Union des Fédérations de l'Océan Indien | IOUC
Talata
Indro, ny Zanak'ondrin'Andriamanitra

IZY IRERY NO AFAKA MANOME IZAY ILAINTSIKA

“Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” - Jao. 1:29.

Manondro ny ivon’ny iraka nataon’i Jesôsy io fanambaran’i Jaona Mpanao Batisa io. Mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra natao hotanterahiny - hampahafantatra ny toetran’Andriamanitra, hitady sy hamonjy ny very, hitory ny vaovao mahafaly, sy ny hafa maro koa - dia tonga Izy mba ho Sorona araka an’Andriamanitra ho an’ny fahotana.

Efa maneho mialoha ny tanjon’ny asa fanompoana hataon’i Jesôsy mihitsy ny anarany. Mialoha ny nahaterahany, dia nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa, izay nivoady fa hampakatra an’i Maria ho vady, ary nilaza taminy nanao hoe: “ka hiteraka zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.” - Mat. 1:21.

“Jesôsy” no teny Grika hilazana ny hoe Josoà, izay midika hoe “mamonjy ny Tompo.”

Taty aoriana ny anaram-boninahitra hoe “Kristy” dia natambatra tamin’ny anarana nomena Azy; midika hoe “ilay Voahosotra,” dia ny “Mesia” izany. Koa noho izany, rehefa milaza isika hoe “Jesôsy Kristy,” dia milaza marimarina isika hoe: Mesia-Mpamonjy, na ilay Mesia izay mamonjy. Ny mampalahelo amin’ny olona an-tapitrisany ankehitriny, ny hoe “Jesôsy Kristy” dia tsy mihoatra ny fanamavoana fotsiny. Tena kely loatra ny fahatakaran’izy ireo ny hevitry ny teny, rehefa manonononona foana ny Anarany izy ireo!

Izany no ataon’ilay ratsy, ilay fahavalon’i Jesôsy ao amin’ny fifanandrinana lehibe amin’ny tsara sy ny ratsy, mitady hampivily ny eritreritra amin’ny asam-pamonjen’i Jesôsy!

Ny Zava-nokendreny Araka an’Andriamanitra

Nateraka mba ho faty i Jesôsy. Ho an’ny ankamaroan’ny olona dia ny fahafatesana no farany, ilay ampahany mampalahelo amin’ny tantara an-tsehatry ny fiainana. Fa tsy izany kosa ho an’i Jesôsy: ny fahafatesana no faratampon’ny fahatongavany teto an-tany.

Amin’ny alalan’ny fahafatesany no hamonjeny izao tontolo izao. “Ary Izaho raha asandratra hiala amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona ahy” - Jao. 12:32, hoy Izy. Ary koa: “(…) tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.” - Jao. 3:14,15.

Nantenain’ny olona fa ho menatra ny fahafatesany ny mpanara-dia an’i Jesôsy. Ny fanomboana amin’ny hazo fijaliana mantsy no fomba fahafatesana ratsy indrindra: izany dia famonoana mizotra miandalana, mampijaly, atao amin’ny toerana am-pahibemaso. Natokan’i Rôma ho an’ireo olo-meloka ratsy indrindra izany; tsy misy olom-pirenena rômanina aza melohina ho faty amin’izany fomba izany. Tsy olom-pirenena rômanina i Jesôsy; azo natao ny nanombo Azy ka dia nohomboana tamin’ny hazo fijaliana Izy. Endre, hatraiza no nidinan’i Jesôsy mba hahazoany mamonjy antsika! Toy izany no nanoratan’ny Apôstôly Paoly hoe: “(...) nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana!” - Fil. 2:8.

Kanefa tsy menatra ireo Kristianina voalohany. Tsy niezaka velively hanafina ny fomba nahafatesan’i Jesôsy izy ireo; tsy nahasaikatra azy ireo izany; tsy nanao fialantsiny noho izany izy ireo. Fa ny mifanohitra amin’izany aza, notorin’izy ireo tamin-kasahiana izany: “(…) fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo” - Asa. 4:10; “fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena, fa izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana,

 

dia fahatafintohinana amin’ny Jiosy ary fahadalana amin’ny jentilisa.” - 1 Kôr. 1:22,23); “Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay naha-voahombo izao tontolo izao tamin’ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’izao tontolo izao.” - Gal. 6:14.

Toy izao no fanazavan’i Ellen White ny asam-pamonjena nataon’i Kristy: Izy irery no afaka manome izay ilaintsika. “Izay mendrika antsika no natao tamin’i Kristy, mba ho azo atao amintsika kosa izay mendrika Azy. Nomelohina noho ny fahotantsika izay tsy nananany anjara akory Izy, mba hahazoantsika hamarinina amin’ny alalan’ny fahamarinany izay tsy ananantsika anjara akory. Niaritra ny fahafatesana izay anjarantsika Izy, mba hahazoantsika mandray ny fiainana izay Azy. ‘Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika’” - Ilay Fitiavana Mandresy, t.16 (The Desire of Ages, t. 25).

Ireo Fanantenana Diso

Tsy nahatakatra avy hatrany ny zavatra nokendren’Andriamanitra tao ambadiky ny fahafatesan’i Jesôsy ny olona. Rehefa niteny araka ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra i Jaona Mpanao Batisa ka nanambara hoe: “Indro, ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” - Jao. 1:29, dia nety ho nisalasala ny amin’izay hevitr’izany ireo izay nandre azy. Nandritra ny asa fanompoan’i Jesôsy, izy 12 lahy dia nanantena Azy hanao ny asan’ny Mesia ara-pôlitika, ilay iray izay hanafaka ny Jiosy amin’ny ziogan’ny Rômanina. Nahita fanambarana mialoha tsy dia mazava loatra momba ny fijaliany sy ny fahafatesany any Jerosalema izy ireo (Mat. 16:21-23; 20:17-19).

Taorian’ny fitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty ihany vao nanomboka nahafantatra ny hevitry ny hazo fijaliana araka ny nokendren’Andriamanitra ireo mpanaraka Azy. Nanomboka nidina ny hazavana teny an-dalana ho any Emaosy: “Ary hoy Izy taminy: ‘Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ny mpaminany. Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ny voninahiny? Dia nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra.” - Lio. 24:25-27.

Eo amin’ny fahazavan’i Kalvary no ahitantsika mazava kokoa ireo ampahan’ny Testamenta Taloha, tsy misy an’i Jesôsy, izay mety hampisalasala sy hampahatahotra antsika.

Ny asa fisoronana tao amin’ny fitoerana masina, ohatra: Inona no anton’ireo famonoana biby tsy manan-tsiny be dia be ireo? Inona no anton’ireo ra be dia be
nalatsaka? Raha mitodika mijery ny fanaovana fanatitra amin’ny alalan’ny fitaratry ny hazo fijaliana isika dia mahatsapa fa nampiasaina ho fampianarana araka an’Andriamanitra izany. Nampianatra ny Isiraelita izany fa vidina lafo ny fahotana - tsy zavatra maivamaivana izany; ary amin’ny alalan’ny fandatsahana aina irery ihany no ahazoana miatrika ny fahotana, araka ny fanazavan’ny bokin’ny Hebreo manao hoe: “(...) fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.” - Heb. 9:22.

Ilay tranolay tany an’efitra sy ny Tempoly taty aoriana dia manondro ny famonjena noho ny fahasoavana tamin’ny fotoana sy toerana manokana. Ny olona izay nalahelo noho ny fahotany, dia nahita fiadanana tamin’ny fanaovana izay nasain’ny Tompo natao, fa tsy tamin’ny fanarahana ny fizotry ny zavatra tiany hatao samirery.

Kanefa ny fanatitra biby dia tsy afaka manome fanavotana. “Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ran’osilahy.” - Heb. 10:4. Ny fahafatesan’i Jesôsy Kristy, ilay Andriamanitra-olombelona, irery ihany no manafaka tanteraka ny fahotana. Noho izany, ny zanak’ondry tsirairay, na ny biby hafa nentin’ny olo-meloka ho fanatitra dia nanankery satria noho ilay fanatitra nataon’ny Zanak’Ondrin’Andriamantira izay asehon’izy ireny.

 

Noho i Kalvary, dia manomboka mahatakatra ny tantara mahagaga sy mahasanganehana ao amin’ny Gen. 22 isika – dia ny tantaran’i Abrahàma sy Isàka teo an-tendrombohitra Moria. Nanelingelina ny mpandinika ny Baiboly nandritra ny fotoana ela io tantara io, na Jiosy izany na Kristianina. Indro i Jehôvah mibaiko ilay ray antitra: “Ento ny zanakao, izay tianao, dia Isaka, ka makanesa any amin’ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra odorana ao amin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.” - and. 2.

Ahoana no ahafahan’Andriamanitra fitiavana hanome baiko toy izany? Toy ny hoe tenin’ireo andriamanitra jentilisa izay notompoin’ireo mponina tao Kanàna izany. Nanao fanatitra olombelona izy ireo, nefa i Jehôvah dia nandrara ny zanak’i Isiraely tamin’ny fomba hentitra mba tsy hanao ny fomba araka an’i Satana fanaon’izy ireo: “Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an’i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.” - Lev. 18:21.

Tsy maintsy nanindrona ny fon’i Abrahàma toy ny sabatra izany baiko izany. Kanefa nahita finoana izy ka dia nandroso. Tsy nahatakatra izay dikany izy, kanefa niara-nandeha tamin’Andriamanitra nandritra ny fotoana ela izy ka tsy afaka ny tsy hankatò Azy ankehitriny.

 

Rehefa nametraka ity fanontaniana manindrona ny fanahy ity ilay zazalahy nanao hoe: “(...) Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra?”, dia hoy Abrahàma: “Anaka, Andriamanitra no mahita izay ondry hatao fanatitra odorana.” - Gen. 22:7,8.

Ary nanome tokoa Andrimanitra. Rehefa nanainga ny antsy hamonoana ny zanany lahy i Abrahàma, dia niantso azy ny anjelin’ny Tompo mba hanajanona izany. “Ary i Abrahama niherika nijery, ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony(…)” - and. 13. Efa teo izy io nandritra izany fotoana rehetra izany, kanefa ilay ray nijaly tam-panahy dia difotry ny alahelo be loatra ka tsy nahamarika izany.

Nantsoin’i Abrahàma hoe Jehôvah jire izany toerana izany, izay midika hoe: “Jehôvah no hanome.” Arivo taona teo ho eo taty aoriana, rehefa nanorina ny Tempoly ny Mpanjaka Sôlômôna, dia nataony teo amin’izany toerana izany, teo an-tendrombohitra Moria (2 Tant. 3:1). Ary arivo taona teo ho eo taty aoriana koa no nahafatesan’i Jesôsy teo akaikin’izany toerana izany. Ilay Andriamanitra izay nanome ho an’i Abrahàma dia nanome ho an’ny olombelona rehetra.

Farany, amin’ny alalan’ny fahazavan’i Jesôsy, ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra, dia afaka mahatakatra ny hevitry ny Isa. 53 isika.

 
Indro ilay Anankiray izay “(...) tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina (...)” - and. 7, izay “(...) voalefona noho ny fahadisoantsika, sy notorotoronina noho ny helotsika; ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy, ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny làlantsika avy isika rehetra; ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.” - and. 5,6).

Ry namako, ireo fahotana nozakainy dia ny fahotako - sy ny fahotanao. Tsy mba tianao ve Izy, io Jesôsy, Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay maty teo amin’ny toeranao io?


         
Fanontaniana fampieritreretana sy hifanakalozan-kevitra

1. “Teraka mba ho faty i Jesôsy,” araka ny voalazan’ny mpanoratra. Inona no anjara raisin’ny fiainany sy ireo fampianarany tamin’ny asa fanompoany teto an-tany?

2. Amin’ny fomba ahoana no mampisy fiantraikany eo amin’ny fahatsapanao amin’izao taonjato faha-21 izao ny fanizingizinana ara-Baiboly momba ireo fanaterana ra ho fanatitra? Aoka ho marina sy mahitsy fo hianao amin’ny valin-teninao.

3. Midika inona ho anao ny teny hoe “Jehôvah no hanome”?

Suivant


WILLIAM G. JOHNSSON : IZY NO NANORATRA NY HAFATRA REHETRA HO AMIN'NY HERINANDRO FIARAHA-MIVAVAKA TAMIN'ITY TAONA ITY, MANANA NY MARI-PAHAIZANA "DOCTORAT EN PHILOSOPHIE" TONIAN'NY GAZETY BOKY "REVUE ADVENTIST" SY "ADVENTIST WORLD" TEO ALOHA. EFA MISOTRO RONONO, MANANTATERAKA NY ASA FANAMPIANA NY FILOHA EO AMIN'NY FIFANDRAISANA ARA-PINOANA AO AMIN'NY FOIBE MANERAN-TANY.

Awr logo

Podcast

Retrouvez-nous sur Facebook