fp11

11 - FITOMBOANA AO AMIN'1 KRISTY

Tamin'ny alalanhy fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana no nandresen'i Jesosy ny herin'ny ratsy. Izy izay nandresy ireo fanahin'ny demonia nandritra ny asany tety an-tany dia efa nandresy ny fahefany rehetra ka nanome antoka ny fahareseny mandrakizay.

Ny fandresen'i Jesosy dia manóme hery antsika handresy ireo herin'ny ratsy izay mbola mitady hangeja antsika, raha miara-dia Aminy amin'ny fiadanam-po sy amim-pifaliana ary ny fahazoana antoka ny fitiavany isika. Amin'izay dia mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina sady manóme hery antsika. Eo am-panolorantena mandrakariva ho an'i Jesosy Tompo sy Mpamonjy antsika dia afaka amin'ireo vesatry ny fahatsiarovana ny lasantsika rehetra isika.

Tsy miaina ao amin'ny haizina sy ny tahotra ny herin'ny maizina ary ny tsy fahalalana intsony isika, ary tsy miaina intsony ao amin'ny fahatsapana ny tsy mampisy dikany ny fomba fiainantsika taloha. Ao amin'izany fahafahana vaovao ao amin'i Jesosy izany dia antsoina isika hitombo amin'ny fanahafana ny toetrany ka mifandray aminy isan'andro amin'ny alalan'ny  vavaka,   mivelona  mandrakariva amin'ny teniny, misaintsaina izany mandrakariva sy misaintsaina ny fitantanan'Andriamanitra, mihira hira fiderana, tonga mamonjy ny fotoam-piarahana miankohoka aminy rehetra ary mandray amara amin'ny iraka nampanaovina ny fiangonana. Koa ny fanoloran-tenantsika amin'ny alalan'ny fanompoam-pitiavana ataontsika amin'ireo manodidina antsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelon'ny famonjeny antsika, ny fanatrehany antsika mandrakariva amin'ny alalan'ny Fanahy Masina dia mano va ny fotoana rehetra sy ny adidy rehetra ho zary fanandramana ara-panahy miaraka aminy.

(Sai. 1:1,2; Sai 23:4; Sai 77:11,12; Kól 1:13,14;

Kól 2:6,14,15; Lio. 10:17-20; Efes. 5:19,20; Efes. 6:12-18; 1 Tes. 5:23; 2 Pet. 2:9; 2 Pel 3:18; 2 Kór. 3:17,18; FU. 3:7-14; 1 Tes. 5:16-18; Mal 20:25-28; Jao. 20:21; Gal. 5:22-25; Róm. 8:38-39; 1 Jao. 4:4; Heb. 10:25)

Miverena