Union des Fédérations de l'Océan Indien | IOUC
Alahady
Ireo saha roa

TAO AMIN'IREO NO NIHAONAN'NY FAHOTANA SY NY FANAVOTANA (PAR WILLIAM G. JOHNSSON)

Ny famonjena antsika dia avy amin’ilay  Andriamanitra tena tia antsika loatra ka tsy mitsitsy ezaka atao mba hamerenanana antsika aminy indray. Ny tantaran’izany asam-panavotana izany dia ao amin’ilay ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy ao anatin’ny tantara lehibe  indrindra izay voambara hatrizay, dia ny tantaran’ny taonjato nifandimby. Eo amin’ity tantara ity dia saha roa no maneho ireo vanim-potoana manan-danja indrindra. Avy amin’ilay saha voalohany no isehoan’ny fahotana, ny fahaverezana, ny henatra, ary ny fahafatesana. Avy amin’ilay saha faharoa kosa no mikoriana ny fanantenana, fifaliana, ary fiainana. Napetrak’Andriamanitra ilay saha voalohany. Edena izany, izay tsara tarehy sy tonga lafatra. Ary tao amin’io tontolo tsy misy kilema io no nametrahan’Andriamanitra ny taranak’olombelona voalohany, izaynataon’ny tanany mihitsy (Gen 2:8,9), ary tao ihany koa no nifandraisany tamin’izy ireo. Tena Paradisa tokoa i Edena, izay paradisan’ny tsy fahamelohana.

Tsy nanana ota i Adama sy i Eva, saingy toy ny ankizy. Tsy mbola nampitombo toetra izy hatramin’izao: tsy mbola nanao safidy. Ary tsy ho ela dia hapetraka manoloana azy ireo ny safidy


Ny fidiran’ny ratsy

Tao ambadiky ny fahatonian’ny saha no nisy endrika ratsy iray niafina. Ny faharatsiana izay zavatra ivelan’ny fanandraman’i Adama sy i Eva  mihitsy dia tsy lavitra akory. Anjely lavo iray izay fantatra taloha tamin’ny hoe Losifera, ilay kintan’ny maraina, nefa ankehitriny antsoina hoe Satana, ilay mpamitaka, dia niandry ny fotoana hahazoany manao zavatra.

Tsy fantatsika hoe hafiriana ireo ray amandrenintsika no nipetraka tao amin’io saha io. Fa indray andro kosa dia tonga teo ambonin’io Paradisa io ny aloka. I Satana izay nampiasa ilay menarana tsara tarehy dia nandrantiranty teo anoloan’izy ireo ny amin’ny fanandramana manintona vaovao izay mety hahatonga azy ireo ho tahaka an’Andriamanitra mihitsy.

Nametraka fizahan-toetra tsotra momba ny fankatoavana Andriamanitra. “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao” - Gen 2:16,17. Kanefa hoy ny menarana: “Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananreo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy” - Gen 3:4,5.

Efa taona maro no lasa, nefa mbola mbola tonga eo amin’ny olona ihany ankehitriny ny mpaka fanahy amin’ny fomba tahaka izany ihany. Manatsara ny tsy fankatoavana izy, ary manao izany ho toy ny mahasarika. Asehony an-tsary ho toy ny zava-mankaleo ny fijanonana amin’ireo didin’Andriamanitra. Mampanantena fientanam-po sy fanandramana vaovao izy.

Saronany ny lalana mankany amin’ny faharavana izay anasany antsika hidirana ; lalana izay feno fakofako miaraka amin’ireo mpidoroka ao amin’ny fantsona mitondra any amin’ny fanariam-batana.

Mitady mandrakariva ny hampiditra fisalasalana ny devoly. Lazainy ho toetran’Andriamanitra ny tena toetrany ary milaza izy fa maka ny tena toetra  marin’Andriamanitra. Maniry ny tsara indrindra ho antsika Andriamanitra; ary tsy mihazona na inona na inona izay mety hitarika ho amin’ny fahasalamantsika sy ny hasambarantsika. I Satana kosa, etsy ankilany, manolotra ho antsika fonosana feno poizina izay toy ny manintona nefa manimba antsika miandalana sy mamotika antsika.

Mpandainga sy rain’ny lainga i Satana (Jao. 8:44). “Tsy ho faty tsy akory ianareo”, hoy izy nandresy lahatra an’i Adama sy i Eva.

 

Lainga goavana anefa izany. Maty izy ireo, ary maty ihany koa ny taranany hatramin’izay fotoana izay.

“Ho tahaka an’Andriamanitra ianareo”, hoy ny toky omeny, kanefa fanomezan-toky tsy afaka notanany akory. Niezaka ny ho tahaka an’Andriamanitra tany an-danitra (Isa. 14:13; Ezek 28:2-5), nefa ny nofinofiny dia nitarika ho amin’ny fanesorana azy tany an-danitra. Andriamanitra irery ihany no afaka ho Andriamanitra.

Izy no Mpahary ny zavatra rehetra, na  anjely na olombelona. Tsy afaka ny ho Mpahary velively ny voary. Nanao ny lehilahy sy vehivavy araka ny endriny Andriamanitra mba hiaina ao Aminy sy hanolotra fankatoavana feno fitiavana.  Ao amin’Andriamanitra irery ihany no ahitantsika ny tena maha-isika antsika. “Nataonao ho Anao izahay, Tompo ô, ary tsy hanam-pitsaharana ny fonay mandra-pahitany ny fitsaharany eo aminao.” Hoy i Augustine manambara izany.

Tsy voahevitry ny saina ny fahotana , satria ny hadalana ambony indrindra izany. Manakatra ny tsy azo tanterahina izany, dia ilay ho tahaka an’Andriamanitra. Manaisotra ny foto-pisiantsika ilay namboarin’Andriamanitra izany, dia ny  miankina tanteraka aminy isaky ny misefo.

Ankehitriny anefa dia firifiry akory ireo lehilahy sy vehivavy izay manaraka ny dian’ireo ray aman-drenintsika voalohany! Ny ankabeazan’ny olona dia mitondra ny takaitran’ny fanintonan’ny mpaka fanaky. “Ho tahaka an’Andriamanitra ianao” amin’ny fanesorana an’Andriamanitra tsy ho ao amin’ny fisainan’izy ireo, amin’ny fandavana ny fisiany na fandavana Azy tsotra izao. Ireo vokatry ny fahalavoana
Nanomboka niseho avy hatrany ny vokatry ny fahalavoana. Taorian’ilay firehetan’ny fahafinaretana voalohany, dia nanomboka nahatsapa fahamenarana ireo ray aman-drenintsika voalohany (Gen. 3:7). Rehefa nandre an’Andriamanitra nanatona tao amin’ny saha izy ireo dia nahatsapa fahamelohana ary niezaka ny hiafina (and. 8). Tsy afaka niafina an’Andriamanitra anefa izy ireo, tahaka ny tsy fahafahantsika miafina ihany koa ankehitriny. Nanomboka nifanome tsiny izy ireo noho ny tsy fankatoavany: “Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo ka dia nihinana aho” - and. 12, hoy i Adama nitaraina.

Moa ve mahazatra izany? Manome tsiny ny hafa, manome tsiny an’Andriamanitra
mihitsy aza, fa tsy manaiky ny fahadisoanao.

Dia toy izany ihany koa i Eva: “Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho” - and. 13, niezaka ny hiaro tena izy. Io fiezahana hanilika ny tsiny amin’ny hafa sy hanamarina ny zavatra nataony io dia marefo tahaka ilay fitafiana vita tamin’ny ravin’aviavy izay nozairin’izy ireo mba handrakotra ny fitanjahany. Ary mandraka ankehitriny dia mihanaka ny fialan-tsinin’ny ravin’aviavy sy ny fanamarinan-tena. Rehefa izany dia nasehon’Andriamanitra an-tsary ny hoavy izay manoloana azy ireo. Hanjary ho voaroaka hiala amin’ny Paradisa izy ireo ka ho any amin’ny fiainana feno asam-pahoriana. Hatramin’izao dia haniry tsilo sy hery ny voary. Hanjary hitera-jaza ao anaty fahoriana i Eva, ary aorian’ny fotoam-pahavelomany feno tolona mba hahazoana ny haniny isan’andro vokatry ny hatsembohan’ny tavany, dia hiverina ho amin’ny vovoka izay nanamboaran’Andriamanitra azy izy ireo (and. 16-20). Hoy I John Milton, ilay pôeta iray nanoritsoritra ny fotoana farany tao Edena ao amin’ilay sangan’asany “Ilay Paradisa very”: “Teo anoloan’izy ireo izao tontolo izao,ka  hisafidy ho aiza, Ny toeram-pitsaharana sy feno ny rehetra hitari-dalana azy, Nanalavitra moramora nifampitantana anefa izy ireo, Ka avy tao Edena no nandia ny lalan-tsamireriny.” Andriamanitra ho amin’ny fanavotana Tsy namela an’i Adama sy i Eva tsy hisy fanantenana anefa Andriamanitra. Eny, fa na dia voaroaka hiala tamin’ny saha aza izy ireo dia tsy mba voaroaka tamin’ny fanatrehany.

 

Na aiza na aiza hitondran’ny fiainana vaovaon’izy ireo azy dia ho eo Andriamanitra.

Andriamanitra aza namela teny fikasana ho azy ireo. Raha mbola tao amin’ny saha izy ireo dia niteny tamin’ny menarana Andriamanitra hoe : “Ampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany, izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahitongony.” - and 15. Tsy fihetsika voajanahary maha-olombelona tsy akory io “fifandrafesana” io. Zavatra apetrak’Andriamanitra ao amintsika izy io, dia tsy inona izany fa ny fahasoavana miasa ao amintsika.

Izao no nosoratan’i Ellen White: “Ny fahasoavana izay apetrak’i Kristy ao amin’ny fanahy no mamorona fifandrafesana ao amin’ny olona amin’i Satana. Raha tsy misy io fahasoavana manova sy manana hery manavao io dia hitohy ho babon’i Satana ny olona ary ho mpanompony vonona hanatanteraka ny lavantiny. Hamorona fifanoherana izay nitoeran’ny fiadanana hatramin’izao kosa anefa ny fitsipika vaovao ao amin’ny fanahy. Mahatonga ny olona ho afaka hanohitra ilay mpanjakazaka sy mpisando-pahefana ny hery izay omen’i Kristy. Na iza na iza hita fa mankahala ny fahotana ka tsy mankamamy izany, na iza na iza manohitra sy mandresy ny filàna izay mihazona azy dia maneho ny asan’ny fitsipika avy any ambony tanteraka. (The Great Controversy, t. 506)

Tonga teo amin’ny fara tampony tao amin’ny Taranaky ny vehivavy ny asan’ny fahasoavana, izay tsy iza fa i Jesôsy Kristy. Teo amin’ny famaranana ny fiainany tsy nisy ota sy ny asampanompoana feno fitiavana nataony, dia nandeha tao amin’ny saha iray izy mba hivavaka, tao amin’ilay sahan’i Getsemane. Novolen’olombelona ity saha ity fa tsy novolen’Andriamanitra. Io no toerana tiany indrindra rehefa mitokana ny Mpampianatra.

Tamin’ilay Alakamisy alina farany teo amin’ny fiainany teto an-tany, niaraka tamin’ny hazo fijaliana miseho manoloana ny tavany, dia nankeo mba hitolona amin’ny Ray i Jesôsy.

Raha nanindry azy mafy ny vesatry ny
fahotan’izao tontolo izao dia nitalaho i Jesôsy nanao hoe: "Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao." - Mat. 26:39. “Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin'ny tany” - Lio. 22:44.

Tao amin’io saha io dia nihantona teo amin’ny lelamizana ny ho anjaran’ny taranak’olombelona. Nila indrindra ny fanohanan’ireo sakaizany akaiky indrindra i Jesôsy, kanefa resin-tory avokoa izy ireo. Nisotro samirery ny kapoaky ny fahoriana Izy. Nisy zava-manan’aina iray hafa koa teo, ilay mpamitaka tany Edena ihany. Ary amin’izao dia maka fanahy an’i Jesôsy izy mba tsy hanatanteraka ny iraka hataony hanavotana izao tontolo izao. “Tsy mendrika izao ataonao izao izy ireo. Tsy misy miraharaha akory na dia iray aza. Jereo anie izy ireo fa matory avokoa e!” Tsy mba toy ireo ray aman-drenintsika voalohany i Jesôsy, fa nandà ny hihaino ilay feo tsy mendrika, ary nandà ny hanisy fisalasalana.

Tamin’ny fanekena ny kapoaka mangidy avy tamin’ny tanan’ny Rainy, dia nandroso nankany Kalvary Izy. Ireo saha roa ireo dia miantso antsika ho amin’ny vavaka fandinihan-tena manoloana ny sandan’ny famonjena antsika. Eo no ahitantsika ny haben’ny fahaverezana, sy ny haben’ny fahasoavan’ny Tompontsika tsara indrindra. Mandrisika antsika i Ellen White mba handalina amim-pitadremana sy hampitaha “ny saha Edena amin’ny fisian’ny loton’ny tsy fankatoavana (…) mitaha amin’ny sahan’i Getsemane izay toerana niaretan’ny Mpanavotra izao tontolo izao ny fialan’aina mihoatra ny an’ny olombelona rehefa navangongo teo aminy ny fahotan’izao tontolo izao” - Manuscript 1, 1892. Haleloia! Mpamonjy tsara loatra re izany!
         
Fanontaniana fampieritreretana sy hifanakalozan-kevitra

1. Inona ilay lainga voalohany nataon’i Satana tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany, ary ahoana ny fomba hiverenan’izany eo amin’ny fiaraha-monina misy anao?

2. Iza amin’ireo vokatry ny fahotana toy ny faharatsiana, aretina, fahantrana, kolikoly, sns, no tena manavesatra anao indrindra? Inona no manohana anao amin’ny tolona ataonao?

3. Nialoha ny nahafatesany ho an’ny fahotantsika dia niaina mba hitahy ny hafa i Jesôsy. Ahoana ny fomba fiahian’ny fiangonany ny hafa eo amin’ny fiaraha-monina misy anao?

 

Suivant


WILLIAM G. JOHNSSON : IZY NO NANORATRA NY HAFATRA REHETRA HO AMIN'NY HERINANDRO FIARAHA-MIVAVAKA TAMIN'ITY TAONA ITY, MANANA NY MARI-PAHAIZANA "DOCTORAT EN PHILOSOPHIE" TONIAN'NY GAZETY BOKY "REVUE ADVENTIST" SY "ADVENTIST WORLD" TEO ALOHA. EFA MISOTRO RONONO, MANANTATERAKA NY ASA FANAMPIANA NY FILOHA EO AMIN'NY FIFANDRAISANA ARA-PINOANA AO AMIN'NY FOIBE MANERAN-TANY.

 

Awr logo

Podcast

Retrouvez-nous sur Facebook