Union des Fédérations de l'Océan Indien | IOUC
Zoma
Ho tonga ny andro fitsarana

TSY ZAVA-MAMPATAHOTRA IZANY, FA FAMPANANTENANA

“Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontonlo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty” - Asa. 17:30,31.

Nitsangana teo an-tendrombohitra mifanatrika amin‘ny tanànan’ny Atenianina ny Apôstôly Paoly. Tao anatin’ireo vahoaka vory teo mba handre azy, ireo filôzôfa sy mpandalo vonona ny handre sombim-baovao, sy fanambarana
mahaliana. Nanomboka niresaka ireo fombafomba fivavahana izay hitany teo an-tanàna i Paoly ka nampitodika ireny ho amin’ilay Andriamanitra tokana sady marina,
Ilay nahary ny lanitra sy ny tany, ilay loharanom- piainana ho an’ny olona rehetra. Ka nampifantoka ny foto-dresaka ho amin’ny fananarana, dia ny fahatongavan’ny andro fitsarana!

Io no hafatra fanairana manerana ny Baiboly manontolo. Miantso ny lehilahy sy ny vehivavy hiatrik’ izany Andriamanitra, Mpitsara izao tontolo izao. Tsy misy afaka handositra na afaka hiafina izany. Mety holavin’ny olona izany ka tsy horaharahainy akory, kanefa tsy azo hihodivirana: fa ho avy ny andro fitsarana. “Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy, mba handraisan’ny olona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.” - 2 Kôr. 5:10. “Fa ny afo sy ny sabany no entin’i Jehovah hifandahatra amin’ny nofo rehetra; ary ho maro ny voaringan’i Jehovah” - Isa. 66:16. Torak’izany koa i Jesôsy izay nilaza betsaka ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra, dia nampianatra koa ny amin’ny fiavian’ny fitsarana: “Ary lazaiko aminareo fa ampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny foana  rehetra izay ataony” - Mat. 12:36.

Eto amin’ity izao tontolo izaontsika lavo ity dia manjaka ny tsy fahamarinana. Matetika ireo mahantra no tsy mahazo rariny manoloana ireo olona izay afaka manarama mpahay lalàna amin’ny sarany lafo, mba hanafaka azy ireo.

Velona amin’ny andro izay anjakan’ny tsy rariny isika, ka toa tsy misy fetrany ny tsy fanajana ny maha-olona, nefa toa afa-maina ireo mpanao ratsy. “Rehefa voahitsakitsaka mandrakariva ny fahamarinana dia manjaka mandrakizay ny faharatsiana."*

Kanefa ny Tompo dia milaza amintsika tahaka ny hitenenany amin’ny olombelona rehetra fa: “Ho avy ny andro fitsarana!” Tsy hitohy mandrakariva ny faharatsiana. Tsy holavina foana ny fahamarinana na ho voahitsakitsaka.

Horaisin’Andriamanitra an-tanana ny zavatra rehetra ka hiantso ny olona rehetra Izy hiatrika izany.

Mijoro ho mahatoky

Taorian’ny vonomoka dia maro tamin’ny Jiosy no niala tamin’ny finoana an’Andriamanitra. Teo anatrehan’ny fahanginan’Andriamanitra dia tsy nino intsony izy ireo. Na izany aza dia olana efa taloha be izany, matetika no miseho lany ao amin’ny Soratra Masina izany, ohatra izay voalaza ao amin’ny Sal. 73. Eto ny mpanao Salamo dia
milaza mazava ny amin’ny adin-tsaina mahazo azy rehefa mahita ny ratsy fanahy ambinina: “Fa izaho dia saika nibolasitra ny tongotro; saika solafaka ny diako satria nialona ny mpirehareha aho raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.” - and. 2,3. Ireo olona tsy mieritreritra ny momba an’Andriamanitra dia toa mifaly amin’ny fiainana tsara, fahasalamana, fahafahana, harena, voninahitra, herisetra, fanaovana tsinontsinona, hafetsifetsena, fireharehana (and 4-12). Izao no lazain’izy ireo hoe: “Hataon’Andriamanitra ahoana no fahalala? Ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?” -and. 11.

Enta-mavesatra ho an’ny mpanao Salamo ny mahazo izany,

  ary enta-mavesatra ho antsika ihany koa.

Fa ny valiny ho antsika sy ho azy dia ao amin’ireto teny ireto: “mandra-piditro tao amin’ny fitoera-masin’Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.” - and. 17.
Ho an’ny mpanao salamo, ny fitoeranana masina dia manome antoka ho azy fa velona Andriamanitra, ary araka ny fotoany sy ny fombany no hamaranany ny fanjakan’ny fahotana sy ny ratsy.

Hataon’Andriamanitra mirindra ny zavatra rehetra.

Ho antsika kosa, ny fitoerana masina any an-danitra izay anaovan’i Jesôsy ny asa fanompoana amin’ny maha-Mpisoronabentsika Azy dia manome antsika ny antoka mitovy amin’izany. Tsy haharitra mandrakizay izao tontolo izao. Ireo herisetra mameno ny fiarahamonina môderina, ireo fihetsika fototry ny lehilahy sy ny vehivavy indray andro any dia tsy maintsy handalo fanadihadiana lalina. Tonga ny andro fitsarana! Amin’ny fiangonana kristianina maro, ny foto-pinoana momba ny fitsarana dia efa foana.
Na dia manambara ireo tenin’ny foto-pinoana taloha aza ireo mpivavaka. “Ho avy hitsara ny velona sy ny maty Izy [Kristy]” Tsy misy heviny amin’ny fanandraman’izy ireo intsony izany.

Ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito koa dia mihazona izany fahamarinana ara-baiboly izany ho ampahany fototra amin’ny teôlôjiantsika.

Hitantsika an-tsary ao amin’ny hafatry ny anjely telo ao amin’ny Apôkalipsy ny hafatra hoentintsika, izay mitory manerana izao tontolo izao hoe: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy fa tonga ny andro fitsarana, ary miankohofa eo anoloan’izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” - Apôk. 14:7.

Mariho ny fifandraisany amin’ny fanambaran’i Paoly teo amin’ny tendrombohitra “Mars”. Nihaika ireo mpanatrika miroa saina hibebabaka izy. Ny hafatra entintsika dia miantso ny rehetra “hatahotra an’Andriamanitra sy hanome voninahitra Azy.” Miteny araka an’Andriamaitra i Paoly manao hoe: “ho avy ny andro hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana”; Torinay:”Tonga ny andro fitsarany”

Voaovan’ny fahasoavana

Farany, ambaran’i Paoly fa hitsara izao tontolo izao Andriamanitra amin’ny alalan’ilay Lehilahy iray notendreny, Ilay Iray natsangany tamin’ny maty dia i Jesôsy Kristy. Ny hafatra advantista holazaina amin’izao tontolo izao dia mifototra amin’i Jesôsy. Izany no “filazantsara mandrakizay”; ny vaovao mahafalin’ilay Andriamanitra-olombelona izay miasa ho famonjena antsika ary ho avy tsy ho ela indray.

Izy no ilay iray izay nanao “ (…) ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, ny loharano” - Apôk. 14:7, satria “Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao; na dia iray aza”. - Jao. 1:3.

Ao min’ny fitsarana, ny zava-dehibe indrindra dia ny fifandraisantsika amin’i Jesôsy. Tsy
afaka mamonjy ny tenantsika isika na dia miezaka mafy araka izay tratra aza. Rehefa voaantso any amin’ny fitsarana any an-danitra
ny anarantsika miaraka ny fitanana an-tsoratra ny fiainantsika rehetra - izay rehetra nataontsika sy nahalavo antsika, ireo tenintsika rehetra, ny eritreritsika lalina indrindra- fanontaniana iray no mialoha azy rehetra ireo: Inona no nataontsika niaraka tamin’ny Zanak’Andriamanitra? “Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjena izao tontolo izao. Izay mino Azy tsy hohelohina, fa izay tsy mino kosa dia voaheloka rahateo satria tsy nino ny anaran’ny Zanaka lahitokanan’Andriamanitra izy.” - Jao 3:17-18.

Ny fitanana an-tsoratra ny fiainantsika any an-danitra,

  raha izany irery dia tsy afaka manome antsika fanantenana, na; izany aza anefa dia zava-dehibe izy io, satria maneho ny fitondrana ny fiainantsika. Malemy sy maniasia isika, miezaka isika kanefa dia lavo hatrany hatrany. Miaraka amin’ireo fiafarana sy fanombohantsika, na dia izany aza, dia ny fahasoavan’i Kristy no manova antsika.

Amimpahanginana no isehoan’ny fiovana isan’andro isan’andro rehefa havaozina eo amintsika ny endrik’Andriamanitra. Rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitra isika isan’andro, dia manolotra ny tenantsika ho Azy, mivelona amin’ny teniny ary mikatsaka ny hiaina ho voninahiny, dia ho tonga tahaka azy isika. Toy ny mahatonga ny mpivady lehilahy sy vehivavy mifankatia hitovy eo amin’ny fahazarana sy ny fiseho, tahaka izany ihany koa ireo olona tia an’i Jesosy dia ho tonga tahaka Azy.

“Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny fitaratra ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra toy ny avy amin’ny Tompo dia ny Fanahy” - 2 Kôr. 3:18.

Matahotra ny fitsarana ny Advantista Mitandrina Ny Andro Fahafito sasany. Miaina amin’ny tahotra sy ny fanahiana izy ireo ho hita tsy ampy fahatsarana ka hampidirina any an-danitra amin’ny farany.

Ry mpamaky malala, isan’ireo matahotra ireo ve ianao? Avelao aho hanome anao valiny mazava avy ao amin’ny Baiboly: Tsy tsara loatra ianao.tsy azonao atao amin’ny tenanao samirery na oviana na oviana izany. Kanefa i Jesôsy dia ampy ho fahatsarana.

Raha mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy anao ianao dia hijoro eo amin’ny toeranao Izy.

Ny fahamarinana tanteraka an’ny Zanaka no ho hitan’n Ray rehefa mijery anao Izy fa tsy ny fitanana an-tsoratra ny fiainanao feno pentimpentina.

Tena marina ve izany? Minoa ny tenin’Andriamanitra manome antoka antsika hoe: “Koa satria isika manana Mpisoronabe lehibe izay lasa namaky ny lanitra dia Jesôsy Zanak’Andiamanitra, aoka isika hiazona ilay efa nekentsika. Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika kanefa tsy tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana isika mba ahazoantsika famindrampo sy ahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.” Heb.4:14-16

Ny hafatra faran’i Ellen White nosoratana tamin’ny 1914 dia navantana tamin’ny olona iray izay nanahy sy natahotra ny amin’ny fanekan’i Jesosy azy ireo. Izao no nosoratany: “Tombontsoanao ny matoky ny fitiavan’i Jesôsy ho famonjena amin’ny fomba feno azo antoka ary mendrin-kaja; hilaza hoe tia ahy Izy, mandray ahy Izy; hahatoky Azy aho satria nanome fiainana ho ahy Izy. (Testimonies to Ministers, 9. 517).

Fanomezan-toky manao ahoana re izany!

Tena azo antoka! Ny seza fiandrianana’Andriamanitra avy any an-danitra dia seza fiandriananam-pahasoavana. Ny fahasoavan no fanantenantsika velona; Ny fahasoavana no famonjena antsika.

Vaovao mahafaly izany: tonga ny andro fitsarana deraina Andriamanitra!


* Avy ao amin’ny James Russell Lowell, “The
Present Crisis,” 1844.
         
Fanontaniana fampieritreretana sy hifanakalozan-kevitra

1. Amin’ireo tsy rariny marobe eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, iza no tena mila fanintsiana? Manomeza lisitra dimy farafahakeliny.

2. Inona no mitahiry anao hanana fanantenana sy hanana fijery miabo na dia eo aza ireo faharatsiana, herisetra, kolikoly izay mahazo laka eto amin’izao tontolo izao?

3. Amin’ny fomba manao ahoana no ahafahan’ny fiangonana hirotsaka an-tsehatra amin’ny fampivoarana ny rariny sy hitsiny eto amin’ity izao tontolo izao izay miandry ny fiverenan’i Kristy ity?

Suivant


WILLIAM G. JOHNSSON : IZY NO NANORATRA NY HAFATRA REHETRA HO AMIN'NY HERINANDRO FIARAHA-MIVAVAKA TAMIN'ITY TAONA ITY, MANANA NY MARI-PAHAIZANA "DOCTORAT EN PHILOSOPHIE" TONIAN'NY GAZETY BOKY "REVUE ADVENTIST" SY "ADVENTIST WORLD" TEO ALOHA. EFA MISOTRO RONONO, MANANTATERAKA NY ASA FANAMPIANA NY FILOHA EO AMIN'NY FIFANDRAISANA ARA-PINOANA AO AMIN'NY FOIBE MANERAN-TANY.

Awr logo

Podcast

Retrouvez-nous sur Facebook