Union des Fédérations de l'Océan Indien | IOUC
Alarobia
Ilay Mpanalalana

EO AN-TANANY NY FAMONJENA ANTSIKA

Tamin’ny 12 Oktôbra 2010, dia niara-nitaintaina izao tontolo izao tamin’ny ezaka famonjena aina feno fahasahiana fara tampony. Sivy amby enimpolo andro
talohan’izany dia nisy lehilahy 33 voahidy tany amin’ny 610 metatra ambanin’ny tany, tao amin’ny toerana fitrandrahana vato sy volamena izay niasan’izy ireo, tany Chilie. Nandritra ny herinandro maromaro, ireo mpamonjy voina dia nihady lavaka ho famonjena, izay nihananakaiky kokoa ireo mpitrandraka vato voahidy tany ambanin’ny tany, ary dia nanomana fitaovana famonjena miendrika capsule manana savaivo mirefy 70 sm teo ho eo izy ireo. Indro fa nahatratra ireo mpitrandraka vato ny lavaka lalina natao ankehitriny.
Hahomby ve izany tetika izany?
Nahasarika ny sain’ny olona na taiza na taiza ny tantaran’ireo mpitrandraka vato sy ny ezaka famonjena azy ireo. Tafangona teo amin’ilay toerana avokoa ny ekipan’ny fahitalavitra avy amin’ny firenena mihoatra ny 200, ao anatin’izany i Kôrea Avaratra. Ny filohan‘i Chilie, Sebastián Piñera, dia niandry mba hiarahaba ireo lehilahy ireo rehefa mivoaka avy ao amin’ny fonja mivaivay nisy azy ireo. Taorian’ny misasakalina, dia niova ho fifaliana ny fiandrasana raha nitondra ny mpitrandraka vato voalohany nivoaka ho etỳ ivelany ilay fitaovam-pamonjena. Nirehitra ny jirobe mandefa taratra manjelanjelatra, nisy mpitsoka mozika nanao ny hiram-pirenena “Chilien,” nisy fifamihinana nifanaovana, nirotsaka ny ranomasom-pifaliana. Nandritra ny 21 ora manaraka, dia niampy hatrany ireo lehilahy tafavoaka mandra-pahatongan’izy 33 tetỳ ivelany teo amin’ny vady aman-janany.
Fotoana nahafinaritra tokoa izany, fiovana kely teo amin’ireo vaovao ratsy filazan’ny gazety matetika. Kanefa tsinontsinona izany raha ampitahaina amin’ilay andro anankiray nampitaintaina ny lanitra manontolo.

Taloha elabe dia nihantona teo amin’ny mizana fandanjana ny ho anjaran’izao tontolo izao manontolo fa tsy ny an’ny lehilahy 33 fotsiny ihany. Isika koa dia voagadra, latsaka ao amin’ny lavaka feno ota izay tsy misy fomba azo ialana ary tsy misy fanantenana. Kanefa ny Zanak’Andriamanitra, namakivaky ny lalany teo anivon’ny vaton’ny fahadisoam-panantenana, dia nanatanteraka asam-pamonjena feno fahasahiana. Rehefa nahatratra ny fara tampony ny asany ary niatrika ny fijaliana tao Getsemame sy ny henatra tao Kalvary Izy, dia nijery tamim-pahagagana sy tamin-tahotra izao tontolo izao.
Izao no nosoratan’i Ellen White: “Liana indrindra ireo izao tontolo izao tsy lavo sy ny anjelin’ny lanitra raha hifarana ny ady. Satana sy ny fitambaran’ny ratsy, ireo legiona nihemotra, dia niambina fatratra ity zava-tsarotra lehibe teo amin’ny asan’ny fanavotana ity. Samy niandry ny herin’ny tsara sy ny ratsy hahita izay ho valin’ny vavaka naverin’i Kristy intelo. Nirin’ny anjely mafy ny hampahery Ilay Andriamanitra ory indrindra, nefa tsy azo natao izany. Tsy nisy lalana azon’ny Zanak’Andriamanitra nidifiana. Tao amin’ity zava-tsarotra nampihorohoro ity, rehefa nifamahofaho be ihany ny zavatra rehetra, rehefa nangovitra teo amin’ny tànan’Ilay ory indrindra ilay kapoaka mifono zavatra saro-pantarina, dia nisokatra ny lanitra, ary nisy fahazavana namirapiratra teo amin’ny haizina nisafotofoto tamin’ny ora mafy indrindra, ary ny anjely mahery izay mijoro eo anatrehan’Andriamanitra, mitana ny toerana nahalavo an’’i Satana, dia tonga teo anilan’i Kristy.” - Ilay Fitiavana Mandresy, tt.744-745 (The Desire of Ages, t. 693).

Ilay Anankiray dia Iray Ihany

Endrey, mpamonjy manao ahoana re i Jesôsy! Satria tonga olombelona tokoa Izy, naka ny nofontsika sy rantsika, dia tonga Mpisoronabentsika Izy, Ilay mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny olona. Izy no ilay Andriamanitra-olombelona, nampitohy tamin’ny alalan’ny tenany ny hantsana nanelanelana ny lanitra sy ny tany izay napetrak’ireo ray aman-drenintsika voalohany.

Nanondro Azy ny fitoerana masina teto an-tany. Ireo asa fanompoana tao dia nifototra tamin’ny fanatitra sy ny mpisorona. Ny ran’ireo zanak’ondry, osilahy, ombilahy, izay natolotry ny mpanota mibebaka, dia nanondro mialoha an’i Jesôsy, ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Ary ny asa fanompoan’ny mpisorona - indrindra ny mpisoronabe, izay hany nahazo alalana hiditra ao amin’ny efitra masina indrindra amin’ny andro iray ao anatin’ny taona, ny Andro Fanavotana - dia mampiseho mialoha ny asa fanompoana lehibe kokoa hataon’Ilay Andriamanitraolombelona any amin’ny fitoerana masina any an-danitra.

“Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,” - 1 Tim. 2:5, hoy ny nosoratan’i Paoly. “Ary noho izany dia Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ny fahotana natao tamin’ny fanekena voalohany, mba hahazoan’izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.” - Heb. 9:15.Mpanalalana iray - iray ihany! Tsy misy hafa afaka mampitohy ny lanitra sy ny tany. Tsy misy hafa afaka mamela ireo fahotantsika.

 

Tsy misy hafa afaka na tokony hanambara ho an’ny tenany izay zavatra azon’i Jesôsy irery atao.

Tsy mila miaky ny fahotantsika amin’ny olombelona malemy izay milaza ny tenany ho mpanelanelana ho antsika, hitondra ny fitarainantsika eo amin’Andriamanitra isika. Tsia! “Dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika - dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao.” - 1 Jao.2:1,2.

Ny Mpanalalana antsika any an-danitra dia Ilay Iray mahafantatra ny adintsika. Efa teo Izy, niatrika izany. Nijaly sy nalaim-panahy Izy.

Nahatsapa ny gindin’ny alahelo, ny fanindronan’ny fandavana. Na inona na inona mety hiseho amintsika - dia efa nandramany avokoa.
Amin’ny fomba mahafinaritra no amelabelaran’ny bokin’ny Hebreo ny fahamarinan’i Jesôsy amin’ny maha-Mpisoronabentsika Azy. Ao amin’ny toko voalohany, dia asehony fa tena Andriamanitra Izy, ambony noho ny anjely. “Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny (...)” “Fa ny Zanaka dia nilazany hoe: ‘Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria.(...)’” - Heb. 1:3,8.

Ireo Vokatra Mahagaga

Aoka ny fahamarinana mamirapiratra hanenika antsika: amin’ny fanatonantsika an’i Jesôsy, dia manatona an’Andriamanitra isika.
I Jesôsy dia tsy dingana arahina eo an-dalana manelanelana ny lanitra sy ny tany; Izy no Andriamanitra.

Ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra manontolo, dia izany i Jesôsy; nisy hatramin’izay, ka ho mandrakizay.
“Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.” - Jao. 1:1.
Tia antsika loatra i Jesôsy, ka izany no iantsoany antsika hoe sakaizany (Jao. 15:14,15, tahaka an’i Abrahàma tao amin’ny Testamenta Taloha izay nantsoina hoe “sakaizan’Andriamanitra” (2 Tant. 20:7).
Afaka manatona amin’ny fifandraisam-pisakaizana sarobidy eo Aminy isika, kanefa aoka tsy hohadinointsika na oviana na oviana ny maha-Izy Azy - Andriamanitra!
Amin’ny vavaka ataontsika, ny hirantsika, ny resaka rehetra ataontsika momba an’i Jesôsy, dia tsy tokony horaisintsika velively ho toy ny “namana tsotra” Izy, mitovy amintsika.
Andeha hiverina ao amin’ny bokin’ny Hebreo: araka ny fanambaran’ny toko 1 an’i Jesôsy ho tena Andriamanitra, ny toko 2
kosa dia maneho Azy ho tena olombelona.
“Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fanandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.” - Heb. 2:14,15.
Eto indray - ilay asam-pamonjena lehibe. Tsy naniraka olon-kafa i Jesôsy, Izy Tenany mihitsy no tonga satria tsy misy hafa afaka manao izany asa izany. Tonga anankiray niaraka tamintsika Izy, niditra tao amin’ny loza mampahatahotra indrindra nahalavo antsika - ny fahafatesana. Niditra tao amin’ny fanjakan’ny fahafatesana Izy ary nandrava ny heriny, sy nanapotika ny tahotra entiny. Nitsangana tamin’ny maty Izy, namela ny fasana ho foana!
Tena Andriamanitra, tena olombelona - i Jesôsy no Andriamanitra-olombelona, tena manokana eto amin’izao tontolo izao. Koa noho izany dia tonga Mpisoronabentsika Izy, manao asa fanompoana any amin’ny fitsarana any ambony: “Koa amin’izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.” - and. 17.

Nandritra ny tantaran’ny olombelona ary mandraka ankehitriny, dia nahatsapa ny ilàna mpisorona ny lehilahy sy vehivavy. Amin’ny fahatsapana ny tsy fahamendrehany, dia nanatona olombelona hafa izy ireny, izay noheveriny fa akaiky kokoa an’Andriamanitra ary noho izany afaka mitondra ny vavak’izy ireo sy ny zavatra hafa ilainy amin’ny fomba azon’Andriamanitra ekena. Raha ny marina anefa, dia tsy nisy, ary tsy misy afa-tsy Mpisorona iray tena izy, Ilay Andriamanitra-olombelona, no mitondra antsika amin’ny Tenany ho eo anatrehan’Andriamanitra.

Ireo hafa rehetra dia mpisorona tandindona fotsiny. Izy ireo aza dia nitsangana, ary mitsangana, amin’ny filàna Mpanalalana, dia i Jesôsy Kristy.

Izany no antony nahatonga ny mpisoronabe tao amin’ny fitoerana masina tetỳ an-tany “(…) hanao fanatitra hanafaka ota ho an’ny tenany, toy ny ataony ho an’ny olona ihany.” - Heb. 5:3.

Ny fampianaran’i Jesôsy amin’ny maha-Mpisoronabentsika Azy any amin’ny

  fitoerana masina any an-danitra, dia fahamarinana sarobidy nomena ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito hozaraina amin’izao tontolo izao. Amin’ny maha-izy azy, dia manome antoka amin’ny sehatra efatra lehibe izany:

1. Ny maha-zava-misy ny fanantenantsika. Ho an’ny Kristianina maro ankehitriny, dia lasa nanjavona tsy ho toerana tena misy ny lanitra.
Na ny mpitandrina sasany aza dia tsy mino intsony ny fiainana aorian’ny fahafatesana; hazonin’izy ireo ny hevitra fa ny tsy fahafatesana dia ny fiainana miampita ao amin’ny zanaka sy ny zafikely. Kanefa ny asa fanompoana mitohy ataon’i Jesôsy, dia manome antoka fa tena misy ny lanitra, ary ho avy indray Izy handray antsika ho any Aminy. “Ary amin’izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo Indrindra any an-danitra, Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin’ny Tompo, fa tsy olona.” - Heb. 8:1,2.
2. Ny maha-zava-misy ny famelan-keloka. Na manao ahoana na manao ahoana izay mety hambaran’ny fihetseham-pontsika, dia manana Mpanalalana isika Izay “(...) velona mandrakizay hanao fifonana (...)” - Heb. 7:25, ho antsika.
Mihelina ny fihetsehampo, fa i Jesôsy kosa tsy mihelina. Na dia tsy azo itokiana aza ny hafa rehetra, “(...) dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.” - 2 Tim. 2:13.
3. Toerana vonona handray antsika ny Lanitra.
Antsika izany: tsy manatona amim-pisalasalana na amin-tahotra isika, toy ny mamoriporitra ny satroka eny an-tanana. Eo i Jesôsy mijoro ho antsika; manao izay ahazoantsika aina. “Koa satria isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak’Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika. Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika - kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.” - Heb. 4:14-16.
4. Toeran’ny hery ny fitoerana masina. Tsy hoe mahafantatra fotsiny ny adintsika sy maneho firaisam-po amintsika amin’izany i Jesôsy; fa manome antsika hery handresena Izy: “Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaimpanahy koa Izy.” - Heb. 2:18.
Ry namako malala, fantatrao ve fa manana Mpanalalana ianao, dia Ilay Iray mijoro eo amin’ny fitsaran’ny lanitra? Na nanao ahoana na ahoana ny fiainanao lasa, na lavitra nanao ahoana aza no efa nandaozanao ny zavatra kendren’Andriamanitra ho an’ny fiainanao, dia manaiky anao Izy. Zananilahy, zananivavy hianao. Manatòna Azy ary apetraho eo Aminy ny fanahianao rehetra; horaisiny ireny ary homeny fiadanana ianao.
Nandritra ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona teo amin’ny famaranana ny fivoriana’ireo mpitarika Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, dia nanambara ny tantarany manokana mampihetsi-po ny mpitantana asa iray. Fito volana talohan’izao dia nidina tamin’ny fiara-manidina tao Los Angeles, Californie izy sy ny vadiny. Raha nandeha ho eny amin’ny latabatra fanaovana famandrihan-toerana amin’ny fiarakodia izy ireo, dia nahatsapa fanaintainana mafy tao amin’ny tratrany izy. Tsentsina tanteraka ny lalan-dra lehibe tao amin’ny fony; efa mila ho faty izy. Ny vadiny, izay mpitsabo mpanampy, dia niantsoantso tamim-pamoizam-po raha misy olona manana “aspirine.” Soa ihany, fa nitondra “aspirine” tany am-paosiny ny iray tamin’ireo olona nanatrika tamin’io maraina io, dia nomeny azy izany. Na dia izany aza, dia nitsahatra tsy nitepo intsony ny fon’ilay pasitora; nanao CPR (fomba famelomana amin’ny alalan’ny fanisiana fofon’aina eo amin’ny vava sy orona) ny vadiny ary namerina azy tamin’ny fiainana.
“Fantatrareo ve hoe manao ahoana izany ho faty izany?” hoy izy nanontany ireo mpanatrika izay nijery tsara. Raha nihantona teo anelanelan’ny fiainana sy ny fahafatesana izy, ny hany azony neritreretina dia izao: “Tsy misy na inona na inona entiko etỳ an-tànako, ny hazo fijaliana ihany no hofikiriko.” (Augustus M. Toplady). “Raha tsy velona hahita ny fiverenan’i Jesôsy eny amin’ny rahon’ny lanitra aho, raha tsy maintsy hiditra ao amin’ny rano mangatsiaky ny fahafatesana aho, aoka ny eritreritro farany tsy hiova. I Jesôsy, i Jesôsy irery ihany; Izy irery no hany ananantsika amin’ity fiainana ity; Izy irery no hany ilaintsika amin’ny fiainana ho avy. Izy no Mpamonjintsika, Tompontsika, Sakaizantsika, Mpanjaka ho avy - ary Mpanalalana antsika.


         
Fanontaniana fampieritreretana sy hifanakalozan-kevitra

1. Midika inona ho anao ny hoe “iray amintsika” i Jesôsy? Inona no fahasamihafana entin’izany eo amin’ny fiainanao?

2. Amin’ireo zava-misy efatrab tanisain’ny mpanoratra - fanantenana, famelan-keloka, lanitra, hery - iza no tena manan-danja ho anao amin’izao fotoana izao eo amin’ny fanandramanao ara-panahy?

3. Oviana no tena nahatsapanao fa ny fanantenana tokana ho famonjena anao dia ny fifandraisanao amin’i Jesôsy? Inona no toe-javatra nahatonga izany fahatsapana izany?

Suivant


WILLIAM G. JOHNSSON : IZY NO NANORATRA NY HAFATRA REHETRA HO AMIN'NY HERINANDRO FIARAHA-MIVAVAKA TAMIN'ITY TAONA ITY, MANANA NY MARI-PAHAIZANA "DOCTORAT EN PHILOSOPHIE" TONIAN'NY GAZETY BOKY "REVUE ADVENTIST" SY "ADVENTIST WORLD" TEO ALOHA. EFA MISOTRO RONONO, MANANTATERAKA NY ASA FANAMPIANA NY FILOHA EO AMIN'NY FIFANDRAISANA ARA-PINOANA AO AMIN'NY FOIBE MANERAN-TANY.

Awr logo

Podcast

Retrouvez-nous sur Facebook