonana manerana an'izao tontolo izao dia fitambaran'izay rehetra mino an'i Kristy, nefa amin'izao andrò farany izao, izay fotoana ielezan'ny fihemorana hatraiza hatraiza, dia misy sisa voaantso hitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesósy. Ny sisa dia mitory ny fahatongavan'ny andro fitsaran'Andriamanitra sy manambara ny famonjena amin'ny alalan'i Kristy, sy manao antso avo ny fahantomoran'ny fiverenany. Izany fitoriana izany dia aseho amin'ny endriky ny anjely telo ao amin'ny Apokalipsy 14; mifanitsy amin'ny asa fitsarana any an-danitra izany, ary ny vokany dia fibebahana sy fanavaozan-toetra ety an-tany. Antsoina ny mpino tsirairay avy handray anjara amin'izany fijoroana ho vavolombelona manerana izao tontolo izao izany.

(Apòk. 12:17; 14:6-12; 18:1-4; 2 Kór. 5:10; Joda 3:14; 1 Pel 1:16-19; 2 Pel 3:10-14; Apòk. 21:1-14)

Miverena