Union des Fédérations de l'Océan Indien | IOUC
Sabata voalohany
Ny Fitoerana Masina, ny Fahasoavana ary ny Saha Edena

TSY TOKONY HIFERIN'AINA NY OLOM-BOAFIDIN'ANDRIAMANITRA

Par TED N.C. WILSON

Rehefa mandre ny teny hoe “fitoerana masina ianao, inona no sary azonao an-tsaina avy hatrany? Moa ve ny tranolay namboarin’i  Mosesy no hitanao? Sa ilay tempoly tsara tarehy namboarin’i Sôlômôna? Na angamba ny fiangonana fandehananao mivavaka miaraka amin’ireo mpino namanao? Ny bokin’ny Genesisy no maneho amintsika ny amin’ilay fitoerana masina tsy manam-paharoa, dia izay tsara indrindra fahita teto amin’ity Planeta Tany ity – Tsy inona izany fa ny Saha Edena. Mba efa nanontany tena ve ianao ny amin’izay antom-pisian’ny fitoerana masina? Indreto misy soso-kevitra vitsivitsy:


1. ny fitoerana masina dia toerana natao hahafahan’ny olombelona mifampiresaka amin’Andriamanitra


2. ny fitoerana masina dia toerana handraisana ireo toromarika ara-pivavahana


3. ary ny fitoerana masina dia toerampialofana.


Hita tao Edena avokoa izany rehetra izany.

Ny Saha Edena

Rehefa noforonina avy teo am-pelatanan’Andriamanitra ny Tany dia indro fa tsara indrindra izany. Ohatry ny fahatanterahana izy. Izao no ambaran’ny bokin’ny Genesisy: «Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany (…)» - Gen 1 :31. Io tontolo tonga lafatra io dia endriky fanehoam-pitiavana. Voasoratra teny amin’ny hazo rehetra, dia ny vatany sy raviny ary ny voniny izany fitiavana izany. Ny zava-manan’aina isan-karazany – ny biby, ny vorona ary ny trondro sy ny zava-manan’aina  rehetra tany anaty rano dia naneho sary kanto tokoa. Ary ny olona izay sangan’asan’ny  famoronany dia natao ho amin’ny fahatanterahana sy ny fahafenoana. Nitondra ny endriky ny mpamorona izy. Feno voninahitra ny toetrany ka tsy mba nirona ho amin’ny ratsy fa nifanaraka tanteraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra kosa. Rehefa vita ny asa famoronana, dia nijery ny asany Andriamanitra ka afa-po. Tapitr’ohatra ny zavatra rehetra satria Andriamanitra tapitr’ohatra no namorona azy. Izao no famaritan’i Ellen White izany: “nijery ny asan’ny tanany tao anatin’ny fahafaham-po tanteraka Andriamanitra. Tapitr’ohatra ny zavatra rehetra, mendrika an’ilay Mpamorona tapitr’ohatra any an-danitra namorona azy ihany. Dia nitsahatra
izy, tsy toy ny olona iray trotraka, fa feno fifaliana noho ny vokatry ny fahendreny sy ny fahatsarany
ary ny fisehoan’ny voninahiny.” - Patriarchs and Prophets, t. 47.

Tao anatin’izany fahatanterahan’ny hakanton’ny famoronana izany dia mbola naneho fitiavana tamin’i Adama sy i Eva tamin’ny fomba hafa indray Andriamanitra. Nomeny fonenana izy ireo dia ny Saha Edena izany. Tao no nifaneraseran’Andriamanitra tamin’ireo ray aman-drenintsika. Nanome toromarika azy ireo ny anjely ary nanomboka nahatsapa ny fahasoavan’Andriamanitra izy
ireo. Tsy afa-misaraka ny fahalalana ny fahamarinana mikasika ny famoronana sy ny fahafantarana marina ny amin’ny
fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanavotana. Izao no voalazan’ilay Mpikaroka momba ny tantaram-piangonana, Philip Schaff, dimampolo amby zato taona lasa izay: “Raha tsy foto-pinoana marim-pototra miainga amin’ny famoronana dia tsy misy foto-pinoana marim-pototra mikasika ny fanavotana.” Mazava ny firaketan’ny Genesisy fa tsy toeramponenana ho an’i Adama sy i Eva fotsiny tsy akory ny Saha Edena fa fitoerana masina ihany
koa.

Ny Saha Edena, toerana hifaneraserana amin’Andriamanitra

Tao anatin’ny tsy fananan-tsiny dia nanana tombontsoa hahita maso sy hiresaka mivantana tamin’Andriamanitra i Adama sy i Eva. Matetika namangy azy tao amin’ny Fitoerana Masin’ny Saha Edena Andriamanitra. Tamin’izany fotoana izany dia tsy mbola tsapan’izy akory ireo fa lehibe ny fitahiana azony. Efa taty aorian’ny fandroahana vao fantatr’izy ireo ny hatsaran’ny zavatra nomena azy. Ary izany fahatsiarovana miredareda izany no nentin’izy ireo nanatona ny vavahadin’i Edena mba hanao fanompoam-pivavahana, saingy tsy azon’izy ireo natao intsony ny niditra noho ny fisian’ireo sabatra lelafo. Tsy  azon’izy ireo natao intsony ny nankao amin’ilay fitoerana masina nananan’izy ireo taloha ka hanandrana ny fifaliana’ny fahitana ny tavan’Andriamanitra. Ilay fanandramana feno fahafinaretana nandramana tao amin’ny fitoerana masin’i Edena dia lavina tsy ho azy
ireo intsony. Tsy azon’izy ireo sy ny taranany atao intsony ny hahita izany, kanefa mbola haverina indray izany rehefa havaozina ny tany.


Edena, toerana handraisana toromarika arapivavahana

Araka ny voalazan’i Ellen White:

  “ ireo mpivady masina tao Edena dia tsy vitan’ny hoe  zanaka eo ambany fiahian’Andriamanitra Ray ihany fa sady mpianatra mandray toromarika avy amin’Ilay Mpamorona Hendry rahateo koa” -  Patriarchs and Prophets, t. 50.

Ilay Mpanao ny masoandro sy ny volana ary ny kintana dia nanambara tamin’izy ireo ny lalàna sy ny fiasan’ny natiora. Kanefa nisy zavatra hafa koa nilaina ho fantatr’izy ireo izay nisy fifandraisana mivantana tamin’ny antom-pisian’izy ireo. Nalefa hanazava mikasika ny Hery mifanandrina tamin’i Adama sy i Eva ny anjely. Notantaraina azy ireo ny amin’i Losifera sy ny fikomiany tamin’Andriamanitra, tamin’ny Lalàny ary tamin’ny fanjakany. Nampahafantarina azy ireo ny fandroahana azy avy tany an-danitra ary nolazaina azy fa tao amin’ny fitoerana masin’i Edena izy tamin’io fotoana io. Koa satria solon tenan’Andriamanitra sady mpiara-mitantana ny Planeta Tany amin’Andriamanitra i Adama, dia nampiasain’i Losifera taminy ny fahaizana amam-pahendrena rehetra nananany mba hoenti-mamitaka an’i Adama ka hisarihana azy hanota sy hakany ny toerany. Amin’izay, hoy ny eritreritr’i Losifera, dia ho azy koa ny tany ka haoriny eto ny fanjakany hahafahany mandrafy ny fanjakan’Andriamanitra sy ny Lalàny. Tokony ho natahotra ny toromarika nomen’ny anjely azy i Adama sy i Eva ka nandetika azy ireny tao an-tsainy. Ary tsy tsapan’izy ireo tamin’zany fa ny fitadiavam-bahaolana mikasika ny hery mifanandrina dia mbola fanehoana indray ny fitiavany tsy miova. (ibid., t. 33)

Rehefa lavo i I Adama dia efa tapaka ny hevitra eo amin’ny tany notakin’i Losifera fa azy ny saha hifantohan’ny hery mifanandrina, dia ilay toerana tsy maintsy natolotr’i I Adama ho an’ilay mpamitaka lehibe. Nomena indray mijery an’i Adama sy i Eva ny toromarika mikasika ny hery mifanandrina raha mbola tao amin’ny fitoerana masin’i Edena izy ireo. “Noho izany dia nambara tamin’i Adama ny amin’ireo zava-mitranga manana ny lanjany teo amin’ny tantaran’nytaranak’olombelona, dia hatreo amin’ny didim-pitsaran’ny lanitra navoaka tao Edena, ka hatramin’ny safodrano, ary hatramin’ny fiaviana voalohan’ny Zanak’ Andriamanitra”
(ibid., t. 67).

Tena miankina aman’aina ny fahafantaran’i Adama sy i Eva ny fototry ny hery mifanandrina – dia ny fandavan’i Losifera tsy hankato ny didin’Andriamanitra. Tamin’ny fikomiana amin’ny lalàn’Andriamanitra dia nikomy tamin’ny fanjakan’Andriamanitra koa i Losifera. Nanazava tamim-pitandremana fatratra ny anjely fa: “ny tantaran’ny fahalavoan’i Satana sy ny anjeliny ary ny amin’ny handevonana azy dia fanehoana ny toetry ny fanjakan’Andriamanitra izay notadiavin’ny andrianan’ny ratsy haongana.” (ibid., t. 52).

Fanampin’izany dia tsy maintsy nampahafantarina an’ireto mpivady masina ny toetry ny lalàn’Andriamanitra – izay mbola endriky ny fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany ihany koa. Zava-dehibe ihany koa ny fahampahafantarana azy ireo, fa toy ny voary hafa eto amin’izao rehetra izao dia mandalo fisedrana koa izy ireo. Miankina amin’ny fepetry ny fankatoavana ny lalàn’Adriamanitra ny fahasambaran’izy ireo. “Azony atao ny mankatò dia ho velona, na ny tsy mankatò dia ho very.” (ibid., t. 53). Tsy maintsy fantany fa ny fankatoavan’ny voary ny lalàn’Andriamanitra dia fanehoam-pitiavana sy fankasitrahana omeny Azy. “Fankatoavana tanteraka sy tsy misy fepetra no aina iankinan’ny fahasambarana mandrakizay.” (ibid., t. 49).

Nilain’i Adama sy i Eva ny nahafantatra izany, ka dia nomena azy ireo tao amin’ny fitoerana masina tao Edena ny tsipiriany momba izany

Edena, toeram-pialofana sy toeram-pitadiavana ny fahasoavan’Andriamanitra

Toeram-pialofana ho an’i Adama sy i Eva ny saha Edena. Nilofo mafy ho amin’ny fandevonana azy ireo i Losifera saingy tsy nahazo nanatona afa-tsy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy izy.
Koa raha mbola tsy nanatona io hazo io ny mponina tao Edena dia ho voaaro hatrany izy ireo.

Tsy azon’i Losifera natao ny nanaraka azy ireo tany amin’ireo faritra samihafa tao Edena ka hitaona azy ireo hiodina tamin’ilay Mpamorona azy ireo. Fiarovana amin’ny fikasana ratsy ny saha Edena. Nazava tsara ny toromarika
nomen’Andriamanitra mikasika ilay hazo voarara: «Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.» - Gen 2 :16,17. Kanefa araka ny fantantsika dia nania niala tao anatin’ny fialofana natao ho azy i Eva ka nanjary babon’ny fitaka nataon’i Losifera. Rehefa hitan’i Adam ny zava-nisy ka tsapany fa ho very ilay vady tiany dia nanaraka azy izy ka nandika ny toromarika nomen’Andriamanitra. Vokany: voasarika teo ambany fatoran’ny fahotana ny fianakavian’olombelona. Nanjary toeram-pitoriana voalohany mikasika ny famonjem-pahasoavana ny saha Edena, tamin’izay: “Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy” hoy Andriamanitra tamin’i

 

Losifera, “ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.'' - Gen. 3:15.

Naseho ara-tandindona tamin’ny asa fisoronana natao tao amin’ny taberinakelin’i Mosesy sy ny tempoly naorin’i Sôlômôna izany
fanambarana feno fanomezan-toky izany.

Ny ombelahin-tongotra torotoro dia nasehon’ny biby natao sorona izay naneho ny sorona nataon’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana. Ny loha torotoro kosa dia aseho amin’ny anjara hiafaran’ilay osilahy ao amin’ny andro fanavotana, izay manome antoka ny tsy maintsy handevonana tanteraka an’i Losifera sy ny amin’ny hamongorana ny ratsy.

Tao amin’ny fitoerana masin’ny saha Edena no nanombohan’Andriamanitra nanambara ny amin’ny planin’ny famonjena sy ny hiafaran’ny fahotana tamin’ny fianakavian-draolombelona.

Nasehon’i Losifera ho toy ny olona tia voninahitra sy fandokafana Andriamanitra. Ny fanontaniana nipetraka tamin’ilay andro fitsarana
tao Edena dia toy izao: Moa ve ny Ray sy ny Zanaka manana fitiavana ampy ho an’ny taranak’olombelona ka hahafoy tena sy hanana ny fanahin’ny fanoloran-tena hamonjena azy ireo
avy eo amin’ny vahohon’i Losifera? (ibid., t. 70).

 


Ao amin’ny Gen. 3:15 no ahitantsika ny valin’izany fanontaniana feno fihaikana izany amin’ny feo manakoako hoe: ENY! Ary nohamafisin’ny zava-nisy izany rehefa niantso an-dranomaso teo
amin’ny hazo fijaliana i Jesôsy ka nanao hoe: “Vita!”

 

Rehefa nohariana i Adama sy i Eva dia natao latsaka kely kokoa noho ny anjely izy ireo. Kanefa ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny ny taranak’olombelona dia mifono fahasoavana mahagaga atolotra ireo izay mitoetra ho mahatoky Aminy: “ireo izay maharesy ny fahavalon’Andriamanitra sy ny olona noho ny herin’i Kristy dia hanana toerana eo amin’ny seza
fiandrianan’ny lanitra eo ambonin’ny anjely izay tsy mbola lavo” (Ellen G. White, General Conference Bulletin, Apr. 1, 1899).

Nikasa ny hanapotika ny taranak’olombelona i Losifera noho ny fialonana be tao aminy. Niaina fahasambarana sy nifampizara ny fitiavan’Andriamanitra i Adama sy i
Eva. Tsy zakan’i Losifera ny miatrika ny fandevonana azy mandrakizay. Rehefa lavo i Adama ka tsy afaka nifanerasera tamin’Andriamanitra intsony, voaroaka avy ao Edena, dia tapa-kevitra i Losifera fa amin’ny hoavy dia hataony avokoa izay tsy hahatafiditra ny taranak’i Adama ao amin’ny fitoerana masina, na toy inona na toy inona endriny, andrao mahalala ny amin’ny drafitry ny famerenana azy ireo amin’ny laoniny indray izy ireo.

 

Fehiny
Mampianatra antsika zavatra maro ny fanandramana niainan’i Adama sy i Eva tao amin’ny fitoerana masin’i Edena. Voalohany dia izao: tao anatin’ny fitiavany an’ireo ray aman-drenintsika dia nanao izay rehetra azony natao hahasambatra
azy ireo Andriamanitra. Ankehitriny koa àry Izy dia mifampiraharaha amintsika noho izay fitiavany izay ihany.

Ny porofon’izany fitiavana izany dia ny nanomezana ny Zanany Lahy tokana ho an’ny taranak’olombelona.Nomen’Andrimanitra ny Zanany “tsy hitondra ny fahotantsika ihany sy ho faty ho sorona ho antsika fotsiny; fa nomeny ho an’ny taranaka lavo Izy. (…) nomen’Andriamanitra ny Zanany lahy tokana mba ho anisan’ny fianakavian-
draolombelona, ka hitoetra ao amin’izany toetra maha-olombelona izany mandrakizay” (The Desire of Ages, t. 25).

Faharoan’izany, rehefa notononin’Andriamanitra ny fitsaram-panavotana nialoha ny nandroahana an’i Adama sy i Eva hiala tao Edena; ankehitriny kosa Izy dia mitsara ny taranak’olombelona amin’ny fahasoavany mitondra fanavotana izay natolony tamin’ny alalan’ny Zanany. Rehefa mijery ny sorona nataon’Andriamanitra ho antsika sy ny didim-pitsarana isika, dia ilaintsika ny manao fanandramana feno toy izay nampianarina antsika tany amin’ny fitoerana masina fahizany, tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha. Tsy maintsy manetry tena isika manoloana Ilay Mpahary antsika ka mikatsaka fifandraisana velona Aminy amin’ny  alalan’ny fifohazana sy fanavaozana marina ka miantehitra feno amin’i Kristy mba ho Mpamojy antsika sy Mpanome antsika izay ilaintsika. Amin’ny fahasoavan’i Kristy sy ny fonenan’ny
Fanahy Masina ao anatintsika no hahazoantsika ny tombontsoa hahita sy hiditra ao amin’ilay saha izay nonenan’i Adama sy i Eva fahiny. Tombontsoa manao ahoana re izany hitory ny hafatry ny anjely telo amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra izany ka hahita ny fahatanterahan’ny
drafitr’Andriamanitra sy hamerina ny zanany ho ao amin’ilay Edena vaovao e.

         
Fanontaniana fampieritreretana sy hifanakalozan-kevitra

1. Tao amin’ny fahatanterahana tamin’ny lafiny rehetra ny voary raha nivoaka avy teo am-pelatanan’Adriamanitra. Inona re no nety ho zavatra nahamanina an’i Adama sy i Eva indrindra rehefa voaroaka ny saha Edena izy e? Nahoana?

2. Nahoana no ohatra ho an’ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny vahoakany ny saha Edena? Inona no tena andrasanao momba izany?

Suivant


TED N.C. WILSON FILOHAN'NY FIANGONANA ADVANTISTA MITANDRINA NY ANDRO FAHAFITO MANERAN-TANY

 

Awr logo

Podcast

Retrouvez-nous sur Facebook