fp10

10 - NY FAHATSAPANA NY FAMONJENA

Tamin'ny fitiavany sy ny famindrampony tsy hita lany no nanovan'Andriamanitra an'i Kristy izay tsy nahalala ota ho ota, mba hahatonga antsika ho fahamarinan'Andriamanitra. Tarihin'ny Fanahy Masina isika ka mahatsapa ny maha-tsinontsinona antsika, miaiky ny maha-feno fahotana antsika, mibebaka amin'ny fandikantsika ny lalàna ary mino an'i Jesósy ka manaiky Azy ho Tompo sy Mesia, ho Mpisolo sy Módely halain-tahaka. Ity flnoana mandray ny famonjena ity dia avy amin'ny herin'Andriamanitra ao amin'ny Teniny, ary fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra. Hamarinina ao amin' i Kristy isika, atsangana ho zanaka lahy sy zanaka vavin'Andriamanitra, ary afahana amin'ny fanapahan'ny ota. Ateraka indray ao amin'ny Fanahy isika sady hamasinina; manavao ny saintsika ny Fanahy, manoratra ao am-pontsika ny lalàna masin'Andriamanitra, ary omena hery sy aina amin' ny Fanahy Masina isika. Mitoetra ao Aminy isika ka tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra ary mahazo antoka ny famonjena ankehitriny sy eo amin'ny fitsarana.

(2 Kör. 5:17-21; Jao. 3:16; Gal. 1:4; 4:4-7; Tit. 3:3-7; Jao. 16:8; Gal. 3: 13, 14; 1 Pet. 2:21-22; Rom. 10:17; Lio. 17: 5; Mar. 9:23,24; Efes. 2: 5-10; Rom. 3:21-26; Kol. 1:13,14; Rom. 8:14-17; Gal. 3:26; Jao. 3:3-8; 1 Pet. 1:23; Rom. 12:2; Heb. 8:7-12; Ezek. 36:25-27; 2 Pet. 1:3, 4; Rom. 8:1-4; 5:6-10)

Miverena